Tahiry


Teny fanolorana

Fotoam-pahasoavana ho an’ny vahoaka kristiana ny vanin’andro ankalazana jobily fa sady ahafahana mitodika ny lasa niarahana tamin’Andriamanitra izany no ahazoana mitsinjo ny ho avy mbola iandrandrana ny fitarihany koa. Tsy vitsy ny Fiangonana mandrakitra am-boky ny fizotran’ny jobiliny mba hitehirizana izany ho an’ny taranaka ho avy.

Ity boky ity dia mirakitra ny vokatry ny fanangonana nataon’ny havanao mikasika ny teny manokana, ny fampianarana, ny lahateny, ny valan-dresaka, ny famelabelarana, ny toriteny sy ny asa soratra isan-karazany nifanesisesy tamin’ny fankalazana ny fahefapolo taonan’ny Fiangonana FPMA teto Toulouse tamin’ny taona 1999 sy 2000.

Tany am-boalohany dia ho an’ny Fiangonana nanaovana ny jobily no nikasana hamoahana azy ity, nefa  noho ny asa betsaka sahaniny izay samy lehibe avokoa, dia tsy mbola ao anatin’ny laharam-pahamehany mandrak’androany ny hanaovana izany, na dia efa ho fito taona aza izay no nahavononany.

Ny fahatsapana fa mety hahasoa ny be sy ny maro, indrindra ho an’ireo te-handalina bebe kokoa ny amin’ny tantara sy ny fiainana ara-panahin’ny diaspora malagasy, ny famakiana izay voarakitra ato, dia nitarika ny havanao hangataka alalana tamin’ireo mpitandrina sy laika maro efa nanome ny zavatra nandraisany anjara tamin’ny jobily, mba hahafahana mamoaka izany eto amin’ny tranonkala “Anathoth Valim-Bavaka”. Eto dia tiana ny hisaotra sy hankasitraka ireo rehetra nanaiky am-pitiavana izany fangatahana izany !

Any aoriana any, rehefa manana « tranonkala » ny Fiangonana FPMA Toulouse , ka misy fanirian’ny tompon’andraikitra hametraka ao ny ampahany na ny rakitra rehetra ato amin’ity tahiry ity, dia afaka hanao izany an-kalalahana izy.

Hitondra fahasoavana ho an’ny mpitsidika ny “tranonkala Anathoth Valim-Bavaka” rehetra anie ny famakiana ity tahiry ity.
Arilaza RANDRIAMAHEFASOA
{mospagebreak}

Fizarana I

TAHIRIN’NY TENY MANOKANA NATAO NANDRITRA NY FANKALAZANA

Teny nataon’Atoa Arilaza RANDRIAMAHEFASOA, Filohan’ny Komitin’ny jobily tamin’ny Loabary andasy natao nandritry ny takariva amorom-patana nanokafana ny jobily ny Asabotsy faha-2 Oktobra 1999 nanomboka tamin’ny 5 ora tolakandro tao amin’ny Vieux Temple, Toulouse

Amin’ny anaran’ny Komitin’ny jobily no iarahabana antsika rehetra nahatratra izao hasaramanitra izao. Anio tokoa mantsy no anombohana ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny FPMA eto Toulouse . Raha iherehana izany 40 taona nodiavin’ny Fiangonana izany dia ahitana miharihary ny fitsofohan’Andriamanitra teo amin’ny tantaran’ny malagasy mivahiny aty ampitan-dranomasina, mba hiara-monina aminy, hiteny aminy, hamonjy azy ary hanome fiainana mandrakizay izay mino Azy. Mpiray tanindrazana maro izay tonga nifandimby handalim-pahaizana sy hila ravin’ahitra taty an-dafy no efa nandray an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina ho Tompo sy nitombo tamin’ny fahalalana Azy ary nivelatra tamin’ny fanarahana sy ny fanompoana Azy, tamin’ny alalan’ny Fiangonana FPMA.

Ny FPMA Toulouse dia anisan’ireo tafo dimy nanangana ny FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ATY ANDAFY tamin’ny taona 1959. Araka izany, ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny FPMA dia fotoana ankalazan’ny FPMA Toulouse ny faha-40 taonany koa.

Hatrany am-boalohany no nitandrovan’ny FPMA fatratra ny fiaraha-miasa amin’ny Fiangonana ERF izay tsy mitsahatra manampy antsika mandrak’androany. Tahaka izany koa no nandalàny ny fifandraisana amin’ny mpiray tanindrazana katolika malagasy sy ireo fikambanana malagasy hafa misy aty Andafy. Nandritry ny taona maro no nanolokoloan’ny FPMA izany rohim-pihavanana izany.

Ny Birao, izay nitantana ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany, dia niezaka handrindra ny fiainam-piangonana araka izay azony natao. Indray mandeha isam-bolana no nanaovana ny fanompoam-pivavahana. Nahalana dia nahalana no nisian’ny fotoana nahafahana naka mpitandrina. Nahalana toy izany koa ny nisian’ny toriteny nandritry ny fotoam-pivavahana. Tsy nisy ny fivorian’ny mpandray, fa ny mpiangona iray manontolo no nandini-draharaha sy nandray fanapahan-kevitra tamin’ny raharaha nodinihina. Ny Krismasy ihany no fetim-piangonana nankalazaina. Ny sisa rehetra kosa dia nandalo fotsiny ihany rehefa tsy nifanandrify tamin’ny fotoam-piangonana. Ny Antoko Mpihira, izay nisy hatramin’ny fotoana niorenan’ny Fiangonana, no hany sampana nahafahan’ny mpiangona nandray anjara nivantana tamin’ny fampandrosoana ny asa fanompoana an’Andriamanitra.

Taty aoriana kosa dia ny fampiorenana ny FPMA amin’ny maha-Fiangonan’i Jesoa Kristy azy no nimasoan’ny mpanompon’Andriamanitra maro nifandimby teto araka izao filaharana izao:
-1976 :    Fitorianteny tsy tapaka isaky ny fotoam-piangonana
-1977 :    Fankalazana ny Paska sy Pentekosta
-1978 :   Fandalinana Soratra Masina
Fahatongavan’ny Mpitandrina hampiangona mandritry ny taona
Fampianarana Katekomena nifandrombonan’ny laïka sy ny mpitandrina
(mpiaradia)
-1983 :    Fanomanam-panahy amin’ny Ankatoky ny Fandraisana
-1991 :    Filan-kevitry ny diakona
-1999 : Komitin’ny tafo ivondronan’ny diakona sy ny filohan’ny sampana ao amin’ny fitondram-piangonana
Nanovona ny Antoko Mpihira izay efa nisy hatrany am-piandohan’ny FPMA Toulouse ireto sampana ireto :
-1982 : Sekoly Alahady lasa Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra (STA)  tamin’ny
taona 1999
-1985 :    Radio Antson’ny Filazantsara (RAF)
-1988 :    Gazety Fiainana (GF)
-1989 :    Fifohazana
Asa Sosialy (AS)
-1996 :    Sampana Tanora Kristiana (STK)
-1997 :    Sampana Vehivavy

Nifandimby nisahana ny asam-pitandremana teto amin’ny FPMA Toulouse ny mpitandrina isany : ANDRIAMAHENINA, ELIA Rozy, RAMAROSATA Aline,  ANDRIANAVONY Edmond, RABEVAZAHA, RAKOTO Emmanuel, RAKOTOJAONA Eugène, ary ANDRIAMIANDRA Elysée, mpitandrina am-perinasa amin’izao fotoana izao, izay nisahana ny fitaizana ara-panahy teto amin’ny Fiangonana nanomboka tamin’ny taona 1986.


Raha ny asam-pitiavan’Andriamanitra nasehony teto no ho saintsainina dia mahazo mirehareha tokoa ny Fiangonana FPMA Toulouse . Rahalahy sy anabavy maro no efa nahita ny Tompo teto, ary mitoetra ho fanaka voafidy mpitondra ny fahazavan’ny Filazantsara any amin’ny toerana ametrahan’ny Tompo azy avy. Hatrizay hatrizay, ary mbola mitohy hatramin’izao, dia anisan’ny tafo mpialoha lalana sy fakan-tahaka amin’ny zavatra maro eto anivon’ny FPMA manontolo ny Fiangonantsika. Mpitandrina telo no efa navoakan’ny FPMA Toulouse, dia Rtoa isany MORVANT Nivo sy Rasehenoarimanana Emilienne ary Atoa RANDRIAMANANTENA Herimino Paul. Ny filoha lefitry ny FPMA reniny amin’izao fotoana izao, Atoa RAFIDINARIVO Jean Solo sy ny mpitahiry volan’ny FPMA reniny teo aloha, Atoa RAKOTOMALALA Rasoanaivo, dia samy tanora nobeazin’ny FPMA Toulouse. Teto no nanokanana azy ireo ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, ary teto no nahalalany sy nianarany nitia ny FPMA. Ny tonian’ny FPMA reniny indray dia tsy hafa fa ny mpitandrina eto amintsika. Ny FPMA Toulouse no anisan’ny toerana nivelarany tamin’ny asam-pitandremana, sady varavarana nidirany teto amin’ny FPMA.

Noho izany rehetra izany dia rariny tokoa raha nanokana ny taon-tsekoly 1999-2000 ny Fiangonana mba hiderana sy hankalazana an’Andriamanitra, Ilay hany tompon’ny tantaran’ny FPMA. Ity Boky ity dia natao handraketana an-tsoratra sy hanelezana ary hampitana amin’ny taranaka ao aoriana ireo resaka sy toriteny ary fanofanana rehetra natao nandritry ny fankalazana ny jobily faha-40 taona teto amin’ny FPMA Toulouse. Mandalo ihany mantsy isika eto, fa ny Fiangonan’Andriamanitra kosa dia mitoetra mba handray ireo taranaka maro hifandimby eto, mandra-piverin’ny Tompo haka ny Fiangonana ho ao amin’ny Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Raha sitrapon’Andriamanitra, ny komitin’ny jobily dia mikasa handrakitra am-boky ny famelabelarana, ny fampianarana, ny fanofanana, ny toriteny sy ny fifanakalozana rehetra hatao mandritry ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny FPMA eto amin’ny FPMA Toulouse. Izany boky izany dia heverina haparitaka amin’ny mpiangona rehetra, mba hahafahan’ny isan-tokantrano mandalina sy mitahiry ary mampita amin’ny taranaka ho avy, ny tantara sy ny ventin-kevitra ary ny hafatry ny Filazantsara navelan’ny faha-40 taona.  Ny fitrandrahana ny traikefan’ny Fiangonana raketin’izany boky izany dia hanampy be dia be ny mpamaky amin’ny fikarohany ny lalana masaka tokony hizorany, mba hahitany fitsaharana ho an’ny fanahiny (Jer 6: 16) amin’ny fotoana rehetra hanolokoloana azy sy hanompoany an’Andriamanitra eto amin’ny Fiangonany.

Ho an’Andriamanitra Irery anie ny voninahitra !{mospagebreak}
Teny nataon’Atoa Benjamin RAZANADRAKOTO, Filohan’ny FPMA Toulouse
tamin’ny Fanompoampivavahana fanokafana ny jobily ny Alahady faha-3 Oktobra 1999
nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro tao amin’ny Vieux Temple, Toulouse

 

 

Arahaba tratry ny taonn-jobily faha-40 taonan’ny FPMA .

Fa inona moa ny Jobily , ary nahoana no mankalaza ny Jobily ny FPMA ?
Araka ny lalàna jiosy dia notendren’Andriamanitra hatao isaky ny 50 taona ny Jobily ary marihina amin’ny :
- fitsaharana ho an’ny tany ,
- famerenana ny tany namidy amin’ny mpivarotra ,
- fahafahana ho an’ny jiosy izay nandevozina .

Ny anton’ny nanendren’Andriamanitra ny taon-jobily dia ho vavolombelona fa Izy ihany no Mpanjakan’ny Israely ary tsy misy fizahan-tavan’olona ao aminy .

Araka izany dia :

- Tendren’Andriamanitra hataon’ny Fiangonana ny Jobily . Tsy fitiavana te-hanao na manao ny hafa ka mba manao koa ny FPMA ;
- Ny Fiangonana manontolo no tendren’Andriamanitra hanatanteraka ny Jobily : ny Sampana sy ny vahoakan’Andriamanitra tsy misy avakavaka.

Ny FPMA dia mankalaza ny Jobily :

- Ho fisaorana an’Andriamanitra noho ny nitantanany ny FPMA : »Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ny FPMA » (1 Kor .15 :10)
- Ho fampahatsiarovana ny vahoakan’Andriamanitra, ho fampahatsiahivana ahy, ho fampahatsiahivana anao, ho fampatsiahivana antsika fa Anddriamanitra no nanangana ny FPMA ary mbola hajorony ny FPMA.
- Ho fijoroana vavolombelona ary ho fanehoana eo anivon’izao tontolo izao fa vavolombelon’i Jesosy Kristy Tompo ny FPMA.

Ny  FPMA Toulouse dia manao izao fandaharan’asa izao ho fankalazana ny Jobily :

- Fanompoam-pivavahana sy fiofanana ary famelabelaran-kevitra ,
- Fanorenana tsangam-bato ho famantarana sy ho vavolombelona ary ho fanekena.
- Firaketana anaty Boky Volamena  ny fihetseham-pon’ny kristiana sy ny fandraisan’anjarany amin’ny tsangam-bato
- Fanontana boky ahitana  ireo fandaharam-potoana samihafa.

Nanangana ny Komitin’ny Jobily ny FPMA Toulouse hiandraikitra ny fanatanterahana ny  fandaharan’asa . Misy Vaomiera efatra ao amin’izany Komity izany :

- Vaomieran’ny fanompoam-pivavahana, Jobily, famangiana ,
- Vaomieran’ny fanentanana sy fitaovana ,
- Vaomieran’ny fifandraisana sy asa soratra ,
- Vaomieran’ny vola sy tsangam-bato.

« Mandehana amin’izao herinao izao »  « Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika » (Mpitsara 6 :14 ; Romana 8 : 31) Fanekem-pinoana izany ry havana . Miteny amintsika Andriamanitra ankehitriny manao hoe :  «  Na dia mandra-pahantitrareo aza ,dia tsy miova Aho ; ary mandra-pahafotsy-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo . Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka » (Isaia 46 : 4) Moa ve sahy mamaly  ny FPMA Toulouse manao hoe :  « Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika » ?

Farany dia misaotra ny Komitin’ny Jobily  amin’ny anaran’ny Fiangonana ary mitaona sy manentana antsika rehetra  handray anjara amin’ny fandaharan’asan’ny Fiangonana.

Hitondra fanavaozana sy fifohazam-panahy eto amin’ny FPMA Toulouse anie ny fankalazana ny Jobily ka hahatonga ny kristiana sy ny Fiangonana :
- hiaina ao anatin’ny fifankatiavana ny ny fihavanana,
- hiverina amin’ ilay fitiavana voalohany
- hamelona indray ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra
- hibanjina an’i Jesosy Kristy loharanom’ny finoana sady Lohan’ny Fiangonana .

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra ! Amena

{mospagebreak}
Teny nataon’Atoa Arilaza RANDRIAMAHEFASOA,
Filohan’ny Komitin’ny jobily
tamin’ny Fanompoampivavahana notarihin’ny Sampana Fifohazana
ny Alahady faha-17 Oktobra 1999

nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro
tao amin’ny Vieux Temple, Toulouse

Ry havana malala !

Fahasoavana avy amin’Andriamanitra no naharetan’ny FPMA nandritry ny 40 taona ! Koa ho fiarahabana ny Fiangonana, dia mamelà ahy ianareo hindrana ny teny nataon’ny anjely Gabriela tamin’i Maria fahizay, raha nanambara ny amin’ny hahaterahan’ny Mpamonjy izy, manao hoe : « Arahaba ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao ! ». Izany koa no iarahabana antsika mianakavy anio. Arahaba ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao !

Raha ny FPMA Toulouse no ambara, dia tsapa ny nanamarinan’Andriamanitra taminy ny Teny Fikasany manao hoe : « Indro efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy » ( APO 3/ 8). Efa namoha varavarana teto tokoa ny Tompo mba handrosoan’ny FPMA Toulouse ho amin’ny maha-Fiangonana azy marina, dia ny fiverenana sy ny fitoerana ary ny fiorenana amin’ny Tenin’Andriamanitra. Vavolombelon’izany ny fisian’ny sampana fifohazana eto hatramin’ny taona 1989, 10 taona katroka izao, izay nanomana mpiandry 10 nandray fanokanana tamin’ny fotoam-pifohazana iombonan’ny FPMA manontolo, izay atao isan-taona eto Frantsa manodidina ny faha-14 Jolay.

Tsy vao tamin’ny fotoana nijoroan’ny sampana Fifohazana teto anefa no nisian’ny fifohazam-panahy teto amin’ny FPMA Toulouse. 40 taona lasa izay no efa nametrahan’ny Tompo ny fanaovan-jirony teto. Ankoatran’ny fisian’ny mpitandrina maro nifandimby teto, dia tao koa ny nanirahan’Andriamanitra mpanompo maro hanatanteraka Tafika Masina sy fampianarana teto, mba hampiorina ny Fiangonana amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Anisan’ireny ny fandalovan’ny fikambanana Avotra avy any Madagasikara tamin’ny taona 1980 izay nandraisan’ny olona maro an’Andriamanitra teto. Tamin’izany no niorenan’ny « Cellules de prière » maro nanerana an’i Toulouse , izay nanampy ny Fiangonana tamin’ny fanabeazana ara-tSoratra Masina ny tanorany.

Anisan’izany koa ny fitorianteny nataon’Atoa RAJAKOBA Daniel mivady teto Toulouse tamin’ny taona 1988 sy ny niverimberenan’izy ireo taorian’izany, izay nitondran’ny Tompo aim-panahy vaovao hitarika kristiana maro hifikitra amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy sy hijoro ho andry eo amin’ny Tempolin’Andriamanitra.

Fa fotoana tarihin’ny sampana Fifohazana moa izao. Ary ny fotoana ankalazana jobily, dia natao koa mba hitodihana ny 40 taona nolalovan’ny Fiangonana. Koa mamelà ahy ianareo raha hahatsiahy ny anaran’ireo mpiandry niomana teto amin’ny FPMA Toulouse,  dia Rtoa isany ANDRIAMIANDRA Lalatiana, COLLANGE Hanitra, RABENARIVO Saholy, RAHARINJATOVOARISOA Fara Julie, RANDRIAMAHEFASOA Félicie, sy Atoa isany ANDRIAMIANDRA Elysée, RAKOTOZAFY Valotiana, RANDRIAMANANTENA Herimino Paul, RAZANADRAKOTO Benjamin, ary ny tenako RANDRIAMAHEFASOA Arilaza.

4 amin’ireo mpiandry novokarin’ny Fiangonana ireo no tsy eto intsony. Misy ny manohy ny asa maha-mpiandry azy any amin’ny Fiangonana FPMA hafa, misy ny manao izany any an-tanindrazana, ary misy efa mitsahatra amin’ny fisasarany ao amin’ny fahasambaran’ny maty ao amin’ny Tompo.

Misy ray aman-dreny mpiandry iray avy any Madagasikara nomen’Andriamanitra ny Fiangonana, amin’izao fotoana izao, mba hiara-miasa amin’ny mpiandry 6 eto an-toerana, dia Rtoa RAVELOMANANTSOA Simone.

Araka izany dia mpiandry 6 no miara-miasa amin’ny mpitandrina amin’ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fampianarana sy ny dinidinika sy fitaizana ary ny fanaovana Asa sy fampaherezana eto amin’ny FPMA Toulouse .

Anio, aorian’ny fanompoam-pivavahana, dia hisy Asa sy Fampaherezana hiarahan’ny mpiandry manatanteraka amin’Atoa RAMAHOLIMIHASO Solofo mpitandrina, tonian’ny sampana Fifohazana FPMA. Asan’ny Fiangonana manontolo ny Asa sy Fampaherezana, koa na tsy misy antony manokana ilanao Fampaherezana aza anio, dia asaina am-pitiavana ianao hijanona mba hiaraka amin’ny Fiangonana amin’izany.

Koa ny Tenin’Andriamanitra izay apetraka amin’ny FPMA Toulouse anio, mba hampahery sy hanampy antsika hijoro hatrany ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana, dia ny teny fanevan’ny jobily manao hoe: Mandehana amin’izao herinao izao. Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika (Mpitsara 6 : 14 ; Romana 8 : 31).{mospagebreak}
Teny nataon’Atoa Arilaza RANDRIAMAHEFASOA, Filohan’ny Komitin’ny jobily tamin’ny Fanompoampivavahana notarihin’ny
Sampana Tanora Kristiana (STK) ny Alahady faha-21 Novambra 1999 nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro tao amin’ny Temple du Salin, Toulouse

 

 

 

Ry havana malala !


 


Izao no fotoana faha-3 ankalazàn'ny Fiangonana ny faha-40 taonan'ny FPMA. Nanomboka omaly hariva, tamin'ny Gospel Show natao tany amin'ny Vieux Temple; nitohy anikeheo, tamin'ny sakafo sy fanofanana natao teto amin'ny Temple du Salin; ary mifarana amin'izao Fanompoam-pivavahana izao ny anjara nomena hotarihin'ny Sampana Tanora.

Koa amin'ny anaran'ny STK no amerenana indray ny fiarahabana antsika mianakavy notahian'Andriamanitra ka nahatratra izao vanim-potoana lehibe eo amin'ny fiainan'ny Fiangonantsika izao. Arahaba ry FPMA Toulouse nohasoavin'ny Tompo, ka nomeny taranaka maro, dia ankizy sy tanora izay napetrany amin'ny Fiangonana mba ho tazaina sy beazina any amin'ny Sampana Sekolin'ny Tenin'Andriamanitra sy Sampana Tanora ary Antoko Mpihira. Ataoko fa ny zava-dehibe anisan'izay tokony hahafaly sy haharavo amin'izao jobily izao, dia ny fahatsapana, fa tsy adinon'ny Fiangonana, fa nataony vaindohan-draharaha nandritry ny 40 taona voalohany nisiany, ny fikarakarana ny taranaka nomen'Andriamanitra azy, ka nananganany ireo sampana 3 ireo.


Izao dia mangataka ny ankizy sy ny tanora rehetra tonga eto aho, mba hitsangana: ny ankizy madinika, ny zatovo sy ny tanora rehetra. Aoka ianareo hitsangana eny amin'ny toerana misy anareo avy. "Je demande aux enfants et aux jeunes de l'Eglise, de se lever!" N'ayez pas peur, n'ayez pas honte. Levez-vous, là où vous êtes!"


Ry Fiangonana malala, "Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; ny zanakao lahy dia avy lavitra, ny zanakao vavy dia sakelehina. Ary hahita izany ianao ka ho miramirana. Dia hiemponempona sady hohalehibeazina ny fonao" (Isa 60: 4-5). Indreo ny taranakao, ry FPMA Toulouse. Nomen'Andriamanitra ny tsara ianao, ka mahaiza manana, fa ho avy ny andro mbola hanadinan'ny Tompo anao hoe: "Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy? (Jer 13: 20). Tsarovy fa miankina amin'ny fanaovanao ho zava-dehibe ny fanolokoloana ireo ny ho aviny sy ny ho avin'ny Fiangonana koa. Eny, miankina betsaka amin'ny toerana omenao azy ao anatin'ny fiainam-piangonana izany.


Mahazo mipetraka ianareo!


Ny Sampana Tanora Kristiana manokana, izay noraisina tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny fivorian'ny ANKATOKA tamin'ny taona 1997, dia efa niorina teto anivon'ny Fiangonantsika nanomboka tamin'ny taona 1993, tamin'ny alalan'ny fampianarana KATEKOMENA ny ADOLESCENTS, izay nafohezina hoe KT ADO. Ny ray aman-dren'ireo zatovo ireo no nangataka ny hanorenana io antoko io, noho ny fahatsapan'izy ireo, fa nanomboka tsy nety nandeha namonjy fampianarana Sekoly Alahady intsony ny ankizy, rehefa niditra teo amin'ny taonan'ny zatovo.


Ny isan'ny tanora beazina ao amin'ny STK amin'izao fotoana izao dia eo amin'ny 16 eo ho eo. Izay imasoan'ny sampana dia ny fitaizana ny tanora ara-tSoratra Masina, ny fitarihana azy ho tia fotoam-bavaka, ny fampianarana azy handray andraikitra eo amin'ny fijoroana ho vavolombelon'ny Tompo sy ny fitoriana ny Filazantsara, amin'ny alalan'ny fihetsiketsehana toy ny Gospel Show, ny famangiana Fiangonana ivelan'ny FPMA Toulouse, sy ny fifanakalozana amin'ny tanora hafa. Ao koa ny fiezahan'ny sampana hanatona ny Fiangonana amin'ny fanasana  ny fianakaviana rehetra, ny ray aman-dreny sy ny tanora ary ny ankizy, mba hiaraka handany ny andrny mandritry ny "JOURNEE DETENTE" izay ataony isan-taona.


Tsara koa ny milaza ampanetren-tena etoana fa isika eto Toulouse no loharano nipoiran'ny Sampana Iraisana STK Nasionaly. Raha mbola nihazohazo tsy hiroso tamin'ny fananganana STK ny tafo hafa teto amin'ny faritany FPMA Atsimo-Andrefana dia nanainga ny STK Paris sy ny STK Marseille, izay zokiny ara-tantara, ny STK Toulouse mba hiara-manao fihaonambe hiantsoana ny tanora avy amin'ny tafo FPMA hafa izay hikendrena indrindra ny hanampiana azy ireo hamorona STK mba hahafahana manangana Sampana STK Iraisana Nasionaly. Noho ny fitahian'Andriamanitra dia tanteraka soa aman-tsara izany, ka tafajoro tamin'ny fihaonambe faharoa natao tany Marseille tamin'ny volana jolay ny Sampana Iraisana STK Nasionaly izay namory STK avy amin'ny tafo maro ka ho raisina amin'ny fomba ofisialy any amin'ny SYNODA FPMA 2000.


Ny Tenin’Andriamanitra izay tiana hapetraka aminareo tanoran’ny Fiangonana amin’izao fotoana tarihinareo izao, tsodrano irina mba hotanterahan’ny Tompo aminareo tsirairay avy, dia izay voarakitra ao amin’ny bokin’ny Salamo manao hoe: Efa nambolena tao an-tranon’i Jehovah izy ka maniry eo an-kianjan’Andriamanintsika; mbola manorobona ihany izy na dia efa antitra aza; dofodofotra sy maitso izy, mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko izay tsy misy tsiny (Sal 92: 13-15).{mospagebreak}

Teny nataon’Atoa Arilaza RANDRIAMAHEFASOA,
Filohan’ny Komitin’ny jobily tamin’ny
Fanompoampivavahana notarihin’ny
Sampana Antoko Mpihira (AMF)
ny Alahady faha-19 Desambra 1999
nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro
tao amin’ny Vieux Temple, Toulouse

 

Ry havana malala!

Ity no andro nataon'i Jehovah: Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika! (Sal 118: 24). Ity no fotoana fahadimy ankalazan'ny Fiangonana ny jobily faha-40 taonan'ny FPMA, izay jobily faha-40 taonan'ny Antoko Mpihira eto an-toerana koa, izay nisy hatrany am-piandohan'ny tantaran'ny Fiangonantsika.

40 taona! Zinona moa izany raha oharina amin'ny 80 taona, ny zato taona, ny 120 taona sy ny 200 taona fankalazan'ny olona?

Ny fitodihana ny lalana nodiavina nandritra izay 40 taona izay anefa dia ahitana miharihary ny fisehoan'ny fitiavana sy ny famindrampon'Andriamanitra, izay tsy nivadika tamin'ny fifidianany ny Antoko Mpihira, na dia tao dia tao tokoa aza ny tsy fahombiazantsika rehetra nandalo tao. Tsy mba mitondra antsika araka ny fahalementsika Izy, ary tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika (Sal 103: 10). Ny tanany mahery no nitantanany sy nampiorenany izao Antoko Mpihira izao amin'ny asa izay nitokisany azy hatrany am-boalohany, dia ny fitoriana ny Filazantsara amin'ny alalan'ny hira.

Hoy ny Apostoly Paoly raha manambara izany fahalemen'ny mpitory izany eo anoloan'ny hasarobidin'ny asa niantsoana azy izy: Fialonana sy fifandirana no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny sasany. Fitiavana ny an'ny sasany, fifampiandaniana kosa  no itorian'ny sasany an'i Kristy fa tsy mba fo madio. Ahoana ary no izy, hoy ny Apostoly, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy na amin'ny marina, dia Kristy no torina ary mifaly amin'izany aho, eny mbola hifaly ihany aho.

Mifaly koa isika ankehitriny fa efa nitory an'i Kristy nandritry ny 40 taona tokoa izao Antoko Mpihira izao, na dia tao aza ny tsy fahatanterahany.

Mifaly koa anefa isika fa efa namokatra famonjena ho an'ny maro ny asan'ny Antoko Mpihira. Firifiry ny mpihaino voatsindrona am-po ka nibebaka, raha nandre ny antson'Andriamanitra noventesin'izao Antoko Mpihira izao? Firifiry ny mpihaino voasarika hidera sy hankalaza an'Andriamanitra raha nihaino ny antemam-pihobiana nasandratr'izao Antoko Mpihira izao? Firifiry ny mpihaino nanokatra ny fony handraisana an'i Jesosy raha nandre ny antsa itorian'izao Antoko Mpihira izao ny fiainana ao Aminy? Tsy teto amin'ny fiangonantsika ihany fa tany amin'ny fiangonana hafa teto an-tananan'i Toulouse, sy teto amin'ny Haute Garonne sy tany Ariège sy tany amin'ny Tarn et Garonne sy tany amin'ny Averon sy tany amin'ny Cevennes… sns…. sns….

Mifaly indrindra koa isika noho ny fahasoavana efa noraisin'ny tanora maro sy taranaka maro nifandimby tao, tamin'ny fanolokoloana sy ny fitaizana sy ny fampianarana ary ny fanefena azy ireo ka nanjarian'ny maro taminy ho fiasana mahomby eo an-tanan'Ilay nifidy azy. Misy amin'izy ireny izay efa nafindra any ankoatra mba hanohy ny fankalazany tsy mitsahatra an'Andriamanitra, fa tany fandalovana ihany mantsy izao tontolo izao ho an'ny olona rehetra. Misy izay efa lasa nody any an-tanindrazana, fa tany fivahiniana ihany moa ny aty andafy ho an'ny malagasy. Misy izay lasa nanorim-ponenana any amin'ny tanàna hafa, fa tanàna fanovozam-pahalalana ihany moa Toulouse ho an'ny sasany. Misy izay eto ihany saingy namela ny Antoko Mpihira mba hahafahana mandroso bebe kokoa amin'ny fisahanana asa fanompoana hafa. Ary misy ireto tanora ireto, izay manohy ny asa natombok'ireo zokiny, ary manatanteraka ny fankalazana ny jobily faha-40 taona, tamin'ny famelarana ny fiainana sy ny tantaran'ny Antoko Mpihira izay narahina gala évangélique omaly, sy amin'izao fanompoam-pivavahana izao izay handrenesantsika Antsam-panahy, na Toriteny an-kira indray, manovona ireo marobe efa notontosain'ny Antoko Mpihira teto nandritra ny 40 taona izao.
Izao no hafatra ho an'ny Antoko Mpihiran'ny FPMA Toulouse: Ry Antoko Mpihira malala ô! Mijoroa, fa hatramin'ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala teo anatrehan'Andriamanitra, dia reny ny teninao. Koa aza matahotra ry ilay malala indrindra. Fiadanana anie ho anao. Mahereza, eny mahereza (Dan 10: 12,19). Amena!
{mospagebreak}
Teny nataon’Atoa Arilaza RANDRIAMAHEFASOA, Filohan’ny Komitin’ny jobily
tamin’ny Fanompoampivavahana nanatanterahana
ny jobilin’ny diakona sy ny mpandray
ny Alahady faha-2 Janoary 2000 nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro
tao amin’ny Temple du Salin, Toulouse

 

 

 


Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny Tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy ( Apo 3: 12).

Ry havana malala,

Anio no andro natokan'ny Fiangonana handraisana ny katekomena, sy hanokanana ny diakona, ary hanaovana ny jobilin'ny mpandray sy ny diakona rehetra niasa teto amin'ny FPMA Toulouse, mba hanamarihana ny faha-40 taonan'ny FPMA. Naompana indrindra amin'izany ny lohateny izay noraisina ho banjinina androany. Mila kristiana mitàna mafy ny fifidianana azy, ka maharesy amin'ny ady tsaran'ny finoana ny Tompo, mba hataony andry mitoetra maharitra eo amin'ny Tempoliny, eo amin'ny Fiangonany, eo amin'ny asany. Andry! Fototr'olona ajoron'Andriamanitra mba hitana ny Fiangonana tsy hikoa, tsy hianjera, tsy ho rava; tsy mandritry ny taona iray na roa fotsiny, na mandritry ny mandat iray na roa ihany, fa mandritry ny fiainany manontolo. Izany no mpandray ny fanasan'ny Tompo sy diakona tsarovana androany. Koa mifaly noho izany ny Fiangonana, fa zava-dehibe izany; zava-dehibe ho antsika kristiana izay nandray fahasoavana tamin'izany, zava-dehibe ho an'ny Fiangonan'Andriamanitra izay maharitra amin'ny fiandrasana ny fiverenan'Ilay Tompon'ny fifidianana, ary zava-dehibe ho an'Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina tompointsika koa.

Mamelà ahy ianareo raha hamerina kely etoana ny tantaran'ny nanorenana ny fampianarana katekomena sy ny fametrahana ny asa fanompoan'ny diakona teto amin'ny Fiangonantsika. Heveriko fa fotoana mahamety ny hanaovana izany izao.

Tamin'ny taona 1962, 3 taona monja taorian'ny niorenan'ny FPMA no nanombohana ny fampianarana katekomena teto amin'ny Fingonantsika. Noho ny tsy fisian'ny mpitandrina malagasy azo nosarangotina, dia pasteur tao amin'ny ERF no nanolo-tena hampianatra sy hanokana azy 8 mianadahy, izay noraisina ho mpandray ny fanasan'ny Tompo voalohany teto amin'ny FPMA Toulouse. Anisan'ireny Atoa ANDRIAMBOLOLONA Germain diakona ankehitriny. Ny nampalahelo anefa, dia ny nihatoan'izany, taona vitsivitsy foana taty aoriana.

Tamin'ny taona 1978, 21 taona lasa izay, raha nisolo tena ny fiangonan'i Toulouse tamin'ny Synoda voalohany nampiraisana indray ny tafo FPMA rehetra teto Frantsa, izay natao tany Montpellier ny tenako, dia voatosika anaty, tsy nisy fanomanana, hanatona ny mpitandrina malagasy ANDRIAMAHENINA, izay anisan'ireo mpitandrina 7 mianadahy nanohy ny fianarany tao amin'ny Institut tao Montpellier tamin'izany fotoana izany, nanatona azy mba hiangavy azy hisahana ny asa fitandremana ka hanomboka indray ny fampianarana katekomena izay re fa efa nisy indray taona niaraka tamin'ny mpitandrina frantsay anankiray. Ny fanekeny avy hatrany tsy nisy fiambahambana dia nahafantarako fa ny Tompo no efa namoha varavarana ny Fiangonana tamin'izany. Tsy nisy volo nanoha randrana na teo amin'ny filohan'ny Fiangonana, Atoa ANDRIAMIZAKA Dominique, izay niara-nisolo-tena an'i Toulouse tamiko tao amin'ny Synoda, na teo amin'ny Biraon'ny tafo, na teo amin'ny fivoriambe.

Mahagaga ny asan'Andriamanitra, ry havana, fa afaka nanafatra mpitandrina avy any Montpellier ilay fiangonan-kelin'ny mpianatra, izay zara raha nahangona rakitra 30FF tamin'ny fanompoam-pivavahana fanaony indray mandeha isam-bolana. Rehefa misy asa tian'Andriamanitra tanterahana tokoa mantsy ao amin'ny Fiangonany, dia Izy no miantoka ny enti-manana izany, amin'ny fitahiana sy ny fanambinana ny olony, sy amin'ny fanendrena ny fony mba hahaizany manome. Tsara ho tsarovana koa fa raha nisy fotoana nahasarotsarotra ihany ny fiantohan'ny Fiangonana ny saran-dalan'ny mpitandrina avy any Montpellier mankaty Toulouse, dia tsy nisalasala hamoaka ny tany am-paosiny izy ireo, mba hahatanteraka ny asan'Andriamanitra; tsy Atoa ANDRIAMAHENINA ihany, fa ireo mpitandrina hafa nandimby azy rehetra koa, izay efa notsarovana teto, iray volana izay. Tanteraka tamin'ny asa fanompoan'izy ireo teto tokoa ilay hirantsika manao hoe: Tsy ahiako ny handany, ho laniana koa.

Mikasika ny fampianarana katekomena, noho ny tsy fahafahan'ny mpitandrina ho tonga hanao izany isan-kerinandro, dia niarahany nanatanteraka tamin'ny laïka izany nandritry ny taona maro. Ankoatran'ny tenako izay nanomboka izany niaraka tamin'ny mpitandrna ANDRIAMAHENINA, tamin'izy 7 mianadahy voaloham-bokatry ny asan'ny mpitandrina malagasy, izay nitokanana teto amin'ny FPMA Toulouse tamin'ny Alahady faha-3 Jona 1979, dia maro ny laïka nifandimby tamin'ny fanatanterahana izany. Nantsoaina hoe mpiaradia izy ireny taty aoriana. Ataoko fa tsy hanome tsiny ahy ireo mpiara-miasa rehetra ireo, raha hahatsiaro manokana ny telo amin'izy ireo aho anio, dia Rtoa FARAMALALA MIADANA HARISOA AMELIE DORETTE sy Rtoa MORVANT NIVO, ary Atoa RANDRIAMANANTENA Herimino Paul, izay rehefa avy nampianarina sy nitokanana ho mpandray teto, dia nanolo-tena handany ny fiainany sy ny androny nandritry ny taona maro, ka tsy nikely aina tamin'ny fampianarana sy ny famolavolana mpikambana tompon'andrikitra ho an'ny Fiangonana.

Raha nisy taona naha-nampoelana ihany ny fanokanana mpandray teto amin'ny Fiangonana, tahaka izay nitranga tamin'ny taon-dasa, dia nisy taona kosa izay nanaovana izany indroa, dia ny taombaovao sy ny Pentekosta na ny Paska. Ny tarika betsaka olona notokanana indrindra, dia ireo noraisina tamin'ny taona 1983. Niisa ho 25 izy ireo tamin'izany. Ny tontalin'ny mpandray rehetra noraisina teto amin'ny FPMA Toulouse kosa, miaraka amin'izy 4 mianadahy hotokanana androany, dia misy 144
Tsara koa anefa ny manamarika fa maro amintsika no efa mpandray ny fanasan'ny Tompo tany an-tanindrazana, na tany amin'ny tanana na tany hafa, talohan'ny naha-mpiangon'ny FPMA Toulouse antsika.
Fa tsy feno izao fitantarana izao, raha tsy resahana kely ny amin'ny fampianarana katekomena ho an'ny zatovo, izay nantsoina hoe: KATE ADO. Natao tamin'ny taona 1993 ka hatramin'ny taona 1998 izany, ary nandraisana zatovo niisa 15 izay nianatra nandritry ny 3 taona avy.

Mikasika ny diakona, ny fametrahana ny asa fanompoan'ny diakona dia natao teto Toulouse tamin'ny taona 1992, izay nanarahana ny toromariky ny Synoda. Talohan'izany dia ny Biraon'ny tafo no nitantana ny Fiangonana. 23 no isan'ny diakona natokana sy nifandimby niasa teto. Ny 2 amin'ireo dia efa lasa nodimandry ka mitsahatra amin'ny fisasarany.

Eo anoloan'izany rehetra izany, dia tsapa ny fiantohan'Andriamanitra ny fandrosoana sy ny fitomboan'ny Fiangonany, izay hahatsiarovana ilay teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe: Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompoisan'andro  ho isan'ireo (Asa 2: 47).

Izao no hafatra ho antsika diakona sy mpandray rehetra izay nanokanana izao andro izao: Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao ( Apo 3: 11).

Dia misaotra antsika rehetra naharitra nihaino!
{mospagebreak}
Teny nataon’Atoa Richard RAMANANA, Talen’ny Radio Antson’ny Filazantsara
tamin’ny Fanompoampivavahana notarihin’ny
Sampan-draharaha Radio Antson’ny Filazantsara (RAF),
Gazety Fiainana (GF) sy Asa Sosialy (AS)
ny Alahady faha-23 Janoary 2000 nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro
tao amin’ny Vieux Temple, Toulouse

 


RADIO ANTSON’NY FILAZANTSARA SY GAZETY FIAINANA

 

“Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha varavarana, dia hiditra ao aminy Aho.” (Apok 3: 20).

Ny taona 1985 no nanorenana ny sampana RADIO ANTSON’NY FILAZANTSARA (RAF) teo anivon’ny FPMA Toulouse. Fitaovana entina hitoriana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny onjam-peo no antom-pisiany, sady natao koa ho fampielezam-baovao ao anivon’ny tafo.

Tsikaritra ihany koa fa tsy feno no tsy afaka hionona fotsiny amin’ny toriteny isaky ny alahady, ny fitaizana ara-panahy ny zanaky ny fiangonana. Mba ho fisorohana izany dia maro ireo tompon’andraikitra samihafa eo amin’ny tafo no tsy nisalasala nanefa ny adidiny teo amin’ny sampana ho fanatovanana ny tsy ampy.

Tsapa anefa fa ilaina ny mirakitra ireo fampianarana marobe teo amin’ny RAF, ary ho fanamafisana ny fampahalalam-baovao ihany koa dia najoro ny sampana GAZETY FIAINANA (GF) tamin’ny taona 1988.

“Tsy mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay rehetra aloaky ny vavan’I Jehovah ihany koa” (Deot 8: 3).

Izany fiainana tovozina amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra izany no ampitaina isam-bolana ao anatin’ny takila vitsivitsy tehirizina isan-tokantrano.

Ankehitriny dia sampan-draharaha eo anivon’ny VONDRONASA SERASERA NY RAF sy GF ary mbola misahana ireo andraikitra maro eo amin’ny lafim-panompoana izay takin’ny fiangonana ho tanterahin’ny VONDRONASA.

 

SAMPANA ASA SOSIALY

 

“Inona moa no soa ho azo, ry rahalahy, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa ?” (Jak 2: 14).

Ho fampiharana izany baikon’Andriamanitra izany no nananganana ny sampana ASA SOSIALY (AS) tamin’ny taona 1989. Manana ny antom-pisiany manokana izy eo anivon’ny fiangonana satria misahana lafin-javatra maro eo amin’ny asan’ny finoana. Ao anatin’izany ny fampivoarana ny maha-olona kristiana amin’ny alalan’ny valan-dresaka sy dini-kevitra ary ny fanampiana ara-pitaovana ireo fiangonana rahavavy any Madagasikara.

Vaindohan-draharaha ankehitriny koa ny fanohanana amin’ny taranjam-pianarana misy azy ireo ankizy mahatsapa fa mila izany.

FEHINY

Tsapanao mpamaky sy mpihaino fa tsy haitraitran’olombelona no nanorenana ireo sampana telo ireo, fa famaliana mihitsy ny antson’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Soratra nomeny, izay noezahina natao teny am-pidirana sy fitariham-panazavana.

Ho tahiny anie ny asany, ary homeny fahazotoana hatrany ireo nantsoiny ho fampandrosoana ny fanjakany.
{mospagebreak}

Teny nataon-dRtoa Rachel ANDRIANJATOVO,
Filohan’ny Sampana Vehivavy
tamin’ny Fanompoampivavahana notarihin’ny Sampana
ny Alahady faha-20 Febroary 2000
nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro
tao amin’ny Vieux Temple, Toulouse

 

Ny 31 Desambra 1997 no nisian’ny Sampana Vehivavy Kristiana teto amin’ny FPMA Toulouse. Na dia feno 40 taona aza ny FPMA tamin’ity taona 2000 ity dia 2 taona sy tapany izany no nananganana ny Sampana Vehivavy tato amin’ny tafo Toulouse .

 

Teo aloha dia sarotsarotra ny nananganana ny Sampana Vehivavy satria tanora nandranto fianarana avy tany an-tanindrazana no yonga teto Toulouse ary namorona ny fiaraha-mivavaka. Rehefa vita ny fianaran’ireo tanora ireo dia niverina nody tany an-tanindrazana ny ankabetsahany.

 

Noho ireo tafajanona ka nanorim-ponenana teto Toulouse, dia niampy ireo mpianatra vao tonga avy any an-tanindrazana niaraka tamin’ny ray aman-dreniny avy dia hita fa nihamaro ny mpiara-mivavaka tao am-piangonana ary ny vehivavy no maro an’isa tamin’izany, ary dia tsapa fa tokony handray anjara amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny vehivavy toy ny sampana rehetra efa nisy: Antoko Mpihira, Sekoly Alahady, Tanora, Fifohazana, ka dia tapaka fa dia hatsangana ny Sampana Vehivavy.

 

Nandritra ny teteza-mita Desambra 1997 hatramin’ny Marsa 1998 dia nifantoka tamin’ny fandinihana ny Fitsipika Anatiny no nataon’ireo Birao vonjy maika sy nihevitra ny programan’asa mandritra ny 2 taona ho avy.

 

Tamin’ny 8 Martsa 1998 no nitokanana ny Birao Voalohany. Nahafinaritra ery ny nahita ireo vehivavy kristiana zokiny sy tanora niara-nanaiky am-pifaliana ny antson’ny Tompo.

Ny zava-kendren’ny Sampana Vehivavy Kristiana dia ny:

 

a) fitoriana ny Filazantsaran’I Jesoa Kristy amin’ny olona rehetra
b) fampivelarana ny fiainan’ny vehivavy amin’ny alalan’ny fitaizana sy ny fanabeazana ary ny fanolokoloana amin’ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana
c) fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny fiainam-piangonana
d) asa fifanampiana sy fifanasoavana ary fifampaherezana.

 

Manana vaomiera efatra ny sampana izay miandraikitra ny famolavolana ny soritr’asa sy fihetsiketsehana, ary ny fandaminana ny asa voafaritra hatao:

 

- vaomieran’ny ara-panahy
- vaomieran’ny serasera sy firaketana
- vaomieran’ny asa sosialy sy fampandrosoana
- vaomieran’ny vola sy fananana

 

Ny asa sy fihetsiketsehana ataon’ny sampana (fihofanana, fampianarana, fianarana taozavatra sy sakafo,…) dia mifanaraka hatrany amin’ny fototra sy ny zava-kendreny ary misokatra amin’ny olona rehetra.

 

Ho fanatanterahana ireo zava-kendren’ny sampana dia nisy ireo fiofanana izay notontosaina ary notarihin’ny Mpitandrina Elysée ANDRIAMIANDRA.

 

Ireto avy ireo olona izay nandray anjara tamin’ny famelabelarana ireo lohahevitra:

 

- Rtoa Beby SOLOHERY
- Rtoa Adrienne ROBIVELO
- Rtoa Péri RASOLONDRAIBE

 

Ireto ireo lohateny izay nofidin’ny sampana ary nodinihina tamin’izany:

 

- fahamatorana ara-panahy
- fanompoana an’I Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana
- fandavantena, fifehezantena, fikolokoloana sy fiarovana ny tena amin’ny aretina sy ny fakam-panahy maro samihafa
- fizarana fahalalana
- fitaizana ny taranaka amin’ny fomba kristiana.

 

Ho fankalazana ny andron’ny vehivavy eran-tany isaky ny volana Martsa dia manomana fihetsiketsehana ny sampana: soirée culturelle na diner concert. Ny vola azo amin’izany dia arotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny Fiangonana sy hanaovana asa fanasoavana.

 

Tamin’ity taona 2000 ity, noho ny fahalalana fa sahirana ny mpianatra amin’ny kolejy teolojika any an-tanindrazana, izay fantatra tamin’ny fandalovan-dRtoa Péri RASOLONDRAIBE sy ny Mpitandrina Adrienne ROBIVELO teto Toulouse, dia nandefa vola ho fanampiana azy ireo ny sampana vehivavy kristiana teto Toulouse .

 

Ny mpikambana ao amin’ny sampana vehivavy dia ny vehivavy mpiangon’ny FPMA Toulouse rehetra 18 taona noho miakatra izay mameno taratasy fisoratana anarana.

 

Ny Birao niara-niasa hatramin’ny fitsanganan’ny Sampana Vehivavy Kristiana teto Toulouse : Ramatoa isany,

 

Andraikitra
Taona 1998 sy 1999
Taona 2000 sy 2001
Filoha
Lalatiana ANDRIAMIANDRA
Rachel ANDRIANJATOVO
Filoha lefitra
Rachel ANDRIANJATOVO
Lalatiana ANDRIAMIANDRA
Mpitantsoratra
Angeline RAZANADRAKOTO
Angeline RAZANADRAKOTO
Mpitantsoratra lefitra
Viviane RAZAFIMANANA
Viviane RAZAFIMANANA
Mpitahiry vola
Sylvie RAKOTONINDRAINA
RAFALIMANANA RATIARAY
Mpitantsoratry ny vola
Josiane RANTOSON
Sylvie RAKOTONINDRAINA
Mpanolotsaina
Anna ANDRIAMAMPANDRY
Aimée RASOLOMALALA
Isabelle RAMONJIARIVONY
Laurence RABODOTIANA
Anna ANDRIAMAMPANDRY
Aimée RASOLOMALALA
Isabelle RAMONJIARIVONY
Laurence RABODOTIANA
MarcelleRASOANANTENAINA

Amin’izao fotoana izao dia miisa ho

 

- 17 ny mpikambana
26 ny mpanohana
{mospagebreak}
Teny nataon’Atoa Arilaza RANDRIAMAHEFASOA, Filohan’ny Komitin’ny jobily
tamin’ny Fanompoampivavahana nanombohana ny
« journée franco-malgache» niarahana tamin’ny
« Eglise Réformée de Toulouse »
ny Alahady faha-26 Martsa 2000 nanomboka tamin’ny 10 ora sy sasany maraina
tao amin’ny Temple du Salin, Toulouse

 

 

Ry havana malala,

 

Amin’izao fotoana ankalazanay ao amin’ny Eglise Protestante Malgache en France na FPMA ny faha-40 taonan’ny Fiangonanay izao, dia tsy mandry ny sainay raha tsy miara-manatanteraka izany aminareo rahalahy sy anabavinay eto amin’ny Eglise Réformée de France.

 

Raha zohina tokoa mantsy ny tantaran’ny FPMA, dia hita miharihary ny fifamatorany amin’ny fisian’ny ERF. Teto Toulouse, araka ny lovan-tsofina, izay anaovana fikarohana nefa mbola tsy nahitana porofo hatramin’izao, dia ny ERF no nanome ny fiangonany mba hahazoan’ireo miaramila protestanta malagasy tonga nanatevin-daharana ny frantsay tamin’ny ady lehibe nivory, raha nangetaheta hanao fiaraha-mivavaka tamin’ny tenin-drazany izy ireo. Ireo mpianatra malagasy protestanta tonga nandrato fahaizana amam-pahalalana taty aoriana, raha mbola tsy nahaleo tena ny Fiangonana malagasy, dia tato amin’ny fiangonana ERF no nahitany toerana sy fanampiana mba hahalavorary ny fahazoany miara-mivavaka amin’ny teniny. Hatramin’izany fotoana izany ka mandraka androany dia tsy mba nitondra anay ho toy ny zanak’Ikalahafa ianareo fa teo anilanay mandrakariva; nitantana anay raha mbola zazabodo vao niana-mandeha tsy afaka nivondrona ho fiangonana akory izahay; nanaiky avy hatrany ny fisian’ny FPMA tamin’ny fotoana niorenany tamin’ny taona 1959; nampindrana maimaim-poana anay ny trano fiangonana sy ny toeram-pivoriana ary ny fitaovana teo am-pelatananareo, raha mbola tsy nahatsangy ny ho hary ny fiangonanay; nanohana anay tamin’ny lafin-javatra rehetra nilanay fanampiana; ary nandray anay ho mpiara-miasa akaiky taminareo amin’ny fiantsorohana ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fitoriana ny Filazantsara iraisantsika.

 

Fisaorana eram-po eran-tsaina no atolotray anareo, noho ny fitiavana lehibe tsy miova asehonareo anay aty an-tany fivahinianay aty. Misaotra ny mpitandrina maro nifandimby teto amin’ny ERF teto Toulouse izay niara-nikarakara tamin’ny mpitandrina malagasy ny vahoakan’ny FPMA toy ny ondry tandremany tamin’ny fitantanana ny fanompoampivavahana, ny fampianarana ary ny fanofanana samihafa. Misaotra ny mpikambana maro nifandimby tao amin’ny Conseil Presbytéral izay nanisa anay hatrany ho toy ny tompon-trano ao amin’ny ERF. Hatramin’ny taona 1980 no efa nanomezanareo toerana ny filohan’ny FPMA Toulouse ao amin’ny fivorianareo.  Misaotra ny mpiangona rehetra izay tsy manisy olana amin’ny fivondronan’ny malagasy ho fiangonana manokana ao amin’ny FPMA. Misaotra ny sampana rehetra ato amin’ny ERF izay niara-niasa tamin’ny sampana tato aminay tamin’ny fotoany avy. Tsaroana eto ny journées franco-malgaches izay natokantsika isan-taona nandritry ny taona maro mba hifankahalalana bebe kokoa tamin’ny famelabelarana sy fifanakalozana ary ny fampisehoana vakoka; sy hiaraha-mivavaka ho an’ny asan’ny fiangonana roa tonta tamin’ny alalan’ny fanompoampivavahana niraisana. Tao koa ny fandalinana Soratra Masina izay nitarihan’ny mpitandrina frantsay sy malagasy ny tanoran’ny FPMA sy ny ERF. Tao ihany koa ny fiaraha-miasan’ny Sekoly Alahadin’ny FPMA sy ny Ecole Biblique-n’ny ERF izay niarahany nanao fiofanana sy nankalaza ny krismasy. Ary tao indrindra koa ny fandraisanareo ny Antoko Mpihiran’ny FPMA hiara-manafana ny fotoana samihafa karakarain’ny ERF.

 

Manaraka izany dia mamelà ahy ianareo, raha manararaotra izao fotoana izao mba hampahafantarana anareo ny endriky ny FPMA ankehitriny.

 

Hatrany am-boalohany, ny FPMA dia manambatra ny vahoaka malagasy protestanta mivahiny aty Andafy, dia ireo avy amin’ny FJKM (réformés) sy loterana ary anglikana, ka “mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana” (Efesiana 4: 3).

 

Anisan’ny zava-kendren’ny FPMA ny:

 

-Fitoriana ny filazantsara amin’ny olona rehetra, indrindra amin’ny tera-   tany malagasy monina na mivahiny eto Frantsa sy ny hafa koa,
-Fanompoana sy fiderana ary fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanompoam-pivavahana atao amin’ny teny malagasy,
-Fanolokoloana sy fanabeazana ara-panahy ny mpikambana mba hitomboany sy hivelarany amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra,
-Fitarihana ny mpikambana handala sy hitahiry ny kolotsaina malagasy mba hahafahany mampiasa izany ho fitaovana mahomby amin’ny fijoroany ho vavolombelona,
-Asa fanasoavana sy asa fampandrosoana ary ezaka ho amin’ny fampanjakana ny fahamarinana sy ny fandriampahalemana ary ny fihavanana,
-Fitandrovana ny ezaka ho amin’ny firaisam-pinoana sy firosoana ho amin’ny zotra iraisam-pinoana iarahan’ny Fiangonana eran-tany.

 

26 no isan’ny tafo FPMA eto Frantsa. 5 ny faritanim-piangonana. Ny FPMA Toulouse dia ao anatin’ny faritany Atsimo Andrefana miaraka amin’ny tafo Bordeaux sy Montpellier .

 

Amin’ny maha-Fiangonana Protestanta Malagasy azy aty Andafy, ny FPMA dia manana fifandraisana manokana amin’ny Fiangonana hafa sy Vondrom-piangonana Protestanta any Madagasikara sy aty an-dafy. Mpikambana mpanara-maso ao amin’ny Fédération Protestante de France izy, mpikambana ao amin’ny Conseil des Eglises de toute l'Europe, ary nanomboka tamin’ny taona 1999 dia mpikambana feno ao amin’ny Alliance Réformée Mondile sy ny Fédération Luthérienne Mondiale.

 

Mba hanamarihana izao fankalazana ny faha-40 taonan’ny FPMA miaraka amin’ny Fiangonana ERF izao dia misy sakafo malagasy izay nomaninay ka tianay hifampizarana aminareo rehetra. Koa asaina ho amin’izany isika rehetra rehefa mifarana izao fanompoam-pivavahana izao.

 

Aorian’ny sakafo, amin’ny 2 ora tolakandro, dia hisy famelabelarana mikasika ny asa fampandrosoana tanterahin’ny Fiangonana kristiana malagasy any Madagasika. Ny ray am-panahy Mopera Jean Claude avy ao amin’ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Toulouse no nanaiky am-pitiavana hitarika antsika amin’izany.

 

Eto am-pamaranana dia tiako ny hamerina indray ny fankasitrahanay ny Fiangonana ERF eto Toulouse noho ny 40 taona nanehoany fitiavana tamin’ny Fiangonana FPMA. Ny faniriana dia ny hitomboana sy hivelaran’ny fiaraha-miasan’ny fiangonantsika roa tonta sy andraisany hatrany ny  fitarihana sy ny fanazavana avy amin’Ilay Lohan’ny Fiangonana iraisana mandritra ny 40 taona manaraka indray. Misaotra idrindra anareo ! {mospagebreak}
Teny nataon’Atoa Jean Solo RAFIDINARIVO, Filoha Lefitry ny FPMA
tamin’ny « Diner Spectacle» natrehan’ny « maire de BALMA »,
izay nafanain’ny zanaky ny Fiangonana niaraka
tamin’ny mpihira Henri RATSIMBAZAFY
ny Asabotsy faha-29 Aprily 2000
nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany hariva
tao amin’ny « salle des fêtes de BALMA »

 

 

Fifaliana lehibe dia lehibe ho ahy tokoa, amin'ny anaran'ny Birao Foibe FPMA manontolo, sy amin'ny anaran'ny Filoha Mamy Andriamahenina mpitandrina, ary amin'ny anarako manokana, ny miarahaba ny Tafo FPMA Toulouse tratr'izao vaninandro tokana izao, dia ny faha-40 taonany.

 

Niantomboka tamin'ny fivoriam-bavaka fotsiny tokoa mantsy isika FPMA talohan'ny taona 1959, dia lasa fiangonana zanaky ny fiangonana protestanta Malagasy FJKM (Fiangonan'i Jesosy Kristy any Madagasikara) sy FLM (Fiangonana Loterana Malagasy), ary dia nandroso hatrany ka tafiditra ho mpikambana mpiara-miasa ao amin'ny FPF (Federation Protestante de France, sy mpikambana mpiara-miasa ao amin'ny FFPM (Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta any Madagasikara), ary mpikambana feno ao amin'ny KEK (Conférence des Eglises Chretiennes d'Europe). Tsy nijanona teo anefa ny FPMA, fa raha indro nomen'ny avy tany Madagaskira fahaleovantena, dia nandray izany am-pahasoavana, koa nahatsangana ny lalam-panorenana vaovao, ary tafiditra ho mpikambana feno ao amin'ny ARM (Alliance Reformée Mondiale) sy mpikambana feno ao amin'ny LWF (Fédération Luthérienne Mondiale). Zava-dehibe tokoa izany eo amin'ny tantaran'ny FPMA, satria azo lazaina fa raha tsy firenena ny firenena raha tsy efa eken'ny ONU (Firenena Mikambana) ho mpikambana ao aminy, izay aneken'ny firenena rehetra azy ho firenena tsy azo lavina, dia torak'izany ny lanjan'ny fiangonana noekena fa mpikambana ao amin'ny ARM sy LWF. Tsy azo lavina intsony hoe tsy fiangonana ary tsy azo heverina intsony hoe secte izy, satria efa eken'ny fiangonana rehetra eran'izao tontolo izao. Fahasoavana lehibe ho antsika ambaratonga samihafa ankehitriny eto amin'ny FPMA, na foibe na faritany na tafo na sampana ny nahafahantsika nandray anjara tamin'izany nahatafiditra antsika ho mpikambana tao amin'ny ARM sy LWF izany.

 

Manoatra noho izany, dia hatao amin'ny fomba manetriketrika any Versaille, amin'ny volana Jona, ny fanosorana mpitandrina voalohany eto amin'ny fiangonantsika. Hahazo fahasoavana ireo mpitandrina hohosorana voalohany eto amin'ny FPMA, ary isika fiangonana manontolo kosa dia handray izany fanomezan-dehibe avy amin'ny TOMPO izany ho santatra am-bavarano. Hisokatra tsy ho ela tokoa mantsy ny fanosorana mpitandrina eto amin'ny FPMA, ary hitohy hatrany.

 

Betsaka tokoa ny dingana vita, ary dia ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany anie izany. Tsy ho adinontsika koa anefa fa mavesatra sy mitombo miaraka amin'izany ny adidy sy iraka omen'ny TOMPO antsika. Anisan'ny goavana amin'izany andraikitra izany ny hijoroan'ny FPMA ho ohatra hatrany amin'ny FIRAISANA.

 

Fa tsy efa igagan'ireo fiangonana rahavavy maro tokoa moa ve isika FPMA, izay fiangonana mandroso tokoa, nefa dia misy olona avy amina fihaviana maro samihafa: fjkm (reformé), flm (loterianina), anglikana, na evangelique,...? Nanamafy izany andraikitry ny FPMA mikasika ny firaisana izany tokoa ny Synoda lehibe tany Montpellier izay naka ny teny faneva hoe "ny FPMA santatry ny fiangonana Protestanta Malagasy MIRAY".

 

Indro misokatra eo anoloantsika ny iraky ny TOMPO ary na dia mety ho sarotra aza ny lalana dia ho ao amintsika indray kosa ny teny fanevan'ny synoda 2000 FPMA hatao any Grenoble , izay manafatra sy mitso-drano hoe: "Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!" Nahoma 2:2

 

Ho ao aminareo anie ny fahasoavan'Ilay Mahery
{mospagebreak}
Fanazavana nataon’Atoa Arilaza RANDRIAMAHEFASOA,
Filohan’ny Komitin’ny jobily
mikasika ny fifaninanana tononkalo sy sombin-tantara ary hira
izay nanaovana fizaran-doka nandritry ny “Diner Concert”
ny Asabotsy faha-29 Aprily 2000
nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany hariva
tao amin’ny « Salle des fêtes de Balma»

 

 

Ny komitin'ny jobily faha-40 taonan'ny FPMA eto Toulouse, raha nikaroka sy nanangona ary nifantina izay hevitra rehetra mety hanampy amin'ny fanomanana ny fankalazana izany vanim-potoana lehibe eo amin'ny fiainan'ny Fiangonana FPMA izany, dia nahatsapa fa zava-dehibe anisan'izay tokony hanamarihana tsara ny lalana nitarihan'Andriamanitra azy tamin'ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ny asa soratra.

 

Ny teny mantsy manidina, fa ny soratra no mipetraka. Koa ny fandraketana an-tsoratra ny tantara niainana izay vavolombelon'ny fandrosoana sy ny fitomboan'ny Fiangonana amin'ny zavatra rehetra ho an'Izay Loha, dia Kristy; sy ny fihetseham-po manoloana ny fahasoavam-be atobaky ny Tompo eo am-pofoan'ny Fiangonany amin'ny alalan'izao asaramanitra izao, izay manetsika ny vahoakan'Andriamanitra hifaly sy hiravoravo amin'ny fiderana Azy; ary ny fanantenana sy ny hetahetam-po koa, izay fanoitra manosika ny maro hanavao ny fanolora-tenany, mba hiandrandrana ampitso feno famirapiratana ho an'ny Fiangonana; izany dia hiasa ho fanangonan-karena, dia haren-tsarobidy  izay sady fitaovana fitrandraham-pahasoavana ho antsika mankalaza ny jobily faha-40 taona, no tahiry mipetraka ahatarafan'ny taranaka mifandimby ny lalana masaka hatry ny ela mankany amin'ny tsara koa, mba hahitany fitsaharana ho an'ny fanahiny.

 

Ankoatra ny sary sy horonan-tsary, ary ny horonam-peo izay samy nampiasaina mba hitehirizana ny rakitry ny faha-40 taona; dia mitohy ny fanomanana ny fandraketana am-boky ny teny rehetra namaritra ny herin-taona nankalazan'ny FPMA Toulouse ny jobily faha-40 taona, izay nambara tamin'ny toriteny, ny famelabelarana, ny lahateny, ny dinidinika amorom-patana, ny fitantarana samihafa ary ny rindram-pahatsiarovana isan-karazany. Raha sitrapon'Andriamanitra dia amin'ny fotoana hamaranana ny fankalazana, amin'ny voalohan'ny volana Oktobra no hamoahana izany mba ho azon'ny mpiangona rehetra ananana.

 

Fa tao anatin'izany fikasana rehetra izany, ny zava-dehibe izay tena nandresy lahatra ny komity, dia ny hametraka sehatra iray, izay hahafahan'ireo zanaky ny Fiangonana nomen'Andriamanitra fanomezam-pahasoavana manokana mikasika ny fanoratana sy ny famoronan-kira mampiseho zava-kanto voarafitra amin'ny akoran-kevitra notrandrahana tao anatin'izao jobily faha-40 taona izao.

 

Ny fanadihadiana nataon'ny komity dia nahatsapana fa taona maro no efa nahazoana an-tsaina ny fisian'izany fanomezam-pahasoavana izany eto amin'ny Fiangonana. Nanomboka tamin'ny taona voalohany nivoahany, ny Gazety Fiainana dia tsy nitsahatra nanentana ny mpamaky mba hiroboka ao anatin'ny fanoratana sy ny famoronan-kira. Tena nisy, na dia vitsy ihany aza, ny talenta nipoitra nandritra izay 14 taona nisian'ny Gazety izay. Izay rehetra niandraikitra ny gazety anefa dia resy lahatra fa mbola betsaka ny talenta mihafinafina any amin'ny mpiangona rehetra  any.

 

Izany sy izany no antony nahatonga ny komity hanao ity fifaninanana mikasika ny tononkalo sy sombin-tantara ary hira ity. Nahadiboka haravoana tokoa ny vokatra azo tamin'izany, fa nahafahana nanangona mpifaninana 10, tononkalo 11 noforonin'olona mihoatra ny 14 taona, tononkalo 2 noforonin'ankizy latsaky ny 14 taona, hira iray, ary sombin-tantara iray. Nisy ihany koa ireo nikasa handray anjara tamin'ny fifaninanana, nefa dia voasakan'ny fe-potoana izay tsy maintsy napetraka. Anisan'ny nahafaly indrindra koa ny fisian'ny ambaratongan-taona rehetra tao anatin'ny mpifaninana. Nisy zaza 10 taona tao, nisy 12 taona, nisy 15 taona, nisy 16 taona, nisy mihoatra ny 18 taona ary nisy efa olon-dehibe. Ny tsy namerana ny lohahevitra dia nahafahana nahita ny fahasamihafan'ny fironan'ny tsirairay sy ny zavatra manetsika azy ka tiany hambara ary ny fomba fivelarany ao anatin'izany, dia fahasamihafana izay mitambatra ho harena ho an'ny Fiangonana izay nanomana ny fifaninanana. Tsy vitsy tamin'ireo mpifaninana ireo no vao nanomboka nanoratra, ka tokony hampaherezina, nefa tena misy tokoa izay efa za-draharaha ka mahafehy tsara ny lalan'ny fanoratana. Ny faniriana dia ny mbola hitohizan'ny fifaninanana toy izao, mba hitaizana sy hanolokoloana ny talentan'ireo ray aman-dreny sy taranaka efa nandray anjara ireo, ary mba hivoahan'ny talenta hafa izay mbola voahidy any ho any. Ny faniriana hafa koa, izay apetraka amin'izy ireo, dia ny mba hahafahany mivondrona ho fikambanana kely iray, izay hahafahany mifampianatra sy mifanitsy ary mifampahery, ka handrosoan'izy rehetra bebe kokoa hatrany amin'ny asa soratra.

{mospagebreak}

Teny nataon’Atoa Arilaza RANDRIAMAHEFASOA,
Filohan’ny Komitin’ny jobily
tamin’ny Fanompoampivavahana notarihin’ny
Sampana Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra
ny Alahady faha-21 May 2000
nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro
tao amin’ny Vieux Temple, Toulouse

 

Ry havana malala, Raha jobily no resahana, dia tsy vaovao intsony eto amin'ny Fiangonantsika eto Toulouse . Ity tokoa mantsy no fotoana faha-11 ankalazàntsika indray ny faha-40 taonan'ny FPMA reniny sy ny faha-40 taonan'ny FPMA Toulouse. Efa nifandimby nitarika antsika ho amin'izany teto ny sampana rehetra teto amin'ny Fiangonana. Efa nifandimbiasana notsiahivina teto ireo asan'Andriamanitra samihafa izay naoriny tamin'ny alalan'ireo mpanompony maro nandalo teto, izay zary lova mipetraka ho antsika ankehitriny, fa mamaritra ny fiainana sy maha-izy azy ity Fiangonana ity. Anio dia ny madinika indrindra eto amin'ny Fiangonana no voalahatra hitarika antsika indray amin'izany fankalazana izany. Azafady kely! Diso ihany aho, raha milaza izany! Amin'izao taona 2000 izao dia tsy marina intsony ny miteny hoe ny SAMPANA SEKOLIN'NY TENIN'ANDRIAMANITRA dia sampana natao hikarakaràna sy hanolokoloana ny ankizy madinika, raha ny Fiangonan'i Toulouse no resahana. Raha marina teto izany, taona vitsivitsy lasa izay, dia tsy marina intsony amin'izao fotoana izao, fa efa nilaozan'ny toetr'andro.

 

Fa inona moa ny sampana STA izay mitarika ny fotoana androany ? Ny taona 1982, raha vao nanomboka nisy ankizy dimy aman'enina  tato am-piangonana, io taona io no nanapahan'ny fitondram-piangonana hevitra hanangana ny sampana SEKOLY ALAHADY. 18 taona lasa tokoa mantsy izay no nanoloran'ny zazavavy kely iray tena hanorina sy hiandraikitra voalohany ny fampianarana Soratra Masina ny ankizy madinika tao amin'izany sampana izany. Ramatoakely RAZANARISOA LILIANE, antsointsika ankehitriny hoe: Ramatoa SOLO RABARIMANANA, IZY NO MPANAKY LAY tamin'izany, Mbola miara-miaina amintsika eto, miaraka amin'ny vady aman-janany izy, ka ahitana taratra ny fahasoavana rehetra natobaky ny Tompo ho an'ity Fiangonana ity sy ny vahoakany teto, tamin'ny alalan'ny sampana SEKOLY ALAHADY.

 

Fa rehefa vita ny famakiana lay, dia nifanesisesy ny fanendren'Andriamanitra mpanompo maro hisahana ny fitaizana sy ny fanabeazana ara-tSoratra Masina ireo solofo dimbin'ny ala tao amin'ny Sampana. Anisan'ny nirotsaka an-tsehatra tamin'izany, ka tonga nampianatra isak'Alahady, Rtoa sy Atoa isany Hanitra COLLONGES, Lisiarinivo MORVANT,  Emilienne RASEHENOARIMANANA, Tiana FRANCOIS, Marovavy RAHELISOA, Nantenaina RANDRIANANJA, Saholy RABENARIVO, Joëlle RAHARINOSY ANDRIANJATOVO. Izy rehetra, miaraka amin'ireo mpampianatra eo am-perinasa sy ireo mpampianatra tsy am-perinasa mipetraka eto Toulouse , izay ho raisin-tanana sy ho tolorana certificat rehefa avy eo, dia samy nikely aina tamin'ny fanatanterahana ny asa fanompoana nahazoany fiantsoana, araka izay nitarihin'ny Tompo azy avy. Isaorana anie Andriamanitra Tompon'ny vokatra, noho ny fanirahany mpiasa tsy tapaka hanangona ny vokatra izay nampitondrainy ny Sampana.

 

Tao anatin'izay taona maro nisian'ny Sampana izay, dia misy zava-dehibe roa tsara ho marihina, ka tiana hasongadina eto. Ny voalohany dia ny nanaovan'ny Fiangonana ho vaindohan-draharaha hatrany ny fikarakarana sy ny fanolokoloana ny taranaka. Nimasoana hatrany ny fanofanana mpampianatra. Fony mbola nariririry aza ny kitapom-bolan'ny tafo, dia tsy nitsitsiana ny famoahana ny enti-manana mba hananan'ny Fiangonana mpampianatra vita fanofanana. Natao tamin'ny tsirairay izany, natao ho an'ny fikambanana manontolo koa, ary tamin'ny fotoana sasany aza, dia nosokafana ho an'ny Fiangonana manontolo sy ny Faritany. Manampy izany, tamin'ny fotoana sasany, izay naha-betsaka ny ankizy, niohatra tamin'ny isan'ny mpampianatra, dia

 

Ny zava-dehibe faharoa tsara tsiahivina dia ny finiavan'ny tafo Toulouse tsy hamihina ho azy irery ny fahasoavana noraisiny tamin'ny fananana Sampana Sekoly Alahady, fa hahay hizara izany tamin'ny tafo hafa teto amin'ny faritany. Ny tafo Toulouse , tahaka izay ataony amin'ny sampana hafa rehetra, dia azo lazaina hoe: ny tafo mpialoha lalana, sy mpitarika ny tafo mpiray donak'afo aminy, ho tia firaisana mba hahafahana mifanampy amin'ny fifampizarana traikefa sy fifanohanana amin'ny lafiny rehetra. Vokatr'izany dia vetivety ihany dia tafatsangana ny sampana SEKOLY ALAHADY IRAISANA teto amin'ny faritany, izay nahafahan'ny isam-piangonana nanovo hery sy fanavaozana ary hafanana, mba hampandroso bebe kokoa hatrany ny asan'Andriamanitra iandraiketan'ny Sampana.

Koa amin'ny anaran'ny STA no amerenana indray ny fiarahabana antsika mianakavy notahian'Andriamanitra ka nahatratra izao vanim-potoana lehibe eo amin'ny fiainan'ny Fiangonantsika izao. Arahaba ry FPMA Toulouse nohasoavin'ny Tompo, ka nomeny taranaka maro, dia ankizy sy tanora izay napetrany amin'ny Fiangonana mba ho tazaina sy beazina ao amin'ny Sampana Sekolin'ny Tenin'Andriamanitra Ataoko fa ny zava-dehibe anisan'izay tokony hahafaly sy haharavo amin'izao jobily izao, dia ny fahatsapana, fa tsy adinon'ny Fiangonana, fa nataony vaindohan-draharaha nandritry ny 40 taona voalohany nisiany, ny fikarakarana ny taranaka nomen'Andriamanitra azy, ka nananganany ny sampana STA.

 

Ho tahian’Andriamanitra anie ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra eto amin’ny FPMA Toulouse, ka hivelatra hatrany amin’ny maha-« voly maitso ao amin’ny sahan’Andriamanitra ho fampisehoam-boninahitra az y » (Isa 60 : 21b).

{mospagebreak}

Teny nataon’Atoa Arilaza RANDRIAMAHEFASOA,
Filohan’ny Komitin’ny jobily
tamin’ny Fanompoampivavahana famaranana ny taon-jobily
nanatanterahana ny fanokanana ny tsangambato (sonorisation)
sy ny jobilin’ny mpanambady
ny Alahady faha-8 Oktobra 2000
nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro
tao amin’ny Temple du Salin, Toulouse

 

 

Ry havana malala! Araka ny fantatsika, dia anio no andro amaranana ny fankalazana ny jobily faha-40 taonan’ny FPMA eto Toulouse . Atao veloma androany ny 40 taona voalohany nolalovan’ny Fiangonantsika, fa hidirana rahampitso kosa ny 40 taonany faharoa. Noho izany dia andraikitra mipetraka amintsika ny mampita ity Fiangonana FPMA ity avy amin’ny 40 taona voalohany nisiany ho amin’ny 40 taonany faharoa. Adidintsika toy izany koa ny mampita azy avy amin’ny taon-jato faharoapolo ho amin’ny taon-jato fahiraika amby roapolo, sy ny mampita azy avy amin’ny taonarivo faharoa ho amin’ny taonarivo fahatelo. Mampita ny Fiangonana avy amin’ny lasa, izay ahazoana vahana tsara satria lasa efa fantatra sy niainana, ho amin’ny hoavy izay toa tsy azo antoka fa feno zava-mihafina.

 

Eo anatrehan’izao fotoanan’ny fiovana izao, dia samy manana ny fahitany ny hoavin’ny Fiangonana, sy ny Fiangonan’ny hoavy avokoa ny tsirairay.

 

Toetra tsy natao ho antsika kristiana ny firaviravizan-tanana. Ny Soratra Masina dia tsy mitsahatra ny mibaiko antsika hoe: “Mahereza sy mahatanjaha”. Fihetseham-po tsy natao ho antsika kristiana ny fahalahelovana ny lasa. “Zavatra iray loha no ataoko, hoy ny Apostoly Paoly, manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha”../… Fiteny tsy natao ho antsika kristiana ny hoe: efa dila sy very avokoa izay rehetra azo ifikirana. Fa ny Tompo no manambara isan’andro amintsika hoe: “Indro avaoziko ny zavatra rehetra”…/…

 

Misy tokoa ny fotoana mahareraka. Misy ny fotoana mahasorena. Misy ny fotoana mahakivy. Hahagaga ihany raha tsy mba mandalo amin’izany isika. Misy fotoana tsy hitovizam-pijery sy hifandonana aza ato amin’ny Fiangonana. Mpitranga izany amin’ny olona miredareda fitiavana ny Filazantsara, ka mahatsiaro ho tompon’andrikitry ny fiainana sy ny hoavin’ny Fiangonana. Azo atao tsara ny manao tombana sy jerikiana ny zava-bita, mba handraisana lesona hanorenana ny ho avy.

 

Saingy ny zava-dehibe tokony hatao indrindra dia ny miorina amin’ny fanantenana. Mitsidika eo anoloantsika ny hoavy. Rahampitso dia rahampitso dia handia izany ny taranatsika. Adidintsika ny mandroso ho amin’izany ho avy sokafan’Andriamanitra eo anatrehantsika izany. Anjarantsika ny manamboatra Fiangonana afaka handray ny taranatsika. Tompon’andraikitry ny hoavin’izy ireo isika, tompon’andraikitry ny fiorenana sy ny fivelaran’ny finoany eo amin’ny sehatry ny Fiangonana sy eo anivon’ity izao tontolo izao, izay tsy haharenesana firy ny feon’ny Filazantsara ity intsony, fa revo amin’ny fisahanana ny toe-karena, ka manidy ny olona ao anatin’ny famokarana sy ny fandaniana fotsiny.

 

Marina fa tsy isika no nifidy ho velona amin’izao andro teteza-mita izao. Nefa na izany aza, na tiantsika na tsy tiantsika, dia tsy maintsy raisintsika ho andraikitra iantsorohana izany, fa anjara natolotra antsika.

 

Isika no Abrahaman’ny 40 taona faharoan’ny FPMA, izay miainga na tsy mahafantatra ny halehantsika aza, mba handroso amin’ny finoana ho any amin’ilay tany hasehon’Andriamanitra antsika. Isika no Mosesy izay asain’ny Tompo mamaky ny Ranomasina Menan’izao tontolo izao. Isika no zanak’Israeliny mandeha any an’efitra, ny sasany mitarika, ary ny sasany tarihina. Isika no firenena lasan-ko babo mihaino an’i Jeremia mpaminany manambara amintsika hoe: mbola hisy fiainana aorian’izao loza heverina ho faran’ny zavatra rehetra izao. Isika no Mpitoriteny izay manontany tena ny amin’ny soa tokony ho azo amin’ny fiainana ety ambany masoandro. Isika no Petera manambara amin’i Jesosy hoe: “Hankany amin’iza moa izahay ?” Isika no mpianatra mizotra amin’ny lalana mankany Emaosy, izay kivy raha niala tany Jerosalema, nefa nahiraka rehefa nampiantrano an’i Jesosy. Isika no apostoly izay manoratra ny tantaran’ny 40 taona faharoan’ny Fiangonana FPMA.

 

Tandremo fa mety maty ny fiangonana. Firifiry ny fiangonana kristiana mikatona noho ny tsy fiambenan’ny vahoakan’Andriamanitra miangona ao aminy ? Nefa matokia fa azo atsangana amin’ny maty koa ny fiangonana. Koa hevero izay ho asantsika apostolin’ny 40 taona faharoa ho raiketin’ny tantara. “Mandehana amin’izao herinao izao hanorina tsangambato sy hanangana famantaran-dalana. Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika ?”

{mospagebreak}

Fizarana II

TAHIRIN’NY FAMPIANARANA, LAHATENY, VALANDRESAKA, FAMELABELARANA NATAO NANDRITRA NY FANKALAZANA

Fampianarana nataon’Atoa Daniel RAJAKOBA, Mpitandrina

nokarakarain’ny Sampana Tanora Kristiana

ny Alahady faha-21 Novambra

nanomboka tamin’ny 11 ora antoandro

tao amin’ny Vieux Temple
1er thème : La place des jeunes au sein de l’Eglise
Le groupe de jeunes a choisi comme premier thème à développer, pour cette célébreation du 40ème anniversaire de la FPMA , « la place des jeunes au sein de l’Eglise ».

Celà revient d’abord à examiner l’identité de l’Eglise elle-même, ainsi que sa raison d’être dans le monde. C’est à l’intérieur de ce contexte que vous, les jeunes, vous devez vous situer.

Qu’est-ce que l’Eglise ? L’Eglise n’est pas un club. D’après la Bible , l’Eglise est un royaume, « Royaume des sacrificateurs » (I Pi 2 : 1-10) qui est fondé sur le témoignage des apôtres et dont la pierre angulaire est Jésus-Christ. Dans ce royaume, Jésus-Christ est le Souverain Sacrificateur et le Roi.

L’appellation de Royaume des prêtres a été accordée à titre conditionnel et provisoire à l’Assemblée des Enfants d’Israël campés au pied du mont Sinaî (Ex 19 : 5-6). Mais elle est accordée d’une manière positive et définitive aux chrétiens de la Nouvelle Alliance (I Pi 2 : 9 ; Apo 5 : 10). Cependant, ce qui est provisoire, ombre et image (Hé 8 : 5) nous prépare à comprendre ce qui est rérl et définitif (Col 2 : 17).

Un parcours rapide sur les lévites (leur origine, leur vocation, leurs fonctions et leur héritage), nous permettra de mieux comprendre l’identité des chrétiens (enfants, jeunes et adultes), qui sont des prêtres royaux dans la Nouvelle Alliance en Jésus-Christ (No 1 : 47-54 ; 4 et 18).

Lévi était le 3ème fils de Jacob avec Léa. Son nom veut dire attachement, fidélité.

La tribu des lévites est mise à part par Dieu pour le service du Tabernacle, signe de la présence de Dieu au milieu de son peuple. Ainsi, Dieu Lui-même est son héritage.

D’après la loi de Moïse, tous les premiers-nés des Enfants d’Israël appartenaient à Dieu. Mais Dieu a choisi les lévites pour les porter. Comme le premier-né représente tous les membre de la famille, ainsi les lévites représentent tous les enfants d’Israël, et les chrétiens représentent le monde.

Si les autres tribus d’Israël étaient mises à part pour Dieu à partir de l’âge de 20 ans, les lévites, eux, l’étaient dès la naissance (à l’âge de 1 mois) pour une mission particulière. Cette mission consistait à porter le Tabernacle, cette église portative qu’on appelait aussi tente d’assignation ou tente de rencontre.

Les descendants de Lévi (les guerchonites, les quéhatites et les mérarites) accomplissaient leur mission sous la surveillance d’Eléazar et d’Ithamar. Eléazar et Ithamar sont les 2 fils d’Aaron survibants. Ce sont des sacrificateurs. Ils sont représentés dans la Nouvelle Alliance par les pasteurs et les anciens.

Lévites

Chrétiens

1 - Les « Guerchonites » travaillent sous la surveillance d’Ithamar
Nb 3 : 21-26
Nb 4 : 21-28
Ro 13 : 10-14
I Co 12 : 1-11

Ro 14: 1-19

2 - Les “Quéhatites” travaillent sous la surveillance d’Eléazar
Nb 3 : 27-32 
Nb 4 : 15-20
Es 52 : 11
I Pi 1: 17-25
Ro 12: 1-8
3 – Les “Mérarites travaillent sous la surveillance d’Ithamar
Nb 3 : 33-37
Nb 4 : 29-33
I Tim 3 : 14-16

Jn 17: 17

Eph 2: 11-22

Ainsi les chrétiens jeunes doivent être adjoints auprès des pasteurs dans l’exercice du ministère pastoral défini dans Ezech 34 : 1-16. Ils reçoivent d’eux la formation spirituelle et la formation administrative selon l’organisation de l’Eglise. Ces formations leur sont nécessaires pour mener à bien leur mission.

Dans l’organisation de l’Eglise des Enfants d’Israël, la tâche attribuée aux mérarites, descendants du plus jeunes fils de Lévi, consistait à porter les choses les plus lourdes. Les chrétiens jeunes doivent aussi rester dans l’Eglise afin de porter le joug de Jésus-Christ.

Il est bon pour l’homme de porter le joug dans sa jeunesse (Lam 3 : 22-28). Porter le joug, c’est venir à Jésus-Christ, être dans l’Eglise afin de préparer la génération future. C’est dans l’Eglise que les forces physiques, intellectuelles et spirituelles des jeunes se forment, se développent, grandissent et s’épanouissent. Si la jeunesse n’est pas offerte à Jésus-Christ, le monde, le diable la prendra d’une manière ou d’une autre. Dieu a besoin de nos forces pour que nous soyons heureux là où Dieu nous a mis. Il a besoin de nous pour l’annoncer au monde entier (I Jn 2 : 14 ; Eze 34 : 4,16).

L’Eglise est notre espace vital. Pendant la jeunesse, il est encore temps de venir à Jésus-Christ, de rester auprès de Lui, de le servir en demeurant dans l’Eglise. N’attendons pas qu’il soit trop tard !

2ème thème : jeunes, modèles pour les fidèles (I Tim 4 : 12)

La jeunesse est l’avenir de l’Eglise. Mépriser la jeunesse est donc incompréhensible. Ceux qui méprisent la jeunesse ignorent ce que Dieu a donné aux jeunes. Les jeunes ont un potentiel et une puissance souvent négligés. Pourtant, avec ce potentiel qu’ils ont, les jeunes peuvent accomplir des choses merveilleuses que les vieux ne peuvent pas faire. Les jeunes sont capables de déplacer une montagne s’ils ont été éduqués et formés selon les Saintes Ecritures.

Le jeune Timothée, fils spirituel de l’Apotre Paul, a reçu une éducation dans des conditions favorables à la Bible. Il a reçu l’enseignement biblique avec ses parents (sa mère et sa grand-mère). Il a aussi suivi l’enseignement de l’Apotre Paul (II Tim 3 : 14-15).

Les jeunes doivent mettre en pratique l’enseignement qu’ils ont reçu. Il est donc important de leur donner la parole, de leur perrmettre de donner leur avis, leurs attentes et leurs besoins, de leur faire confiance, et de les aider à expérimenter leurs acquis.

En même temps, les jeunes ont besoin de garder le bon dépôt de la Parole , sans le déformer, avec l’aide du Saint Esprit. Pour cela, ils doivent être des modèles.

Etre un modèle n’est pas chose facile quand on est jeune. Etre un modèle, c’est être témoin, être gardien du bon dépôt qu’est la Bible.

Nous avons toujours besoin de modèles, des modèles à imiter, pour progresser. Jésus Lui-même a un modèle qu’Il imite. Ce modèle, c’est son Père. « Je fais ce que le Père fait », dit-Il. L’Apotre Paul a pris Jésus comme modèle (I Co 11 : 1), et il invite tous les chrétiens à faire comme lui (Eph 5 : 1-2).

La question qui se pose, c’est de savoir comment peut-on rester des modèles ? Pour répondre à cette question, l’Apotre Paul recommande qu’on s’applique et qu’on persévére à la lecture, à l’exhortation et à l’enseignement (I Tim 4 : 13-16). Négliger l’enseignement biblique, c’est conduire des âmes en enfer.

Dieu ne nous a pas donné un esprit de timidité, mais un esprit de force, de courage, de connaissances et de sagesse (II Tim 1 : 6-12). C’est normal qu’on soit timide, car la tâche est trop grande. Mais Dieu nous a promis de nous donner cet esprit de courage qu’il faut ranimer en nous. « Je sais en qui j’ai cru » (v. 12), affirme Paul.

L’Eglise est ce que ses membres sont. Si nous restons fermes dans ce rôle de modèles, notre Eglise, à laquelle nous appartenons, sera aussi un modèle, modèle d’organisation à travers la vie des pasteurs et des diacres (I Tim 3 : 14-16), à travers le témoignage de ses membres, conforme à la foi chrétienne (I Tim 4 : 8-10), à travers leur vie de prière (I Tim 2 : 1-8). Des jeunes ont expérimenté la puissance de la prière.

Si nous ne voulons pas qu’on nous méprise, ne soyons pas méprisables. Soyons des modèles pour combattre le bon combat de la foi, pour être fermes dans le bon dépôt afin de pouvoir témoigner notre foi (II Tim 2 : 1-13), pour precher la Parole et exhorter, pour être sobres en toutes choses (II tim 4 : 1,2,5), pour fuir les passions de la jeunesse et rechercher la justice, foi, l’amour, la paix,   (II Tim 2 : 22-23)
{mospagebreak}
Valandresaka nataon-dRtoa Adrienne ROBIVELO,
Mpitandrina FPMA Mulhouse
nokarakarain’ny Sampana Vehivavy Kristiana
ny Asabotsy faha-19 Febroary 2000
nanomboka tamin’ny 7 ora hariva
tao amin’ny Vieux Temple, Toulouse

Ny
Ny fitaizana ny taranaka hanana toetra sy fitondrantena kristiana

Izany no lohahevitry ny valandresaka nomena ahy ho velabelarina ho antsika amin'izao takariva anohizana ny fankalazana ny faha-40 taonan'ny FPMA eto amin'ny Tafo Toulouse izao, ary fotoana tarihin'ny Sampana Vehivavy.
Araky ny fandrenesanareo izany lohahevitra izany, dia mivelatra be izany, ka tsy ho vita mihitsy amina fotoana takariva-valandresaka. Raha ny tokony ho izy dia week-end iray manontolo no tokony handinihana izany, ary ny rehetra, rehefa avy nomena toro-lalana vitsivitsy, no miaraka midinika sy mikaon-doha. Noho ny fahafohizan'ny fotoana ary, ny niezako natao, dia ny hanome anareo sori-dalana izay afaka halalininareo amin'ny fotoana hafa; raha sitrakareo ny hanao izany. Dia mba omeo ny valin'ny asanareo aho, fa hahafaly ahy indrindra izany.

Mialoha ny hanombohantsika, dia andeha aloha hiara-mivavaka isika:
—  Vavaka  —

 

Teny mialoha

Eto am-piandohana, dia tsara ny anamarihana fa ny toetra sy ny fitondrantena dia mifampiditra. Satria tsy hafa ny fitondrantena fa toe-piainana, toetra hita eo amin'ny fiainana, dia ny fitondrantena no ahafantarana ny toetra.  Ny toetra dia "hevitra sy fihetsika ao amin'ny olona iray, izay anisan'ny mampiavaka azy amin'ny hafa", hoy ny Rakibolana Malagasy. Koa dia ny fitaizana ny taranaka hanana hevitra sy fihetsika ary fiainana kristiana izay hampiavaka azy amin'ny hafa izany, no hiarahantsika midinika eto: hampiavaka azy amin'ny hafa, eo anivon'izao tontolo izao, sy hahafantarana azy ho kristiana, ka hampiray azy amin'ny fianakaviam-ben'ny mpino. Sori-dalàna, hoy aho, no omeko amin'izany,–na dia ho lavalava ihany aza noho ny halehiben'ny lohahevitra–, sori-dalàna, fa ny fanontanianareo sy ny fiarahantsika mamaly izany, ary ny hevitra vaovao atolotrareo, no hahafeno sy hahatomombana ity valandresaka ity.

Fitaizana ny taranaka hanana toetra sy fitondrantena kristiana no ho dinihina. Ianao no hanatanteraka izany. Ahoana anefa ny momba anao ? Marina fa kristiana ianao matoa manana izao hetaheta izao; fa kristiana manao ahoana ? Ary ho kristiana manao ahoana no irinao hahatongavan'ny zanakao na ny taranakao ? Tsara ary, raha iarahantsika mamaly aloha ireo fanontaniana ireo amin'ny famelabelarana ny atao hoe toetra kristiana araky ny famaritana voalaza teo. Rehefa vita izany vao hiditra amin'ny fitaizana tiana hatao sy hatolotra ny taranaka isika.

 

I – Ny toetra kristiana
(na ny mampiavaka ny kristiana)

Satria fitaizana ny taranaka no ho dinihintsika, dia ny tenin'ny apôsitôly Paoly ho an'ny zanany amin'ny finoana, Timoty (1 Tm 1,2.18; 2 Tm 1,2), no hamaritantsika ny toetra sy ny fitondrantena kristiana. Hoy izy ao amin'ny taratasiny voalohany toko faha-4 sy faha-6 hoe:

- "Miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro" (1 Tm 6,11-12);

- "Aoka tsy hisy hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondrantena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana" (1 Tm 4,12).
Ny fiainana mandrakizay lazain'i Paoly eto dia ilay voalazan'i Jaona fa raisin'izay rehetra mino an'i Jesoa [1], dia ilay fiainana tena fiainana, manome fiadanana sy fahasambarana, satria avy amin'Izy Fiainana sy Andrian'ny fiadanana. Izany fiainana izany dia iainan'izay mino Azy dieny izao, miantomboka amin'ny fotoana anekeny Azy, fa tsy hoe miandry ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty akory. Ny fananana izany fiainana mandrakizay izany dia isan'ny mampiavaka ny kristiana amin'ny hafa (Is 61,8b-9), satria hafa tokoa ny fiainany. Hita mibaribary eo amin'ny fiainany an-davan'andro izany, ka na sanatria aza misy manjo azy, dia mbola hita eny ihany ilay fiadanana sy fifaliana omen'ny Tompo azy. Hisy fihatraikany izany eo amin'ny fitaizana.

Tsy mahafaly ny fahavalo izany ka mampiasa fomba sy hafetsena isan-karazany izy handravana izany. Noho izany dia lasa tsy mora ny fananana io fiainam-piadanana io raha tsy miray (Jn 15,4-8) hatrany amin'Ilay efa nandresy io fahavalo io, dia Jesoa Kristy. Tsy ampy amin'izany ny fanarahana Azy fotsiny, –ho hitantsika rehefa avy eo izany [2]–, fa mila "mitafy" Azy, araky ny teny faneva nofidin'ny Sampana Vehivavy ho amin'izao fankalazana izao. Izay mitafy an'i Jesoa Kristy Tompo tokoa dia fanahy iray Aminy (1 Ko 6,17), koa dia Izy no hanjaka eo amin'ny fiainana, ka hampandresy azy hatrany, na eo amin'ny fiainana izany, na eo amin'ny fitaizana izay ataony. Ady lalandava ny fiainan'ny kristiana, fa ady tsaran'ny finoana, hoy Paoly amin'io teniny ho an'i Timoty io, ka mampandroso sy mampitombo eo amin'ny Tompo, ary ahazoana hery, ahafahana mijoro ho vavolombelona ka hampahery sy hampandroso ny hafa koa, indrindra ny ankohonana.

Ny fiadiana izany ady tsaran'ny finoana izany, sy ny fiainana izany fiainana mandrakizay izay voaray izany, hoy i Paoly, dia vokatry ny fanekena tsara natao teo imason'ny vavolombelona maro, dia ny batisa izany, izay nohamafisina tamin'ny Konfirmasiona. "Fa na iza na iza ianareo, hoy izy, no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy" (Ga 3,27). Ny fitafiana an'i Kristy ary, dia fiainana isan'andro isan'andro ny fanekena izay natao tamin'ny batisa, ka anekena Azy ho Tompo sy Mpamonjy, amin'ny fanekena sy fiainana ny asam-pamonjena nataony, sy amin’ny fanekena ny ho faty miaraka Aminy sy hiara-belona Aminy:

- manaiky ny ho faty raha ny amin'ny ota, satria ny hanafaka ny mpanota amin'ny fanagejan'ny ota no efa nonoloran'i Kristy ny tenany;

- ary manaiky kosa ho velona toa Azy, ho velona ho Azy Izay efa namonjy, ka nanolotra ny fiainana. "Fa raha misy olona ao amin'i Kristy dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo" (2 Ko 5,17). Ny batisa dia "fahateraham-baovao", araky ny fanambaran'i Jaona (3,3-8). Ny olona izay tena miaina izany dia tsy mankasitraka ota intsony satria efa notafiana toetra vaovao (Ef 4,20-24). Ataony tsy mahazo azy intsony ny ota. Ny tsy iniana angaha no hahavoa azy, satria mbola eto an-tany moa. Nfa ireny kosa dia entiny avy hatrany eo amin'i Jesoa, ka hifonany Aminy, raha vao hampahafantarin'ny Fanahy Masina azy. Ny batisa dia fanekena natao indray mandeha, fa iainana isan'andro isan'andro; toy ny nahafatesan'i Jesoa izay indray mandeha, nefa manala ny fahotana isan'andro isan'andro, raha vao entina eo Aminy izany. Ny fandreseny ny fahafatesana ka nitsanganany tamin'ny maty koa, dia indray mandeha, fa manome fiainam-baovao isan'andro isan'andro an'izay rehetra manatona Azy. Raha fintinina izany dia izao no azo ilazana azy: ny kristiana dia miaina ny famindrampo sy ny famelankeloka isan'andro isan'andro noho ny fitiavan'Andriamanitra. Isan'ny mampiavaka ny kristiana eo amin'izao tontolo izao izany, satria manome azy toetra sy fitondraNtena hafa tokoa, ary mampandresy azy hatrany ny fanafihana ataon'ny fahavalo.

Ahoana ary no hahatanteraka izany ho an'ny taranaka satria izany no mahaliana antsika androany ? Fa moa ve efa tanteraka eo amin'ny fiainantsika izany ? Amin'ny fomba ahoana tokoa moa no ahafahantsika mitaona ny zanantsika hitafy an'i Kristy raha isika aza tsy manao izany ? Ny zavatra tsy ananana tsy atolo-jaza, hoy ny fitenenana.

Ny tanjona dia ny hahafahana miteny toy ny apôstôly Paoly raha nampianatra an'i Timoty, zanany ara-panahy, manao hoe: "Fa ianao dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako…, mahareta amin'ny zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesoa" (2 Tm 3,10.14-15).

Araka izao teny izao, dia tsy ny toetra sy ny fampianaran'i Paoly ihany no notahafin'i Timoty sy narahany, fa ny an'ny renibeny Loisa sy ny reniny Eonika koa. Izy mianaka dia samy nanana finoana tsy mihatsaravelatsihy, hoy Paoly raha manazava izany (2 Tm 1,5).

Ny ray aman-dreny no tahafin'ny zanaka, koa izay te-hanana zanaka manana toetra sy fitondrantena kristiana, dia tsy maintsy efa manana sy miaina izany aloha. Mba tsy hahadiso ny fitaizana, fa mba haha-fitaizana kristiana azy tokoa, dia tsy misy azo antoka afa-tsy ny maka izany avy amin'Izy Tompo. koa dia handray izany avy ao amin'ny Teniny isika, dia ny Baiboly izany.

Satria tsy mitovy ny fitaizana ny zaza sy ny tanora, dia ho velabelariko misaraka izany rehefa avy mandroso ny fitaizana amin'ny ankapobeny aho.

Ny  fitaizana  amin'ny  ankapobeny ary aloha no iarahantsika mandinika izao.

 

 

II  –  Ny  fitaizana  amin'ny  ankapobeny

Avy amin'Andriamanitra ny zaza rehetra, na nirina na tsia. Manome izany araky ny fitiavany sy ny famindrampony Izy, eny, na efa antitra be ilay mpivady, na misy momba, ohatra [3]. Tantara maro ao amin'ny Baiboly no ahitantsika izany, ankoatry ny namoronan'Andriamanitra ny olona ka nitsofany rano azy ho maro fara sy dimby (Gn 1,28; 4,1.25; …). Ary didy avy amin'Andriamanitra koa ny fitaizana ka mahatonga fitahiana ho an'izay rehetra manatanteraka izany (1 Tm 2,15; Dt 30,19-20). Ny ray sy reny no samy nomeny izany didy izany, fa tsy ny reny ihany akory. Koa na fotoana tarihin'ny vehivavy aza izao, dia ho anareo ray koa.

Tsy didy fotsiny no nomen'Andriamanitra fa ny fomba hahatanteraka izany koa amin'ny fanomezana ny Fanahiny sy ny Teniny, Izay hanampy azy amin'izany?  "Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra" (2 Tm 3,16-17).

Satria fitaizana kristiana no resahina dia izay ahafantaran'ilay zanaka an'Andriamanitra Ray aloha sy i Kristy Izay nanome ny anarany ho entiny, no tokony hatao, mba hitiavany Azy, ka hanarahany ny teniny. Amin'ny fomba ahoana tokoa moa no itiavany Azy raha tsy fantany akory Izy ? Nanome fomba ho entina manao izany ny Tompo, dia ny fitantarana ny fitiavany, sy ny zava-mahagaga sy mahafinaritra nataony teo amin'ny fiainan'ny fianakaviana. Nandidy ny zanak'Israely Izy, ohatra, mba hitantara tsy mitsahatra amin'ny taranany ny nitondrany azy ireo nivoaka avy tamin'ny fanandevozana tany Egypta, ka nitondrany azy namakivaky ny ranomasina Mena, sy ny nampahitany azy fahagagana samihafa. Naverimberin' Andriamanitra imbetsaka izany didy izany (Eks 13,8-10; Dt 6,20-25; … [4]). Izany no atao, dia ny mba hahatanterahan'ny didy voalohany izay manao hoe: "Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra" (Dt 6,4-5). Namafisin'i Jesoa izany ary nampiany hoe "ary amin'ny sainao rehetra" (Mk 12,30 //). Raha adika dia ny momba ny tena manontolo (!) no entina mitia an'Andriamanitra. Satria zava-dehibe loatra izany, dia ilaina ny hahazoan'ny taranaka ny antony mba tsy hahatonga izany ho fanerena be fotsiny, ka tsy hiteraka fitiavana fa hitarika ho amin’ny tahotra sy fankahalana aza. Izany no antony itantarana matetika ny asa lehibe sy mahagaga nataon'Andriamanitra ho azy ireo.

Nasain’Andriamanitra nataon'ny zanak’ Israely izany, nefa mitombona koa ho antsika kristiana amin'izao vanim-potoana iainantsika izao, eny na dia efa taon-jato faha-21 aza izao. Izao indrindra no tokony hanaovana izany satria izao no fotoana mahavariana antsika indrindra ka anadinoantsika ny fitiavan'ny Tompo antsika. Io didy io anefa, hoy Jesoa raha nampianatra Izy, "no didy lehibe sady voalohany amin'ny lalàna, ary ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany" (Mt 22,38a.40), miaraka amin'ny hoe "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Lv 19,18; Mt 22,38b). Natao ho antsika koa ary, ary takian'Andriamanitra amintsika koa, ny fitantarana amin'ny taranaka ny zava-tsoa nataony teo amin'ny fiainantsika, miatomboka amin'ny asam-pamonjena lehibe nataony tamin'ny nanolorany ny Zanany, ny Lahitokany, ho faty hisolo antsika mba hampihavana antsika indray Aminy. Raha mbola sarotra ho an'ny zaza madinika ny mahazo izany, dia azo atao ny mianina amin'ny fitantarana tsotra ny zavatra hitany sy mety ho tsampany momba ny fitiavan'Andriamanitra ny fianakaviana sy ny soa noraisiny avy Aminy: ohatra,  ny fitiavan'ny Tompo an'i Dada sy Neny, an'ny zoky sy zandry, an'i Dadabe sy Bebe, sy azy zaza madinika, …, ny hanomezany fahasalamana, asa, sakafo, akanjo, …, ny fiarovany amin'ny loza, … . Misy fomba maro ahafahana mitantara izany amin'ny fitenin'ny ankizy mba hahazoany izany. Isika izay miaina aty an-dafy dia manana tombony manokana raha miohatra amin’ny any Madagasikara, satria afaka manaraka ny fomban-tany aty, dia ny famakiana tantara fohy ho an'ny ankizy alohan’ny hatoriany. Afaka hararaotintsika izany hitantarana amin'ny fomba  tsotra dia tsotra, fa mba manintona ny fo amam-panahy, ny soa rehetra nataon'Andriamanitra ho an'ny fianakaviantsika na ho antsika mivantana, na ho an'ny zanatsika koa. Afaka araraotina ambara aminy amin'izany koa ny fitiavantsika azy ka averimberina, ohatra, fa tena fitiavan'Andriamanitra lehibe tokoa ny nanomezany azy antsika: ny fahaterahany, ny fahendreny, ny fifaliana omeny antsika, ... sns … . Fitiavana'Andriamanitra lehibe izany !

Toy izany koa ny amin'ny zaza efa lehibebe, na efa miditra amin'ny fahatanorana. Tsy ho tantara alohan'ny hatoriany intsony anatanterahana izany, fa fomba hafa atao amin'ny fotoana hafa izay hitanao fa mahamety izany: amboarina mba tsy ho amin'ny fotoana mifanindry amin'ny fotoana efa mba natokany ho amin'ny zavatra hafa tiany ary efa nekenao; tsy hatao handrava ny efa misy ka hita fa tsara, fa itadiavana fotoana hafa. Aorian'ny sakafo, ohatra, rehefa mihinana tsindrin-tsakafo iny ? Na ao aloha-na fandaharana iray fiarahanareo mijery ao amin'ny TV ? Tena ilaina ny manokana fotoana ho an'izany, fa iankinan'ny hoavin'ny zanakao, izay ny hoavinao koa. Toa reko ianao manao hoe "mora ny miteny izany, fa aiza no ahafahana hanao izany ? Tsy manana fotoana intsony aho". Ny marina ve tsy ny hoe "tsy te-hanome fotoana ho amin'izany aho" ? Satria ny zavatra hitanao fa ilaina, na koa ny zavatra tianao, dia hahitanao fotoana foana hanaovana azy, toy ny sakafo, ohatra, na ny fanaovana volo na tarehy. Raha tsapanao fa tena ilainy tokoa izany, satria iankinan'ny ho avin'ny zanakao sy ny an'ny fianakaviana manontolo, dia tsy maintsy manao fanahy iniana ianao, ka hahita fotoana foana. Tsara ho marihina koa fa efa maro izao ny films vidéo misy tantara avy amin'ny Soratra Masina sy miresaka fitaizana antonina ny taonan'ny ankizy isan-tsokajiny. Afaka hiaraha-mijery sy hitarihana resaka ireny.

Zava-dehibe tokoa ny mampahafantatra ny zanatsika an'Andriamanitra, Ray Zanaka Fanahy Masina, mba hitiavany sy hatokisany ary hanajany Azy, ka hankatoavany ny Teniny izay fototra tokony hitaizantsika azy. Miara-manaiky isika fa sarotra amin'ny olona, na iza izy na iza, ny hitia sy hatoky olona tsy fantany. Dia toy izany koa ny zanatsika.

Fa manao azafady aho miverina kely aminao ray aman-dreny: moa mahafantatra an'Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika tokoa va ianao ? Mahatsapa tokoa ny fitiavany ve ianao ? Matoky Azy tokoa ?! Fantaro tsara aloha ny tenanao, ka raha misy mampisalasala anao, dia mianara aloha, fa sao dia lasa mampianatra diso ny zanaka, ka mety hanimba ny fitaizana azy. Tsy misy mahamenatra akory ny mianatra na dia efa mandroso amin'ny taona aza ianao satria "on apprend à tout âge" hoy ny fitenenana, ary koa "tsy nisy nahay hatrany an-kibon-dreniny". Hoy koa ny Soratra Masina hoe: "Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy ?" (Asa 8,31).

Izay ny mikasika ny fampahafantarana ny fitiavan' Andriamanitra ny zanatsika. Fa ny fahafantarany sy fahatsapany ny fitiavantsika azy koa dia hanampy antsika betsaka amin'ny fitaizana azy. Raha mora amintsika ny mampiseho fitiavana ny zanatsika madinika, dia mahagaga fa rehefa mihalehibe izy dia ajanontsika izany. Ilainy anefa izany. Ny olona rehetra, amin'ny taonany rehetra, dia mila fanehoam-pitiavana avokoa, ary mila mitia koa. Raha nahazo izany izy fony mbola zaza, ka banga izany eo amin'ny fidirany amin'ny fahatanorana, izay fotoana sarotra tokoa ho azy, ka ilainy ny fanohanana sy ny fitiavan'ny ray sy reniny azy indrindra, dia ho loza ny vokany. Noho ny filany izany, raha banga eo amin'ny fianakaviana izany, dia hitady izany any ivelany izy, any amin'ireo namany na ny hafa, ka ireny indray no lasa tiany, ary ny zavatra sy ny olona tian'ireny no hotiaviny koa. Tsara ny mampahafantatra ny zanatsika ny fitiavantsika ray aman-dreny azy, ary ny manao koa ny mba hitiavany antsika, satria mora kokoa ny mihaino olona fantatra fa tia ny tena sady tiana. Ny fifankatiavana no fomba iray sy mahomby ahafahana mampita ny fampianarana sy anatra tiana hatao amin'ny zanaka. Ny anatra dia manarakaraka ny fitiavana, amin'ny fototry ny fitaizana. Raha ny bokin'ny Ohabolana fotsiny, ohatra, no jerana dia miverina efa in-20 mahery ny hoe "anaka, mihainoa ny teniko", na hoe "anaka, mihainoa ny ana-drainao …" (Oh 1,8; 4,10; 5,7; 7,24; 8,32; … Tsara ho vakina manokana amin'izany ny toko faha-3 sy -4). Mameno ny fampianarana sy ny fananarana ny famaizana ny zanaka raha misy ditra tafahoatra ataony, satria ny "zanaka tiana, hoy ny Soratra Masina, no faizina" (Hb 12,5-8), ary Andriamanitra mihitsy no mampianatra izany, satria izany koa no fomba hitondrany antsika olombelona. Vakintsika ao amin'ny Hb 12,5-8 izany: «Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'ny Tompo, ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao; fa izay tian'ny Tompo no faiziny, ary ny zanaka rehetra raisiny no kapohiny" [5]. Famaizana no anton'ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizin-drainy ? Fa raha tsy faizina tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka. »

Hoy koa ny bokin'ny Ohabolana manamafy izany hoe: "Ampiekeo famaizana ny fonao, sy tenim-pahalalana ny sofinao. Aza tsy manafay zanaka, fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; raha mamely azy amin'ny hazo ianao dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny" (Oh 23,12-14 ).

Ny fitiavana, ny anatra sy ny famaizana indraindray, izay entina am-bavaka, no fiantombohana sy fototry ny fitaizana ny zanaka hanana toetra sy fitondratena kristiana, ankoatry ny toetran'ny ray aman-dreniny izay ho tahafiny.

Izay ny amin’ny fitaizana akapobeny, fa ndeha hiditra lalindalina kokoa amin'izay isika, ka handinika ny fitaizana ny zaza madinika aloha, ary ny an'ny tanora avy eo.

III  –  Ny  fitaizana  ny  zaza

Ny fitaizana ny zaza no tena lehibe indrindra satria io no hiankinan'ny hoaviny be indrindra. Hoy ny teny ao amin' ny Ohabolana hoe "Zaro amin'ny làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy  hiala amin'izany" (22,6).

Ny fitaizana dia tokony hanomboka mialoha lavitra ny faniriana hanana zanaka, satria araky ny efa voalaza teo, dia ny toetran'ny ray aman-dreniny no tahafin'ny zanaka. Noho izany dia tokony efa ho tsara toetra izay rehetra maniry hitaiza. Mahafaly ny ankizy ery tokoa anie ny miteny hoe "izaho mitovy amin'i Neninay" na "i Dadanay"; ary na efa lehibe aza izy, eny na dia efa manam-bady aman-janaka aza, dia mbola tia ny maneho izany fitoviany amin'ireo nahitany masoandro ireo ihany, eny na dia toetra tsy dia tsara loatra aza no hitoviany amin'izy ireo.

Tsy  vitan'izany ihany koa fa raha misy, ohatra, toetra ratsy fanaon'ny ray aman-dreny, dia mety hahatratra sy hifindra amin'ilay zanaka any an-kibo koa ny vokatr'izany, toy ny fisotroan-taoka be loatra, ohatra, na ny fijangajangana, … sns… (Ez 18,1-2; cf. Eks 20,5). Koa dia mila fitandremena be izany fa andraikitra lehibe tokoa.

Satria avy amin'Andriamanitra ny zanaka dia Izy Mpanome no afaka hanampy sy honoro lalana indrindra amin'ny fitaizana azy ireo. Ny tantaran'i Manoa mivady ao amin'ny Mpitsara 13,2-25, no nofidiko hanazavana izany:
— vakina ny and. 2-5 —

Vao notorotoronina ny zaza dia efa nanomboka ny fitaizana azy izy mivady (and. 4). Rariny loatra izany: tsy mbola any an-kibo tokoa moa ny zaza dia efa mikarakara ny fitafiany sy ny fitaovana entina handray azy isika ? Toy izany koa ny famelomana azy, ka misakafo tsara ery ny reny. Matetika koa ny ray no miafy ka manome ny anjarany ho an'ny vadiny mitondra voka. Tsy mihinankinam-panafody koa ny reny raha tsy ny mpitsabo no manome izany azy, sns … Koa nahoana ary no tsy hikarakara ny ara-panahin'ny zaza toy izany koa isika kristiana ? Dia ny fivavahana ho azy sahady izany, ny fangatahana ny Fanahy ho azy, ny famakiana Soratra Masina sy fihirana hira masina ho azy, sns … . Ny zanaky ny olona mpanao mozika, hono, dia ampihainoany mozika dieny any an-kibo, mba ho tia sy hahay mozika. Koa raha mahomby izany, nahoana ny zanaky ny kristiana no tsy atao toy izany koa mba hanana toetra kristiana ?

Fa andeha hiverina amin'ny vadin'i Manoa isika. Rehefa notantarainy tamin'i Manoa ny zavatra niseo dia nangataka tamin’i Jehavah Manoa mba hanirahany ilay lehilahin’ Andriamanitra ho any aminy indray mba hampianatra azy mivady izay tokony hitondrana ny zaza izay ho teraka.
— vakina ny and. 8 —

Nalefan'Andriamanitra tokoa ilay anjely.
— vakina ny and. 12-14 —

Raha mbola any an-kibo aza moa ny zaza dia angatahana ny fanampian'Andriamanitra toy izany, mainka moa fa rehefa teraka ? Dia hampianarintsika ho tia an'i Jesoa izy araky ny voalaza teo. Ampianarintsika hahay hivavaka, ampianarintsika hahay hisaotra an'i Jesoa rehefa mahazo zavatra, tsy ny sakafo ihany fa na ny ankajo, na ny kilalao, … sns… . Tiako ny manindry misimisy kokoa eto ny fampianarana ny zanaka hisaotra rehefa misakafo; hisaotra, hoy aho, fa tsy hivavaka. Tsy ampianarina hanao tsianjery be fotsiny izy, fa ampianarina ny dikany: "rehefa mahazo zavatra dia misaotra isika; koa satria avy amin'Andriamanitra, na avy amin'i Jesoa, –izay mahavanana anao ny miteny azy–, io sakafo io, dia aoka isaotra Azy isika; satria Izy no  nitahy an'i Dada sy Neny noho ny fitiavany, ka nanome azy ireo fahasalamana mba ahafahan'izy ireo miasa tsara, ka ahazoany vola,…; avy Aminy koa ny maha-salama tsara anareo zanaka, ka tsy lany amin'ny fanafody ny vola, … ". Amin'izany dia mifandimby misaotra satria samy mahazo, samy mandray ny fanomezana, samy mihinana ny sakafo, samy salama … . Raha ny rariny aza dia tokony hifandrombahana mihitsy ny hisaotra, fa asiana fandaminana fotsiny. Zava-dehibe io, indrindra ho antsika miaina aty Europe aty, izay miara-miaina amin'ny olona manadino tanteraka izany fiasaorana ny Tompo noho ny fahasoavany sy ny fitiavany izany. Tsapantsika fa toa tsy misy intsony ny fahalalan'ny olona izany. Na misy aza dia kely dia kely. Toa zavatra azoazo ho azy, toa zavatra rariny raha ho azo, anefa azo noho ny famindrampon'Andriamanitra. Toe-javatra hita eo amin'ny fianakaviana malagasy maro, rehefa mandray vahiny kristiana, ny mampivavaka ny zandriny indrindra ao an-tokantrano mialoha ny sakafo. Raha mbola kely izy dia mety ho tiany izany, satria mbola eo amin'ny taona itiavany miseho sy dokafana izy. Tiany ny ataon'ny vahiny hoe "ntsay ! ntsay ! zaza hendry !" na hoe "andray ! hay efa lehibe ! efa mahay mivavaka kosa koa !"  Fa rehefa kelikely ho tonga saina izy, indrindra moa raha amin'ny fotoana misy vahiny kristiana ihany ny fianakaviany vao mivavaka, dia ho gagagaga ihany izy hoe nahoana no izy foana no manao ny vavaka ? Nahoana ny olon-dehibe no tsy manao ? Io, tazany koa fa miomehy azy sady mitampim-bava i zoky. Hay zavatra maha-menatra ny mivavaka?  … . Dia tsapanao amin'izany ny ho vokany … . Tokony ho hitan'ny zaza samy mivavaka am-pifaliana ny olona rehetra miara-mipetraka aminy, indrindra ny ray aman-dreniny. Ampianarina azy ihany koa, fa ny vavaka dia firesahana amin'ny Tompon'ny fiainana, ho fanomezam-boninahitra Azy, ho fisaorana Azy, na ho firesahana Aminy fotsiny, satria mana-kambara Aminy, ka ho fifaliana lalandava ny fahazoana manao izany. Hatao tsapany fa fahasoavana manokana ny ahafahana manao izany: "azonao an-tsaina, isika toy izao, amin'izao toerana misy antsika izao, dia afaka miresaka amin'ny Tompon'ny Tompo; ary mihaino antsika Izy; indrindra moa fa ianao zazakely io, satria tiany manokana ny zaza". Ny vavaka koa dia isan'ny andraisana fitahiana sy fahasoavana. Moa tsy nampianatra antsika hangataka amin'ny Ray ny hanina sahaza ho antsika isan'andro Jesoa ? Ny vavaka dia hahazoana ihany koa aina vaovao, hahazoana hery hatrany, ka tokony hazoto ery manao izany, fa tsy hanao izany toy ny asa mavesatra na fanerena. Tsarovy fa mijery hatrany ny ataon'ny ray aman-dreniny ny zaza, ary mianatra izany. Tsy izany moa no mahatonga ny vavikely milalao saribakoly, ary ny lahikely, fiarakodia ? Ny ataonao no alain'ny zanakao tahaka voalohany indrindra. Ianao koa no henoiny voalohany. Tsy ho to teny anefa ianao raha tsy manao izay zavatra itarihanao sy ampianarinao azy. Tsarovy hatrany fa tsy amin'ny zaza madinika ihany no tokony hitandrementsika io fanamarihana farany io, fa amin'ny efa lehibehibe koa, ary indrindra amin'ny tanora.

Dia mitondra antsika handinika amin'izay ny fitaizana ny tanora izany.

 

IV  –  Ny  fitaizana  ny  Tanora

Ny fanontaniana mipetraka aloha dia ny hoe: moa efa nitaiza ny zanakao tonga amin'ny fahatanorany, araka izay voalaza teo izay ve ianao ? na fara-faharatsiny araky ny fiainana kristiana efa niainanao hatrizay ? Raha tsia no valiny, dia fahadisoana lehibe izany, eo anatrehan'ny Tompo aloha, satria didy avy aminy io fitaizana io, araky ny voalazako teo am-piandohana, koa ifony Aminy aloha, ary angataho ny Fanahiny hanampy anao amin'ny fanarenana izany. Fahadisoanao ihany koa eo amin'ny zanakao izany, satria tsy nahavita ny adidy napetraky ny Tompo taminao mikasika azy ianao. Koa raha hitanao fa mety hahatsara zavatra sy hahamora ny fifandraisanareo ary ho fitaizana azy ny mifona aminy dia ataovy koa. Ankino amin'ny fitarihan'ny Fanahy izany mba tsy hanaonao foana ianao. Aza adinoina fa eo amin'ny fahatanorana no sarotra indrindra ny fitaizana, eo amin'ny fidirana amin'ny fahatanorana indrindra indrindra. Diso fantantsika loatra izany satria nandalovantsika. Eo no hisehoan'ny crises isan-karazany ka ilaina fitandremena manokana. Maro eo ny zavatra tsy azony, na ny momba ny tenany izany, na ny momba ny manodidina azy. Tsy mora ho an'ny ray aman-dreny rehetra ny fitaizana ny tanora amin'io fotoana io, indrindra ho antsika kristiana. Matetika manko isika dia manao didy jadona na be fananarana be loatra, manonona tsy misy farany ny Tenin'Andriamanitra sy ny fampitahorana isan-karazany, ary mampihatra famaizana samihafa, satria te-handresy lahatra mafy. Mihevitra isika fa araky ny sitrapon'Andriamanitra izany. Fanoharana roa no ho raisiko hahitanao ny maha-mety na tsia izany:
Voalazan'i Jesoa isika kristiana fa fanasin'ny tany (sel de la terre) ary fahazavan'izao tontolo izao (Mt 5,13-15 //). Samy mahasoa na ny sira na ny jiro, anefa raha be loatra izy dia lasa mankarary. Raha sendra be sira loatra ny laoka, ohatra, dia tonga tsy azo hohanina intsony ka voatery ariana. Raha be loatra koa ny jiro dia mankarary, na ny maso na ny loha, ka tena mampijaly raha maharitra. Izany indrindra no mahatonga azy ampiasaina toy ny fitaovam-pampijaliana (instrument de torture). Raha itarafana avy hatrany olona avy ao amin'ny maizina koa izy, dia mahajambena sy mampirepirepy mihitsy. Ilaina fahendrena sy fahaizana tokoa ny fampiasana na ny sira na ny jiro. Dia toy izany koa ny anatra sy ny famaizana atao amin'ny tanora, indrindra ny tanora kristiana. Ilaina izany, saingy atao amin'ny fahendrena tokoa, ary atao eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina, mba tsy hahatonga vokany mifanohitra amin'izay andrasana sy tsy araky ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy miafina amintsika fa maro ny zanaka kristiana, indrindra moa fa ny zanaka mpitondra fivavahana, no lasa maditra, ary maditra be mihitsy aza. Ny antony dia leon'ny anatra sy famaizana be loatra izay heveriny fa tsy rariny izy ireny. Misy koa misaina fa tsy fitiavana azy tsotra no asehon'ireny teny maro sy famaizana be tafahoatra ireny, koa dia mitsipaka ireny izy ary manao izay mifanohitra amin'ireny mihitsy aza, mba ho valin'izay heveriny fa tsy fitiavana azy. Raha isan'ny ray aman-dreny manana tanora toy izany ianao dia avereno dinihina haingana aloha ny momba anao ka tarafo amin'ny Tenin'Andriamanitra.

Ny anatra sy ny famaizana nahomby teo amin'ny fitaizana ny zaza mbola madinika, dia tsy mandaitra intsony eo amin'ny tanora, satria ny tanora dia efa mihevitra ny tenany ho mahay sy mahavita tena. Isan'ny fadiana ary, ny miezaka handresy lahatra azy ireny tsy mijanona, fa mampandositra azy izany. Toy izany koa ny firesahana matetika loatra an'i Jesoa aminy, indrindra raha hita fa tsy dia misarika azy loatra izany, fa lasa hahasorena azy fotsiny. Ny mety hatao dia ny miresaka azy amin'i Jesoa isan'andro isan'andro, dia avela Izy Tompo no hiasa aminy. Izy no handresy lahatra azy, fa hainy izany (!). Manana fomba fiasa isan-karazany Izy, sady Izy rahateo koa no mahalala bebe kokoa ny zanakao noho ianao, eny na dia ray aman-dreniny aza ianao. Manamafy izany ny andinin-tSoratra Masina roa avy ao amin'ny taratasy nosoratan'ny Apositoly Paoly, manao hoe: "Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy" (Ef 6,1-4), sy ny hoe "Ianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy" (Kol 3,20-21). Tsara aloha ny manoritra eto fa ny teny grika nadika hoe "ray" amin'ireo andininy ireo dia fanafohezana ny hoe "ray sy reny" na "ray aman-dreny". Hita mazava tsara izany, ohatra, ao amin'ny Hb 11,23. Fahita izany tamin'ny andro nanoratana ny Baiboly manontolo, satria ao amin'ny teny Testamenta Taloha koa, ny teny hebreo entina ilazana ny "ray" dia afaka ampiasaina koa anondroana ny "reny" (oh. Nom 11,12, na koa ny "raibe" (Gn 28,13), na ny "razana" (Eks 12,3). Koa ireo tenin'i Paoly ireo izany, dia azo vakina hoe "ianareo ray sy reny, aza mampahasosotra ny zanakareo, … sns…". Ny Ohabolana 6,20-23 sy 1,8, dia milaza mazava tsara fa ny fitaizana dia andraikitra napetrak'Andriamanitra amin'ny ray sy reny: koa dia miaraka mitaiza izy roa. Araka izany, raha misy ny fizarana asa, dia hifameno hatrany izy roa, araky ny naharian'Andriamanitra ny mpivady, ka tsy hifanipaka na oviana na oviana. Ireo soratr'i Paoly ireo dia milaza mazava fa tsy mahay mitaiza isika olombelona fa mila manatona ny Tompo hatrany, mangataka fahendrena sy toro-lalana Aminy ary mianatra Aminy hatrany. Raha isika fotsiny dia ny hampatezitra sy hampasosotra [6] ary hampamoy fo ny zanantsika no ho vokany. Zavatra haintsika ery, ohatra, ny mitrerontrerona sy manao teny maharary, indrindra moa raha tsy afaka mikapoka intsony isika fa efa lehibe ny ankizy. Anefa tsy mitera-boka-tsoa izany fa dia ho fahasosorana sy fahatezerana ho azy fotsiny, ary ho antsika koa aza. Ny fitaomana azy hanao zavatra tsy ho vitany koa, ohatra, na zavatra tsy mbola tiany, dia hiteraka fahakiviana fotsiny sy fahasosorana ho azy: ohatra ny fanerena azy hifoha maraina be mba hianatra Soratra Masina na hivavaka.

Eto dia misy fanamarihana kely tiako hatao, satria somary mahagaga ihany, dia ny momba ny dikan-teny malagasy nampiasaina eto ao amin'ny hoe "… fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy", satria "famaizana" no nandikana ny teny grika tokony ho nadika hoe "fitaizana" na "fanabeazana" na "fanitsiana" ny zanaka [7] , ary "fananarana" no nandikana ny tokony ho nadika hoe "fampianarana". Tsy midika ve izany fa mirona kokoa amin'ny famaizana sy ny fananarana ny mpandika teny ? Toa mampiseho soritra ny fitiavana hanafay sy hanasazy tokoa izany. Dia toy izay tokoa no fitaizana notazonin'ny malagasy kristiana maro.

Ahitana taratra ny fahasarotan'ny fitaizana kristiana izany. Marina fa mila entitra sy masiaka mihitsy aza, amin'izany. Ohatra, eo amin'ny fampiharana ny fitsipika sy ny lalàna mifehy ny fianakaviana sy mifehy ny fiainana kristiana. Anefa dia mila tambitamby sy halemem-panahy ihany koa, ohatra, eo amin'ny fampianarana sy ny toro-lalana. Koa raha tsy ny Tompo no manampy amin'izany, amin'ny fanomezany ny Fanahiny hitari-dalana, dia tsy ho haintsika velively ny mampiaraka sy mandanjalanja izany. Ampahatsiahivina indray fa ny mitafy an'i Jesoa Kristy Tompo no manana ny Fanahiny. Izy no mahay manampy ny ray aman-dreny mba tsy hitaizany mivoana amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Mazava ny teny nampanoratan'ny Tompo ny Apostoliny eto, fa tsy amin'ny hery na amin'ny fahaizan'ny tena ray aman-dreny no hitaizana ny zanaka, mba hahatomombana izany ka hananany toetra sy fitondrantena kristiana, fa  amin'ny "famaizana sy ny fananaran'ny Tompo". Raha tsy miankina tokoa amin'ny Tenin'Andriamanitra sy ny Fanahiny ny ray aman-dreny dia tsy hahatanteraka izany. Hanampy ny ray aman-dreny amin'ny fotoana rehetra, sy ny fitaizana rehetra izany, eny na dia amin'ny zanaka efa mandroso taona aza, satria tsy azo adino fa mijanona ho ray aman-dreny ny ray aman-dreny na dia efa lehibe aza ny zanany, ka dia tsy miala aminy ny andraikitra napetrak'Andriamanitra aminy, sady iankinan'ny fitaizana ny taranaka aman-jafy koa izany.

Fa tsy vitan'ny hoe tsy mahay mitaiza ny zanatsika irery isika , fa tsy mahalala akory izay tena mahasoa azy ireny koa, ka tsy mahay mangataka na mivavaka ho azy. Ny vavaka nataon'i Salome, ao amin'ny Mt 20,20-28//, ho an'ny zanany Jaona sy Jakoba dia manambara izany. Salome dia vehivavy kristiana isan'ireo nafana fo, nanara-diha akaiky an'i Jesoa tamin'izay rehetra nalehany, ka isan'izay nanatrika ny fanombohana Azy tamin'ny Hazo Fijaliana mihitsy aza. Ireo zanany roa lahy ireo koa, Jaona sy Jakoba, dia isan'ny mpanara-dia ny Tompo toy izany koa. Anefa noho ny fitiavan'i Salome azy ireo, dia nikaroka ny toerana farany ambony ho azy ireo izy, ka nangataka tamin'i Jesoa ny mba hitoeran'izy roa lahy, ny iray eo an-kaviany ary ny iray eo an-kavanany rehefa ao amin'ny Fanjakany Izy. Ny toerana farany ambony sy lehibe indrindra no nangatahiny ho azy ireo. Tsy fantany anefa raha ho vitan'izy ireo ary ho zakany ny lalana tsy maintsy ombana mba hahatongavana amin'izany (and. 22). Tsy fantany ihany koa ny sitrapo sy fandaharan' Andriamanitra (and. 23). Ny vokatr'izany tsy fahaizana mangataka nataon'ny renin'i Jaona sy Jakoba izany, dia fahatezerana teo amin'ny mpianatra hafa. Voka-dratsy izany. Hitantsika amin'izany ary, fa tsy ampy ny fanarahana fotsiny an'i Jesoa, na dia ao aza ny finoana, fa ilaina indrindra indrindra ny mitafy Azy, mba hananana ny Fanahiny hitarika sy hanampy amin'izay rehetra hatao, indrindra moa ho antsika izay, sady efa tsy mandre ny fampianaran'ny Tompo mivantana intsony no sady miaina 2000 taona aty aorinany, ary mipetraka aty amin'ny tany mandroso ho amin'ny faninanana hatrany ? Ny Fanahin'ny Tompo irery no afaka hampianatra antsika hivavaka araky ny tokony ho izy, na Izy mihitsy no mangataka misolo vava antsika (Rm 8,26). Ny fitiavan-janaka dia mety ho diso raha tsy avy Aminy, ka mahameloka, tsy eo anatrehan'Andriamanitra ihany, fa eo amin'ny zanaka tezaina koa. Ilaina dia ilaina anefa ny fitiavana, indrindra ny fanehoana izany amin'ny zanaka eo amin'ny fahatanorany, mihoatra noho ny tamin'ny fahazazany, araky ny efa voalazako teo raha nandahatra ny fitaizana akapobeny aho. Fa ankoatry ny fitiavana dia ilaina toy izany koa ny fananana faharetana.

Ny fananana fitiavana sy faharetana ary famindrampo toy izay ho hitantsika izao, no hahatò teny ny ray aman-dreny ka hahatonga ny zanaka hihaino sy hanaraka ny anatra ataony; hahatonga azy hatoky sy ho tia azy koa, ka na misy aza ny famaizana azy dia ho ekeny ihany, eny na dia tsy azony aza izany. Miorina amin'ny Tenin'Andriamanitra koa izany.

Momba ny fananana faharetana dia afaka mandray ny voalaza ao amin'ny Mpitsara 6,11-24, izay misy ny teny faneva amin'izao fankalazana ny faha-40 taonantsika FPMA izao isika, dia ny hoe: "Mandehana amin'izao herinao izao" (and. 14). Tsy ho azavaiko aminareo intsony io andalan-tSoratra Masina io, na ny antony nisiany, satria mino aho fa efa nahazoanareo betsaka io hatramin'izay nanombohan'izao fankalazana izao. Ny tiako hitariana ny sainareo sy hangalana fampianarana dia ny fihetsik'ilay anjelin'Andriamanitra tamin'i Gideona: tanora kivy sy diso fanantenana no niresahiny; tanora nandre ny fitantaran'ireo ray aman-dreniny momba ny herin'Andriamanitra sy ny fitiavany izay nanavotany ny razan'izy ireo tany Egypta, anefa mahita sy miaina ny fangirifirian'ny fampahoriana sy fampihorohoroan'ny Midiana ny fireneny tamin'io fotoana io. Tsy sorena ilay anjely fa naharitra nanazava tamin'i Gideona, na dia tsy nety nino izay nolazainy aza izy, eny na dia efa nifanazava ela aza izy mianaka, ary na dia efa nomeny fampanantenana lehibe aza Gideona, toy ny hoe "Homba anao aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao". Dia mbola naharitra ihany koa izy raha nangataka famantarana Gideona : "Eny, izaho hiandry mandra-piverinao" (and. 18b) hoy izy. Dia niandry teo amin'ny alokaloka ambanin'ny hazo izy na dia naharitra ela aza ny fanomanan'i Gideona ilay famantarana nangatahiny, satria sakafo no nataony, ary tsy sakafo mora vita fa namono sy nahandro zanak'ondry izy, ary namboatra mofo tsy misy masirasira. Na fanatitra tsy nifanaraka tamin'ny Lalàna nomena an'i Mosesy aza izany, dia neken'ilay anjely fa tsy mba naha-tezitra azy; tsy noheveriny ho fanaovana tsinontsinona azy, satria fantany fa natolotr'i Gideona tamin'ny hitsim-po tokoa. Ary satria nitady famantarana tamin'ny fony tokoa izy, dia nasehony azy ny heriny sy ny maha-irak'Andriamanitra Azy mba hinoany amin'izay fa ny Tompo no miantso sy maniraka azy ary homba azy tokoa. Faharetana sy famindrampo no nasehon'ilay anjely, ka dia resy lahatra ny tanora, Gideona, ary nanaiky ho iraka hamonjy ny mpiray firenena aminy. Nitombo tsikelikely, arakaraky ny faharetan'ilay anjely, ny finoan'i Gideona: ka raha tery amboalohany izy niantso azy hoe "tompoko" fotsiny (and. 13), araky ny fahalalam-pomba fotsiny, rehefa nitohy ny resaka sy ny zava-niseho, dia nanomboka nino izy fa olon'Andriamanitra tokoa io miresaka aminy io, ka niova ny fomba fiteniny ary lasa nanao hoe "Tompo ô" an'ilay anjely izy (and. 15). Ny nandresy lahatra azy tanteraka, dia ny famantarana nangatahiny ka notanterahin'ilay anjely (narahin'ilay anjely tamin'ny fahadalany izy).

Faharetana mihaino azy, faharetana manatrika izay tiany haseho sy ho porofoina -sady tian'ny tanora izany-, fanehoana ny marina amim-pitiavana, izany no ilain'ny tanora, ka hahatonga azy hatoky anao sy hihaino ny teninao, ary ny anatra ataonao aminy.

Manamafy izany ao amin'ny Testamenta Vaovao ny tantara nataon'i Jesoa momba "Ilay zanaka adala" ao amin'ny Filazantsara nosoratan'i Lioka (15,11-32). "Ilay zanaka adala" moa no lohateny nomen'ny mpandika teny an'io tantara io, fa raha dinihina dia tsy ilay zanaka ihany no adala, fa ny rainy koa (!): Na dia nolanin-janany avokoa aza ny fananany nomeny azy, amin'izay anie ka nolaniny tamin'ny fiveloman-dratsy e (and. 13b), "tamin'ny vehivavy janga" hoy ny zokiny (and. 30), dia mbola onena azy ihany ny rainy; tsy noraharahiny izay rehetra nataon-janany, fa ny zava-dehibe taminy dia ny nahatafaverina azy, velona soa aman-tsara, teo aminy (and. 24 sy 32). Tsy nanadihady azy momba ny fandaniana izy, tsy nitaky ihany koa ny fomba hamerenany ny fananana laniny, …, fa dia namela ny fahadisoany tanteraka. Ny zava-dehibe taminy dia ny niverenan'ilay zanany ka nahatafahaona azy ireo indray.

Tamin'ny fo tony sy feno faharetana koa no nandraisany ny fahatezeran'ny zanany lahimatoa, ka valinteny feno fitiavana no nomeny azy, fa tsy nohelohiny izy noho ny fialonany ny rahalahany. Raha nanameloka azy mantsy izy dia ho vao mainka nitombo izany fialonana izany. Ny fanehoany ny fitiavany azy roa lahy no nataony, ka dia nampahatsiaroviny azy fa ny fananany rehetra anie dia azy, zokony, avokoa [8].

"Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy, …, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, …, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra." hoy ny fampianaran'ny Apostoly Paoly (1 Ko 13,4-8). Fitiavana vokatry ny Fanahy (Ga 5,22) ka omeny izay rehetra mandray Azy honina ao aminy noho ny fitafiany an'i Kristy. Fitiavana mitarika fitiavana, mitarika fahatokiana, mitarika fanoavana vokatry ny fo, ka hahafahan'ilay tanora mitia, matoky sy manoa am-pifaliana. Tsara hamafisina, satria tokony hianarantsika koa, ao amin'ny toetran'ilay ray adala, ny tsy fiangarana amin'ny zanaka, fa naneho fitiavana mitovy azy roa lahy izy. Ilaina izany, indrindra moa raha maro iraitampo ny zanaka. Hitarika ny fanajan'izy rehetra ny ray aman-dreniny izany, ary ho fampianarana azy ireny ihany koa mba hifankatia ka tsy hifampialona. Ny fitiavantsika ny zanantsika, ny fitiavany antsika, ny fifankatiavan'izy ireo, izany no toetra isan'ny mampiavaka ny kristiana eo anivon'izao tontolo izao. Didy nomen'i Jesoa ny fifankatiavana, ary naverimberiny mihitsy [Jn 13,34 (x 2); 15,12.17] sy namafisiny. “Izany no hahafantaran'ny olona, hoy Izy, fa mpianatro ianareo" (Jn 13,35).

Ny toetran'ilay anjely naka tarehin'olona, ny toetran'ilay ray adala, dia samy manome toro-lalana ho antsika ray aman-dreny amin'ny fifandraisana amin'ny zanantsika sy amin'ny fitaizana azy, indrindra moa raha manana olana izy. Ny fanehoana fitiavana sy faharetana ary faharim-po no hahatafita sy hahatanteraka ny fitaizana azy ireny hanana toetra sy fitondratena kristiana, araky ny faniriantsika. Ny fananana ireo toetra ireo dia ho fampianarana ny zanatsika ihany koa ho tia sy hanaja ny Tompo Andriamanitra fototr'izany fitiavana sy famindrampo ary famelan-keloka izany.

 

Famaranana

Eto am-pamaranana dia ataoko fa miaraka mihaiky amiko ianareo fa tena sarotra dia sarotra tokoa ny mitaiza ny zanaka, indrindra ny mitaiza azy hanana toetra sy fitondratena kristiana, ka haharitra ao amin'izany, indrindra amin'izao taon-jato iainantsika izao izay ampian'ny fiainana aty Europe trotraka amin'ny tsy fironana intsony amin'ny fitiavana sy fahalalana an'Andriamanitra. Hanjary ho mora anefa izany ho an'izay manaiky hitafy an'i Kristy, satria ny Fanahiny no hitarika sy hanampy amin'izany, ary hanome fahendrena sy hery hahatanteraka izany.

Mihevitra ny tenanao ho kely sy bitika ve ianao? ho malemy sy mpanota ? ho tsy mahay miteny ? tsy mahay mananatra ? Tsy ampy fahaizana ? …  "Ampy ho anao ny fahasoavako, hoy Jesoa Kristy aminao anio; fa ny heriko dia tanterahina amin'ny fahalemena" (2 Ko 12,9). Koa "Mandehana amin'izao herinao izao", na kely na be izany, ka "itafio Jesoa Kristy Tompo", fa Izy, izay efa nandresy izao tontolo izao no homba sy hanao anao mihoatra noho ny mpandresy (Rm 8,37), ka hahatanteraka sy hahalavorary ny fitaizana ny zanakao sy ny taranakao. "Raha Andriamanitra tokoa no momba antsika, iza no hahatohitra antsika". Ho am-pifaliana anie no hisehoanao eo anatrehany rahatrizay ka hahafahanao miteny hoe : "indreto izaho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra ahy" (Hb 2,13; Is 8,18).

Ho entiko mamarana izao valandresaka izao ny teny nampitondrain'Andriamanitra an'i Mosesy ao amin'ny Deoteronomia 6,1-9 manao hoe:              — vakina manontolo  —

** tsindrina tsara ny ao amin’ny and. 6 ny hoe "ampianaro tsara" izay midika hoe "atao masaka an-tsaina tsara ", "ampidiro tsara ao an-tsaina mba hiraikitra tsara sy haharitra ao"**

Ho an'Andriamanitra, Ray Zanaka Fanahy Masina, irery anie ny voninahitra, izay efa Azy hatrizay, ankehitriny, ary mandrakizay mandrakizay; ary ho amintsika tsirairay ny heriny sy ny fiadanany. Amen.

Misaotra anareo aho nihaino ahy hatramin'ny farany.
Misokatra izao ny fametrahana  fanontaniana sy ny adi-hevitra. Mihaino anareo aho.

Misaotra tompoko.



[1] "Lazaiko anareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay" (Jn 6,47).
"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay" (Jn 3,16).
[2] Jereo ao amin'ny fizarana faha-III ny tantaran'i Salome.
[3] Gn 16,11; 17,17 (Saraha sy Abrahama izay efa samy antitra be); Mpts 13,2-14.24 (Manoa mivady, momba ny vadiny); Lk 1,18 (Elizabeta sy Zakaria, efa samy antitra be koa).
[4] Cf. Sal 78,4.6-7; 106,1-12; 136; Ac 7,2-37
[5] Oh 3,11.12
[6] Raha mifanakaikaiky ny dikan'ireo teny roa ireo amin'ny teny malagasy, amin'ny teny grika kosa samy manana ny dikany manokana ireo.
[7] Ary tsy eto ihany fa mbola hita miverina izany ao amin'ny Hb 12,5-6.9.
[8] Tsy voalaza eo amin'ny and. 12b fa hoe ny fananany rehetra no nozarany tamin'izy mirahalahy; midika izany fa mbola nisy tavela, ka dia efa anjaran'ny lahimatoa izany, araky ny lalàna tamin'izany fotoana izany.
{mospagebreak}

Valandresaka nataon-dRtoa Beby SOLOHERY,

tamin’ny famaranana ny jobily


ny Asabotsy faha-19 Febroary 2000

nanomboka tamin’ny 5 ora hariva


tao amin’ny Vieux Temple, Toulouse


Ny fanompoana ataon’ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana
Miainga amin’ny zava-misy angamba isika aloha, dia ny fahitana ny hamaroan’ny vehivavy sy ny zazavavy ao amin’ny fiangonana rehetra. Eto izao isika dia manatrika izany.Any an-tanindrazana moa dia mazava tsara mihitsy fa miavaka ny fitoerana. Ny fisian’ny toeran’ny vehivavy no maromaro kokoa noho ny an’ny lehilahy. Izany no porofo fa mandaitra ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny firenena. Angamba mety hilaza isika hoe voa-janahary amin’ny vehivavy ny mora mandray sy mihaino fampianarana. Mora tohina ao am-po izahay, ka mora manaiky, ary mora babon’ny fampianarana. Koa dia tsy sarotra, araka izany, ny nidiran’ny voa tsara, dia ny vaovao mahafaly, teo amin’ny firenentsika.
Saingy matetika dia heno fa toa maro foana toa tanam-poza, hono, izahay; ary manjary manome fahasahiranana sy raharaha ny lehilahy mpihevitra sy mpiandraikitra Fiangonana aza, tahaka izay hitantsika izao hoe atao ahoana ireto vehivavy ireto, nefa toa marobe izy, nefa tsy hita be ihany. Matetika aza, eo amin’ny firenena kristiana, eo amin’izay toerana nidiran’ny kristianisma, dia saika voafaritra amin’ny sehatra telo ny asan’ny vehivavy kristiana, dia ny sakafo (hainay ny fahandroana sakafo sy ny fikarakarana lasopy), ny fitaizana ny ankizy, ary ny fikarakarana ny fahasalamana. Amin’ireo lafiny ireo kosa, any amin’ny fiangonana rehetra izay mba notsidihanay, dia ahitana ny herin’ny vehivavy.
Ny zava-misy teo amin’ny tantaran’ny firenentsika, raha topazana maimaika anefa, dia nahitana fa nanjaka ary nanana fahefana ny vehivavy. Ny lehilahy no matanjaka ary namidy lafo fony nivarotra olona. Ny vehivavy sy ny ankizy kosa dia fanampim-barotra (zavatra atakalo). Teo amin’ny sori-drafi-piaraha-monina anefa dia nahitana ihany koa ny fifehezan’ny vehivavy mpanjaka. Ary ny herin’ny tenin’ny vehivavy dia anisan’izay matanjaka rehefa nisy fivoriam-pianakaviana. Ny fahefan’ny renim-pianakaviana sy ny lafin-dreny, toy ny anadahin-dreny dia zava-masina amintsika malagasy. Ny toeran’ny anadahin-dreny isam-poko manerana ny nosy dia sarobidy, ka raha vao ny anadahin-dreny no mampiaka-peo na mandrara ny fanambadian’ny zazavavy na ny zazalahy ao amin’ny ankohonana dia milefitra avokoa ny mpianakavy. Iarahantsika mahita ny hamaroan’ny vehivavy eo amin’ny fampianarana, eo amin’ny fitaizana ny ankizy, eo amin’ny fitsaboana sy eo amin’ny fanentanana ny fiaraha-monina.
Fa saingy teo amin’ny fifaneraserana tamin’ny tandrefana kosa dia nanjary niha-niova tsikelikely izany hery samihafa izany. Ka vatran’ny vehivavy malagasy ny nanohitra ny fihalokalofana na fisarisariana zarim-piarahamonin’ny lehilahy vahiny, ny vazaha, amin’ny alalan’ny hoe ny herin’ny mpamosavy, ny herin’ny ody fitia. Dia mba sarotiny kosa izy, ary saro-piaro amin’ny fidiran’ny vahiny ao amin’ny tokantranony.
Mahagaga kosa anefa fa nony injay tonga ny misionera tandrefana niaraka tamin’ny vadiny, raha ilay fitenenana nahazatra hoe vehivavy fanaja no nanan-kery hatramin’izay, dia nanjary nikisaka tsikelikely izany ka nanjary hoe ny lehilahy no fanaja. Ary hitantsika eo amin’ny fiaimpiainantsika andavan’andro fa mbola mitoetra izany. Na dia miezaka toy inona aza isika hihoitra hampijoro ilay maha-malagasy antsika, na toy inona na toy inona, rehefa eo amin’ny fisakafoana dia mbola ny lehilahy ihany no fanaja. Eo amin’ny fiaraha-monina tandrefana kosa, frantsay ohatra, dia ny vehivavy no hajaina voalohany. Ao amin’ny kabary am-panambadiana dia hita mihasikasina tsara io atao hoe fifanatrehan’ny toetran-dehilahy sy ny vehivavy io. Lazaina ao amin’ireny kabary ifamaliana am-panambadiana ireny fa vovonana iadian’ny lohany ary felantana-mangaika ny rantsana ny lehilahy. Izany dia enti-milaza ny fahamboniana sy ny hery ary ny tanjaky ny lehilahy. Ny lehilahy no lazaina fa andry iankinana eo amin’ny fianakaviana. Ny lehilahy no mpitarika vahoaka. Ary biby tsy manan-doha tsy mandeha. Rehefa tsy eo ny lehilahy hitarika dia toa miraviravy tanana be ihany ny mpianakavy. Ny lehilahy, hono, mamindra in-telo dia mahazo hevitra, fa ny vehivavy kosa miondrika inefatra vao mahita ny azy. Asa moa na hatraiza ny fahamarinan’izany fa samy mandini-tena isika. Fa isika zokinjokiny izay hanaovana jobilim-panambadiana rahampitso angmba dia mety hahatadidy ireny teny nifamalian’ny solon-tenam-pianakaviana ireny, raha niantrano na nandray ny fianakaviana.
Ny vehivavy kosa dia noharina amin’ny zavatra , zavatra atao haingo eo amin’ny fiaraha-monina, eo amin’ny tontolo ivelomana. Ka lazaina fa hoe tatamo endriky ny farihy, sahondra ravaky ny vato, mipetraka endriky ny vohitra, mandeha ravaky ny arabe. Na dia izany aza dia tazana ihany koa ny maha-loharanon’olombelona sy loharanom-pirenena ny vehivavy, izany hoe ilay mpiteraka zava-tsoa, zavatra tena ilaina, ary indrindra kitapo nifonosana. Ny vehivavy dia velona ho an’ny lehilahy, tahaka izay hitantsika koa ao amin’ny Testamenta Taloha, ao amin’ny fiaraha-monina tatsinanana tranainy. Isika malagasy dia manana izao sarisary teny mahafatifaty izao hoe: ny vehivavy, fary fotsy fanala hetaheta, fary manga tsy lany hamamiana. Dia ampin’ilay solon-tenan’ny mpikabary am-panambadiana hoe: ka dia manana fahafoizan-tena ny vehivavy fa io no namana ipetrahana amorom-patana, hamahana raha noana ny lehilahy, hitsabo raha marary, hamelona raha reraka, hanafy raha rovi-damba, hanavotra raha very, hitsongo volo fotsy raha antitra, hanirina raha maty. Izany no asan’ny vehivavy amin’ny lehilahy. Marina izany, ary dia arahantsika zokinjokiny ara-bakiteny. Ataoko hoe isika zokinjokiny satria ny zanatsika dia efa tazana sahady fa manohitohitra sy mitsipatsipaka izany ihany, ka manao hoe: fa nahoana moa no izahay vehivavy ihany no hanao ny tsena ? Nahoana no izahay ihany no hipasoka ? Nahoana no izahay ihany no hahandro sakafo, fa rehefa tonga ianao avy any am-piasana dia ity potsiro fotsiny ny bokotra, fa efa voakarakara ao ny zavatra rehetra.
Ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny ohabolana toko fahiraika amby telopolo, dia voafaritra mazava fa ny vehivavy tongalafatra ao amin’ny fiaraha-monina tatsinanana dia vehivavy matanjaka, mifoha raha vao maraina ary alim-pandry ao amin’ny ankohonany; vehivavy mahakarakara tokantrano, mikaroka fidiram-bola, manao izay hanatevenana ny harena ao amin’ny tokantrano; izany no vehivavy tao amin’ny sehatra tatsinanana.
Fa saingy teo amin’ny fiaraha-monina malagasy dia misy indro kely, izay soa ihany fa voaharina ankehitriny, dia ny kitay telo an-dalana natao lalàna mifehy ny fizaram-pananana ao an-tokantrano. Ny ampahatelony ihany no anjaran’ny vehivavy na dia samy efa mongomongo tao aza. Soa ihany fa voarina izany ankehitriny ka dia efa misasaka izao ny fizaram-pananana, ary afaka misafidy izay fomba hitondrany ny fitantananan-karena ny mpivady rehefa avy eo. Izany no anisan’ny anankiray izay anaovana ny fisoratam-panambadiana eo anatrehan’ny mpahay lalàna. Raha jerentsika dia ny vehivavy no antoky ny fahavitrihan’ny fiangonana. Misy fomba fisainan’ny ao amin’ny foibe FJKM, miala tsiny moa raha hoe ny ao amin’ny FJKM no ho raisiko, satria henoko matetika dia matetika amin’ireo fivorian’ny synodam-paritany na ny an’ny mpiandraikitra foibe izay nananako anjara nandritry ny fotoana maromaro, ny tenin’ny lehilahy mpitarika sy mpihevi-draharaha. Ataovy, hoy izy, izay hampitsetsetra ireo vehivavy ireo, fa rehefa tohina ireo dia mivoha ho azy ny poketrany. Ny dikan’izany dia manao rakitra be izy, ary mahomby ny fomba fiasa ao amin’ny Fiangonana. Tena natao ho technique de communication mihitsy izany ! Asa moa ianareo eto Toulouse na anisan’ny voadona tamin’izany koa. Fa raha ny tao amin’ny faritra izay niasanay aloha dia nisy nahitana ny fahamarinan’izany. Fa rehefa mitsetsetra eo, fa hain’ilay mpandahatra eo ny manazava hoe misy olona sahala amin’izao ka mila fanampiana ho azy ny evanjelistra,…sns… dia mahagaga kosa fa dia manao rakitra ny olona, ary tena mampihaiky volana hoe nahomby ilay paika sy ilay tetika. Dia sintonina sy taitairina amin’ny fihetsehampo izany ny vehivavy izay vao manao zavatra, izay vao miasa.
Tamin’ny farany teo isika izao, raha teo amin’ny ivon’ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny FPMA, tamin’ireo mpitandrina notokanana, firy ny vehivavy ? Isaina amin’ny rantsan-tanana an’ila. Dimy moa no voatendry, fa ilay fahadimy dia nifanojo indrindra tamin’ny fananany zaza, tamin’ny fiterahany izany, ka dia nangataka izy mba tsy ho tokanana satria mbola nareforefo. Efatra izany no vehivavy amin’ireo telo ambin’ny folo nitokanana. Asa moa izy ireo na antso toa inona no azony ? Tsy anjarantsika ny mamantatra izany, fa anisan’ny tetika izay tsy azo amaivanina ny fanairana sy ny fisintonana ny vehivavy amin’ny fihetsehampo. Ao amin’ny sahan’ny FJKM, ny ampahatelon’ny mpianatra teolojia ao amin’ny faculté, dimy taona lasa izay, dia ny ampahatelon’ny isan’ny mpianatra no vehivavy. Ary amin’ireo mpitandrina 1200 ao amin’ny sahan’ny FJKM izay mitantana fiangonana telo arivo manerana ny nosy, dia eo amin’ny roanjato eo ho eo no isan’ny vehivavy. Tena manao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy izy ireo, satria ny fitaizana ny ankohonana, ny fisakelehana ny ankizy, ny fikarakarana vady etsy an-daniny, ny famonjena fivoriana misesy dia misesy etsy ankilany. Kanefa dia mbola lasa ihany.
Ny zavatra mahavariana amin’izany toe-javatra izany dia manjary toa misy fanavakavahana, fanakatsakanana ny lalana ho amin’ny fandraisana ny vehivavy amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Manjary toa tsy omena fahafahana sy fahalalahana firy ny vehivavy eo amin’ny safidiny. Manjary voasokajikajy ny asan’ny fiangonana, ka dia lasa hoe ny fitondram-piangonana dia tsy mba asam-behivavy, fa ny fampianarana any an-tsekolim-piangonana, ny fanabeazana ny zaza maditra, ny zaza mania, izany no anjaran’ny vehivavy. Efa raharaha sarotra izany, kanefa dia voavakavaka hatrany ny lalana izoran’ny vehivavy amin’ny fitondram-piangonana.
Mbola tsaroako tamin’ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny fandikana ny Baiboly tamin’ny teny malagasy, dia nantsoin’ny tao amin’ny mampiely Baiboly aho hanao famelabelarana. Ny fikambanana mampiely Baiboly moa dia ikambanan’ny fiangonana FJKM, loterana, anglikana. Izay mety ho fiangonana protestanta dia samy ao avokoa. Teo amin’zay filazana ny fahafahana sy fahalalahana tokony homena ny vehivavy hisafidy ny fanompoana ny Fiangonana amin’ny fitondrana fiangonana izay, dia hitako nihisitrisitra ihany ireo pastora loterana satria ao amin’ny Fiangonana loterana dia zavatra tsy fahita mihitsy izany. Maningana dia maningana, vao haingan-kely foana taty Alemana no nisy fanokanana vehivavy ho mpitandrina. Tao amin’ilay zaikabe aza dia nanjary ohatra ny nisy nilaza hoe iny ilay Madama mpanavakavaka ny vehivavy sy ny lehilahy, iny ilay mpamporisika ny vehivavy hitondra fiangonana. Somary nalahelo ihany aho tamin’izay, fa nisy pastora nanao hoe: Ianao io, Madama, hamoha ra any amin’ny faritaninay, raha ianao io no handeha any aminay ! Dia niondrika fotsiny moa aho. Hoy aho hoe: fampianarana kristiana ange izany e ! Ny fampianarana kristiana dia milaza fa tonga Jesoa hanafaka. “Fa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo !” Ka inona no fatopatotra izay mandroy, na inona no tady izay mangeja ny vehivavy ka mahatonga anareo hanakatsakana azy tsy hitondra vahoaka ? Omeo azy ny fihofanana, dia aoka izy no hisafidy raha ho zakany izany fitondram-piangonana izany na tsia.
Teo amin’ny asam-pitandremana nataonay dia maro ireo tanora zazavavy vonona mba te-hanao teolojia; mahita an’izany hoe fitondram-piangonana dia mba te-hihofana amin’izany. Mahavatra manatona anay izy ireny, mba hidinika manokana aminay, dia manontany hoe: manao ahoana moa izany mitondra fiangonana izany, Ramatoa ? Nisy tanora 13 no nanao teolojia nandritra ny telopolo taona niasanay tao, ka nisy zazavavy efatra nanatona ahy, dia nahavatra nanontany mihitsy hoe ahoana marina izany mitondra fiangonana ? mety ho vitako ve izany ? Dia hoy aho hoe: aza mijery ny hoe ho mpitandrina amin’ny tanàn-dehibe, fa alaivo ny tenanareo ka ataovy hoe ho mpitandrina any ambanivohitra aho. Ho zakanao ve izany handeha an-tongotra hamonjy ny fivorian’ny Synodam-paritany miaraka amin’ny ankizy ?
Ary raha raisina indray ny mpitandrina amin’ny fiangonan-dehibe ? Enga anie ! Arahaba soa arahaba tsara ! Tsara tokantrano dia mba mahazo mpitandrina an-tanan-dehibe. Izany hoe izahay mivady aloha, efa nivady izahay vao voatendry ho mpitandrina amin’ny tanàn-dehibe. Fa na dia izany aza dia mafimafy ihany ilay izy, satria ao amin’ilay fiangonana no ahitanao sokajin’olona maro, ka voatery ianao, araka ny ataon’ny Apostoly Paoly hoe rehefa amin’ny olona manan-tsaina aho dia voatery manakatra ny sain’ireo intello ireo, ary rehefa amin’ny sarambabem-bahoaka aho dia maka ny toeran’ireo. Rehefa miresaka amin’ny mpiangona mpivarotra mangahazo sy mpivarotra anana eny Analakely sy eny Isotry, dia manjary miova indray ny tena amin’izay fotoana izay. Ary rehefa hiaraka amin’ny tanora mpianatro aho dia hafa indray koa ny voambolana sy ny fomba fiteniko amin’izay. Ary eto aho dia milaza hoe matoa aho tsy nijanona ho mpampianatra tany amin’ny ambaratonga faharoa (nampianatra tany amin’ny lycée Jules Ferry sy lycée Gallieni ho, fa nanana contrat tamin’ny fanjakana). Ny Fiangonana tamin’izany dia nanao tamiko hoe: aiza kosa, izahay mba manana olona sahala amin’izao, ka andao ianao hatao talen’ny sekoly ary Ambatobevanja …. Dia hoy aho hoe: efa taniketsan’ny Fiangonana ireo ankizy ireo, fa aoka indray aho mba ho any amin’ny taniketsa hafa hahazoako mitory ny Filazantsara aminy araka izay mba saim-pantatro. Dia somary gagagaga ihany ny olona. Na ny dorkasy tao amin’ny fiangonana nentinay aza dia tsy nahazo mihitsy hoe maninona no tsy hitany mihitsy aho isaky ny Talata tolakandro satria mampianatra fa tsy mba mamonjy ny fivorian’ny dorkasy.
Izany eo ihany, fa hoy aho hoe rehefa ny Zanaka no manafaka ny fatopatotra, dia tena afaka tokoa. Jesoa Kristy no namerina, nanainga ny vehivavy ho amin’ny tena toerany, tsy amin’ny teniny ihany fa teo amin’ny asany koa.
Raha hiverenantsika vakina ny Filazantsara dia hahita isika fa hatrany hatrany Jesoa Kristy dia niara-niasa tamin’ny mpianany lehilahy (12 lahy), fa nisy vehivavy maro koa nanaraka azy. Ny fanasana izay nisian’ny fahagagana voalohany dia fanasana niarahany tamin’ny vehivavy, ary vehivavy no nobaikoiny hanao ny asa fahagagana. Vehivavy no nanaradia an’I Kristy nanavatsava ny tany masina. Isan’ireny ry Maria sy Marta, izay vehivavy tena tiany, ka nahatonga fialonana teo amin’ireo izy samy vehivavy ireo. Raha tonga tao an-tokantrano Jesoa, dia samy mba nikarakara araka izay mba tokony hatao ireto vehivavy ireto. Misy ny sasany misorona afo any an-dakozia, ary misy mitorovoka eo an-tongotry ny Tompo mihaino ny fampianarany. Izany dia nahatonga an’I Marta hilaza hoe fa ahoana izao ? Nefa Jesoa nilaza taminy hoe Maria efa nifidy ny anjara tsara, fa ianao kosa, maro ahina sy be erehana. Ny mahavariana anefa dia izao: tsy mba nobaikoin’ny Jesoa akory Maria hoe mandehana amin’izay manampy an’I Marta any an-dakozia.
{mospagebreak}
Famelabelarana nataon’Atoa SOLOHERY Paul Mpitandrina,
Filohan’ny Vaomieran’ny Fanompoana
tamin’ny famaranana ny jobily
ny Asabotsy faha-19 Febroary 2000
nanomboka tamin’ny 7 ora hariva
tao amin’ny Vieux Temple, Toulouse
Ny Fiangonana mivoha eo anivon’izao tontolo izao

Ry rahalahy sy anabavy malala ao amin’ny Tompo ! Fifaliana ho anay mivady ny mandray anjara indray eto Toulouse , indrindra amin’izao famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona niorenan’ny FPMA izao.

Dia miarahaba manokana an’Atoa ANDRIAMIANDRA Elysée izahay, izay taizanay nokolokoloinay tao Isotry Fitiavana. Miarahaba indrindra an’Atoa RANDRIAMAHEFASOA Arilaza izahay, izay nifandray taminay an-tarobia sy an-taratasy nanasa anay mba hifarimbona aminareo. Miarahaba sy mirary soa an’Atoa RAZANADRAKOTO Benjamin sy Atoa ANDRIAMBOLOLONA Germain, mpitsena, mpampiantrano, mpikarakara anay izahay.

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho aminareo tsirairay avy, na ny manatrika na ny tsy manatrika. Ny zavatra nangatahanareo tamiko moa dia ny hoe: “Ny Fiangonana mivoha eo anivon’izao tontolo izao”. Dia avy hatrany aho dia mahatsiaro ny ohabolan-drazantsika hoe: “vato mpanajary vato, vy mpanajary vy, ary olona mifanajary samy olona”, izany hoe mifampitaiza, mifanainga, mifananatra ho amin’ny zavatra ambony tsy mety lefy. Dia hoy koa ny ntaolo razantsika hoe: “aza tsy tia olona fa ny olona anie no harena e ! Fihavanana anie tsy azo vidina e ! Fitia mifamaly anie mahatsara fihavanana e! Fitia tsy mivaly anie mahafohifohy fisainana e ! Mpisakaiza ny mpiara-belona, hoy ny ntaolo, mpisakaiza toa mpiombo-dray, mpifankatia toa mpiombo-dreny, atody tsy afindra reny, ro tsy afindra vilany”.

Manao ahoana ny fidobok’izany teny malagasy izany amintsika, tompoko ? Manja a !

Ary izay toe-panahy izay, izay maha-malagasy ny tena izay, no isaoranay ny Tompo, raha nirahany tetsy sy teroa izahay: amin’ny alalan’ny Synoda FJKM, amin’ny alalan’ny Vokovoko manga any Madagasikara sy eran-tany miady amin’ny zava-pisotro mahamamo sy mahadomelina. Noho ireo andraikitra roa samy hafa ireo dia isaorana ny Avo indrindra fa tapitra voavangiko izao tontolo izao. Ny renivohitr’i Eopopa rehetra, afa-tsy Albanie, (efa azoko ny passeport fa saingy nisy an’io fanampin’anarana hoe Paul io tamin’izany, fa nahery vaika ny kominista tany. Tsy mila kristiana aty, hoy izy. Dia tsy nomeny ahy indray ilay izy. Izay no tsy nahitako an’I Albanie). Moyen Orient, ny Asie manontolo dia tapitra voavanginay mivady. Amérique, Canada avaratra, atsimo, afovoany dia tapitra voavangy. Afrika, izay zanatany anglisy indrindra indrindra dia nanirahana anay hatrany hatrany.

Fa ny sangany tamin’ireny famangiana ireny, dia ny nanirahana anay hangataka ny Baiboly voalohany tao amin’ny Foiben’ny LMS ao Londres. Ary faharoa, ny kapoaka nisotroana ny fanasan’ny Tompo voalohany tany Madagasikara. Tsy mora ny andraikitra tamin’izay. Niolanolana teo ny biraon’ny LMS hoe ny anareo ilaozanareo dorana koa. Izay mba anankiroa sisa tavela eran’izao tontolo izao ve dia homenay anareo indray koa ? Niangavy tongotra aman-tanana teo aho. Iraka anie aho, hoy aho e ! Efa voarainareo mialoha ny taratasy. Eny e ! Voarainay fa ohatra ny zavatra maivana aminao, hoy izy, izany hoe ny Baiboly voalohany izany, ka ho angatahinareo maimaim-poana. Lany teo ny ora iray.

Ny amin’ny kapoaka, hoy izy, dia tsy omenay mihitsy, satria efa tany Chine koa io, ka sady an’I Chine no an’I Madagasikara. Alefao re, hoy aho, fa ianareo koa. Fankalazana ny faha-150 taona re e ! Io dia tsy omenay izao, fa any aoriana dia mbola hieritreritra izahay.

Ary manontany anao izahay, hoy izy, ianao ve manana assurances tamin’ny fiaramanidina nandehananao aty hitondranao an’ilay Baiboly ? Assurances ? Tsia, hoy aho. Manao kitoatoa mihitsy ianareo malagasy, hoy izy. Baiboly voalohany: amina milliards des milliards de dollars anie ny vidin’izany, hoy izy, raha hatao amin’ny ara-bola ara-nofo e ! Ka na dia ny assurances akory aza dia tsy nalaina ho amin’ny avion ? Tsia ! Aoka, hoy izy, fa telo lahy izahay no hitondra iny Baiboly iny ho any aminareo, ary eo Antsahamanitra no hanoloranay azy ho an’ny besinimaro, ho an’ny mpianakavin’ny finoana. Fantatrareo amin’izay ve ny lanjan’ilay Baiboly voalohany, tompoko ?

Ato amin’ny Korintiana voalohany toko fahasivy, ny andininy faha-19 ka hatramin’ny faha-23, ho vakiko aminareo amin’ny anaran’ny Tompo: “na dia afaka amin’ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ihany ny tenako, mba hahazoako maromaro kokoa: tamin’ny jiosy dia tonga toy ny jiosy aho mba hahazoako ny jios; tamin’izay ambanin’ny lalàna dia tonga toy izay ambanin’ny lalàna aho, na dia tsy ambanin’ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ny lalàna; tamin’izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho, kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin’Andriamanitra aho, fa ambanin’ny lalàn’I Kristy, mba hahazoako izay tsy manana lalàna; tamin’ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany, na iza na iza. Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny Filazantsara, mba ho tonga mpiombona aminy aho”.

Fatratra izany idealin’I Paoly izany: mahay manavia manavanana eo anivon’izao tontolo izao, mba hahazoana olona hanaiky ny fitiavan’i Kristy. Tsy mora izay ! Indray mandeha Paoly dia dedadedaka! Teo anatrehan’ny filozofa katrakatraka izy tao Atena, teo amin’ny havoanan’I Areopago. Nanazava ny momba ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty izy, ka filozofika be re ny nanazavany an’ilay izy. Niomehezan’ny olona teo izy. Nakorain’ny olona teo izy hoe: Mandehana, hoy izy ! Mbola hihaino anao ihany izahay e ! Hatramin’izay Paoly dia fay. Rehefa miteny an’io sangan’ny Filazantsara io, dia Kristy mijaly, Kristy maty, Kristy mitsangana amin’ny maty, nandeha amin’ny fahatsorana izy sisa. Tsy nandeha amin’ilay zavatra katrakatraka, avo dia voa, ara-tsaina dia ara-tsaina. Zavatra nataony tsotsotra sisa no fanazavana ilay fitsanganan’I Krysty amin’ny maty. Izay fiangonana rehetra nalehany, io no fototry ny fampianarany.

Dia mba namadibadika aho, namadibadika ity lalàmpanorenana ity aho. Dia hitako ato amin’ny takela fahefatra ato fa hoe: izao no zavatra kendren’ny FPMA sy ny asany: ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny olona rehetra, indrindra amin’ny teratany malagasy, monina na mivahiny eto Frantsa sy any an-kafa koa; ny fanompoana sy fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanompoam-pivavahana atao amin’ny teny malagasy; ny fampielezana ny finoana sy ny toe-piainana kristiana, amin’ny fitoriana sy fampianarana ny Tenin’Andriamanitra izay ezahana atao amin’ny teny malagasy; ny fanolokoloana sy fanabeazana ara-panahy ny mpikambana mba hitomboany sy hivelarany amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra; ny fitarihana ny mpikambana handala sy hitahiry ny kolotsaina malagasy mba hahafahany mampiasa izany ho fitaovana mahomby amin’ny fijoroany ho vavolombelona.

Toa niverimberina teo, hoy aho, ny maha-malagasy ray olona e ! Dia nojereko indray ity diary ity. Mino aho fa manana an’ity ianareo. Ato amin’ny takila faha-12 no misy ny zavatra kendren’ny FPMA: manamafy eo amin’ny fiainam-piangonana ny fampiraisana ny kristiana protestanta malagasy; mampiray ny protestanta malagasy aty an-dafy hamaly ny antso iombonany, dia ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra; mandala ny lafiny maha-malagasy (omeny lanja manokana ny fampiasana ny teny malagasy eo amin’ny fanatanterahana ny fanompoampivavahana, kolokoloiny ny maha-malagasy eo anivon’ny firenen-tsamihafa samy manana ny maha-izy azy araka izay nanaovan’Andriamanitra azy; manomana ny kristiana protestanta malagasy amin’ny andraikitra rehetra tandrifina azy any an-tanindrazana).

Ka raha nitety an’izao tontolo izao izany ny tena, voalohany indrindra, vy miaina ato anaty dia izao: ny fitiavan’i Kristy no manery; faharoa manarakaraka izany, ny finoana, finoana velona, finoana lalim-paka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, finoana izay setrin’ny Tenin’Andriamanitra, valin’ny fahasoavan’Andriamanitra, finoana izay fifatorana amin’Andriamanitra, fanekena an’Andriamanitra, fanoavana Azy antsakany sy andavany, ary mivelona amin’ny fanantenana, fanantenana ny fiainana mandrakizay.

Ary gaga aho, ray olona, fa ato amin’ity Baiboly ity dia tsy mba misy teny famaritana hoe inona ny fitiavana. Indray mandeha monja i Paoly no milaza hoe ny fitiavana no fehin’ny fahatanterahana, ao amin’ny Kolosiana toko fahatelo. Indray mandeha monja ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo no milaza hoe ny finoana dia… Inona ? Fanantenana ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Indray mandeha monja koa ato no misy ny famaritana ny fanantenana. Vatofantsiky ny aina, hoy ny epistily ho an’ny Hebreo toko fahenina, vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika. Ireo izany izao: fitiavana, finoana, fanantenana, no entina amin’izay, mamakivaky an’izao tontolo izao.

Mila fiomanana izany satria tsy dia mora arak’izany ilazana azy izany. Indray mandeha izahay mivady nandray train, tany Irak izany, handeha ho any amin’ny Fiangonana. Izao mihitsy no fipetrak’I Ramatoa, tsy misy saron-doha, tsy misy na inona na inona. Hanky va re, hoy ilay arabo. Soa ihany fa teo akaikin’ny vadiko aho, fa raha tsy izany dia efa hitako tamin’ny fihetsiny fa ohatra ny te-hanao hoe: ho vonoanay ho faty ity, fa inona no iheverany anay ? Izao ve no entinao aty aminay ? Ka hatrany amin’ny fisehonao sy ny fitafianao dia ilàna fitandremana, alohan’izay zavatra ho ambaranao aminy, lazainao aminy, zarainao aminy. Tsy mora.

Amin’izay toerana alehanao rehetra dia tsy maintsy misy olana foana. Fa tsy anao ny teny. Ianao mpitondra teny fotsiny. Ataovy amin’ny maha-malagasy anao. Manintona ny olona izany. Asa, efa zatra an’izay maha-izy azy izy, ka nony injay mandre zavatra hafa, fomba hafa, fihetsika hafa, nefa dia Baiboly iray ihany anie no lazaina e ! Fanahy iray ihany anie no lazaina e ! Andriamanitra Fitiavana iray ihany anie no lazaina e ! Nefa dia ohatra ny vaovao aminy, ohatra ny manaitra azy, ohatra ny manintona azy.

Dia mijery aho. Tadidinareo moa fa roa ny zanak’I Abrahama ? Ny iray Isaka, zanany tamin’I Saraha, ary ny iray Ismaela, zanany tamin’I Hagara mpanompovaviny. Avy amin’ireo anie no mahatonga ny fifandonana amin’ireo palestiniana sy jiosy ireo e ! Tsy mety lefy ireo na hiolan-ko vato na hiolan-ko vy. Ka inona no hevitr’ilay teny hoe Ismaela ? Andriamanitra mijery. Andriamanitra manara-maso. Dia nambinin’Andriamanitra ilay zaza, hoy ny bokin’I Genesisy. Dia nitombo izy. Dia nitoetra tany an’efitra izy. Dia nandefa zana-tsipika izy. Mitombo, mipetraka any an’efitra, mandefa zana-tsipika, izany hoe manomboka miomana miady ny ady tsaran’ny finoana izy. Izay no tena tian’ny Baiboly lazaina. Hatramin’ny fahazazany mihitsy dia efa voataizan’I Hagara izy, izany hoe, ianao, anaka, arahan’Adriamanitra maso anie ianao e ! Tiany ianao, lalainy ianao, ka mijoroa ho lehilahy.

Dia mahatsiaro izany andron’I Jeremia mpaminany sy Anania mpaminany. Ny iray dia mpaminany marina. Jeremia izay. Ny iray kosa indray, mpaminany adala, mpaminany mandainga, mpaminany sandoka. Mahagaga anefa fa ny teny lazain’ity mpaminany sandoka ity dia mampilendalenda, mahafinaritra. Tsy haninon-tsy haninona isika, hoy izy. Hitratrevatreva amintsika ny babyloniana, nefa misy fetra izany. Roa taona monja isika no any am-pahababoana dia miverina soa aman-tsara indray. Tsia, hoy Jeremia. Tsy izany no tenin’Andriamanitra. Tsy izany zavatra mandeha ho azy izany. Tsy izany zavatra ohatra ny hoe voapasoka ho azy izany. Tsia ! Tsia ! Tsia ! Diso ! Soraty ry Baroka mpitantsoratra fa izao no tenin’Andriamanitra: hahita fahoriana ianareo, hijaly mafy ianareo any an-tany fahababoana, kanefa dia izao, misehoa ho mirana endrika. Izany hoe ao amin’ny fiainana faran’izay mangidy, manàna finoana velona, manàna endrika mirana, ary manompoa an’ireo fahavalonareo nitondra anareo ho babo ireo. Karakarao ny toe-karenany. Miandania aminy. Jereo maso ny politikany. Raha azo atao, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ampanambadio. Ha ! hoy ilay mpaminany sandoka, inona ity teneninao ? Asainao manambady jentilisa izany ny zanatsika, ny zanaky ny finoana, ny zanaky ny teny fikasana ? Izany no tenin’Adriamanitra, hoy Jeremia. Raha tena jerena amin’ny saina tsy miangatra, iza no tsaratsara kokoa e ! Toa ny tenin’ilay adala no toa mahafinaritra ! Tsy dia haninona loatra iaareo, fa vetivety monja anie no ho any an-tany fahababoana dia hiverina e ! Inona koa no vetivety teo fa naharitra elabe ! Maty tany an-tany fahababoana tany ilay mpanjaka, Joiakina. Maty tany ! Ka ny an’iza no marina ? Ny an’I Jeremia ! Hitanareo amin’izany ny fomba fihetsik’Adriamanitra eo anivon’izao tontolo izao. Tsy lalan-tokana ohatra an’izay no fandehan’Adriamanitra, fa indraindray dia zavatra mipitsoka ao amin’ny sainao, ao amin’ny fiheveranao. Ny fisainako tsy fisainanareo, ny fihevitro tsy fihevitrareo, hoy ny Tompo.

Koa amin’izany dia tsy maintsy milona, milona, milona ao amin’ny fiainam-bavaka hatrany hatrany, raha te-hamakivaky an’izao tontolo izao amin’ny maha-malagasy anao ianao. Tsy maintsy milona ao amin’ny fiainam-bavaka ! Ny ganagana anie, tompoko, mba ohatra ny mitsofoka ao anaty rano, fa tsy mety lena mihitsy ny tenany e ! Ka aza heverinareo fa isika kristiana ihany no miteny firahalahiana, no liteny fahafahana, no miteny voninahitra. Ny mpanompo sampy koa mba miteny an’izany. Ny bodista koa miteny an’izany. Ny hindoista koa miteny an’izany. N’iza n’iza dia miteny an’izany. Ny mpivavaka koa miteny an’izany. Fa inona sisa izany no mampihavaka ny antsika e ! Hay voambolana iray izao ihany, ka mifono zavatra hafa ? Ny antsika mifono inona ? Mifono herim-pitiavan’Andriamanitra. Mifono ny fahasoavan’Adriamanitra. Milona, lena mihitsy isika, kotsa mihitsy, kotsan’izay fitahian’Adriamanitra izay fa raha tsy izany dia tsy hisy dikany ny zavatra lazaintsika sy ambarantsika.

Ka inona ary izao no tena tiana ho lazaina e ! Ity Baiboly ity izany izao, ilay ho ambarako, zaraiko, raisiko. Fa ity tenako ity koa , hay, dia Baiboly ! Baiboly misokatra ho vakin’ny olona. Ny teniko, ny fisainako, ny fihetsiko dia Baiboly koa. Ka ity Baiboly Soratra Masina ity sy izaho dia kapoka iray, fa raha vao tsy izany dia tonga amin’ilay fitenenana hoe Baiboly rovitra. Ary be dia be ny kristiana Baiboly rovitra, tompoko. Toa ohatra ny…, kanefa tsy izany tsinona. Ny Baiboly dia loharanon’ny fahamarinana sy fiainana. Ny Baiboly dia lalan’ny vahoakan’Andriamanitra. Izaho, hoy Martin Luther, izaho dia mino. Nefa tsy mino amin’ny heriko na ny saiko aho, fa amin’ny finoana an’I Jesoa Kristy sy amin’ny fanoavana Azy ihany. Tsy amin’ny saiko, tsy amin’ny heriko izany.

Rehefa mandeha atsy sy aroa ianao ka mitory an’io Jesoa Kristy miombo amin’ny Hazo Fijaliana, maty ka nalevina, mitsangana amin’ny maty io, … Niteny an’io izahay indray mandeha tany amin’ny bodista, tany Srilanka, dia hoy ry zareo, mitsangana amin’ny maty… Ny anay Boudha, avia ianao raha hijery. Io ny taolany, taolana kely anaty vata volafotsy mamirapiratra. Ary ny anareo, mba aiza izay taolan’I Jesoa ? Ny anay anie ka tsy nisy taolana notehirizina, hoy aho, fa nitsangana tamin’ny maty Izy dia niakatra any an-danitra. Ento any fa tsy ilaina, hoy izy. Kiribiby re izany !

Indray mandeha izahay dimy mianadahy, nasain’I Kimilsoung. Henony fa hoe Ingahy Ratsiraka sy ny AREM ao dia tena mampandroso be dia mampandroso be ny fampianaran’I Kimilsoung. Ary misy mpitandrina mafy loha ao. Izany no fandrenesany azy, hoe mafy loha, ka mba hasao hankaty. Tonga tany ary izahay mivady niaraka tamin’ny katolika telo. Be dia be ny fitaizana isaky ny maraina sy isaky ny hariva. Ny tolakandro dia entina mitsangatsangana, entina mijery zavatra mahafinaritra. Hoy izahay hoe, mahafinaritra daholo izany, fa aiza ny fiangonana e ! Fiangonana inona, hoy ry zareo ? Fiangonana aty aminareo, hoy aho tamin’ireo mpandika teny telo lahy ! Fa angaha tsy mba misy fiangonana kristiana aty? Misy, hoy izy, fa tsy eken’ny prezidanay. Lazao ny prezidareo, hoy aho, hoe: tonga ao hono ilay mafy loha mba te-hijery ny mpiangona namany. Tsy tao an’eritreritro mihitsy ny ho aty Kore Avaratra, fa nasaina aho. Ka mba zoko ny mangataka izany. Injay fa nanaiky tao amin’ny telefaona. Ekena, hono, fa telo lahy, hono, izahay no hiaraka aminareo mivady. Nony tonga tao am-piangonana izahay dia nihira ny “Enga anie ka homba anao, Jesoa”. Nipatrapatraka daholo ny ranomason’izy mianakavy. Hay koa iny hira iny ka misy amin’ny teny koreana. Rehefa vitanay tamin’ny teny malagasy ny andininy vialohany dia notohizan-dry zareo tamin’ny andininy faharoa amin’ny teny koreana. Nitomany izy mianakavy. Izahay mivady koa nifanohina dia mba nipatrapatraka ny ranomasonay. Nony nirava dia nanontanianay izy telo lahy: mba ahoana no fiheveranareo ireny fihaonana teo ireny ? Asa, hoy izy, fa ohatra ny misy zavatra manainga …! Eny , hoy izahay. Izay no atao hoe asan’ny Fanahy ! Fanahy inona, hoy izy ? Fanahin’Andriamanitra, hoy izahay ! Tsia ! Tsy misy Andriamanitra, hoy izy. Ianao no andriamanitra, ianao no nandray tanana ny vadinao teo, ianao no nihira teo, koa lazainao fa andriamanitra, andriamanitra…

Ny olona mahavelon-tena, ny olona afaka miady samy irery, izany anie no fampianaran’ireo olona miteny fahafahana, miteny firahalahiana ireo e ! Amin’ny alalan’ny tenanao irery dia mahavita zavatra ianao. Ka ho lava ny tantara fa ao amin’ny fanontaniana ianareo dia mbola afaka hilaza hoe ny tary amin’ny firenena tary mba tantaraina anay, tompoko. Ireo firenena be dia be sy ireo kontinanta ireo dia efa tapitra hita, ka isaorana ny Tompo.

Fa hitanay tamin’izany ny lanjan’ity Filazantsaran’ny kristiana ity. Fa izao anefa: mampitandrina ny Baiboly, mampitandrina ny mpitory ny Filazantsara, mampitandrina ny mpianakavin’ny finoana. Averimberiny ao izany hoe tery ny lalana mankany amin’ny fiainana, tandremo ny tenanareo amin’ny amboa, tandremo ny tenanareo amin’ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ny voakilema. Lazaiko aminareo amin’ny fitomaniana, hoy Paoly Apostoly, fa be dia be no mandeha ho fahavalon’ny Hazo Fijalian’I Jesoa Kristy. Dia ampiany indray ary amin’ny epistily ho an’ny kolosiana ary: vonoy ny fiainanareo ety an-tany, ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fiheretam-po, ny fiheveran-dratsy. Vonoy, esory, itsakitsao, dory. Ary rehefa avy eo dia itafio ireto karazana fitafiana fito samihafa ireto: fahari-po, fahalemem-panahy, fandeferana …sns…, ary ambon’izany rehetra izany ny fitiavana, izay fehin’ny fahatanterahana rehetra, mamatotra ireo harem-pahasoavana ireo. Asaina mitandrina izany isika eo amin’ny fiainantsika manontolo. Asaina miambina isika. Ny epistilin’I Filemona dia epistilin’ny fiambenana. Eo ampiandrasana ny fiverenan’I Kristy dia miambina fa sao ho voa, sao dia manafintohina an’Andriamanitra, sao dia mandratra ny rahalahy mbola malemy finoana. Azonao atao daholo ny zavatra rehetra, satria olona afaka ianao, araka ilay teny manao hoe afaka amin’ny olona rehetra aho, kanefa mpanompon’ny olona rehetra. Olona afaka ianao kanefa mitandrema fa sao mandona, mamono ny fanahin’ny olona izay nanoloran’I Kristy ny ainy, fa maty ho an’ireny Izy ho famonjena azy, ary nitsangana tamin’ny maty ho an’ireny Izy ho fanamarinana azy.

Any amin’izay alehanay rehetra rehetra any, dia mahagaga fa ny zavatra tena anontanian’ny olona, alohan’ny maha-kristiana sy ny maha-olona sy ny hoe finoana gasy sy ny fihetsehana gasy, dia ny hoe manao ahoana aloha ny gidro any aminareo ? Oadray ! Gidro moa ity no mba hahalalany an’I Madagasikara ! Manao ahoana ny ala any aminareo ! Any amin’ny zavatra tsy ampoizinao daholo no mifatratra ny fanontaniana. Dia ao koa ny hoe: ary ahoana izany famadihana any aminareo izany ? Dia voatery manazava ianao. Ny famadihana dia tsy dia anay loatra fa an’ny vahiny nolovanay. An’ny tatsinanana izy io. Ny famadihana aminay dia fiombonan’ny mpianakavy. Ny anankiray tamin’ny fianakaviana angamba no nanonofy, ny anankiray angamba no naniry hahazo zaza, naniry hahazo fahasalamana, naniry handeha ho any am-pitan’ny ranomasina, dia tairiny daholo ny rehetra hoe andao havadika I Dada sy Neny fa mba mila fahasoavana aho. Izany ny famadihana. Misy an’ilay fiombonana, izay tsy mora velively. Eo no itaizana ny tanora hoe ho lasan-ko vovoka ianao any andro any volana ka tandremo ny fiainanao. Aoka ho tokam-po, apka hanaja ny firaisan’ny fianakaviana. Tsy maintsy milaza izany. Fa inona no banga eo amin’izany fanazavana ny amin’ny famadihana izany ? Iniana tsy lazaina amin’ny taranaka ankehitriny anie fa tsy misy famadihana azo atao raha tsy nisy fihaonana tamin’ny ombiasy aloha ! Ny ombiasy no manondro ny andro fa tsy ny fianakaviana akory. Izy no manondro ny andro tsara, fa raha atao amin’ny andro hafa, hono, dia ho lany ripaka ny fianakaviana. Avy eo, iny amin’izay ny loham-pianakaviana fa mihodidina im-pito manodidina ny fasana. Tsy mba lazaina amin’ny tanora izany. Dia maninona rehefa miodinkodina ? Miantsoantso hoe: Ô Rahanona a ! Ho avy izahay amin’ny Alakamisy e! Aza mandehandeha intsony e ! Miverena tsara ao amin’ny taolana sy ny vovoka sisa tavela e, fa hiara-bataina amin-dry Ranona.... Dia miresaka amin’ny maty eo. Izany hoe, ilay kristiana nodimandry ao amin’ny Tompo iny dia antsoina indray. Manongilan-tsofina ny vahiny mandre izany fanazavana izany. Dia ampiana indray hoe: taloha izy io dia tsy maintsy asiana toaka. Izao dia efa diovinay ka tsy misy toaka intsony. Hay ! Toa renay anefa, hoy ny mpihaino, fa toa mihisatra tsy mety mandeha, hono, ny fiara mpitondra faty raha tsy asiana toaka ? Eny e ! Marina izany ! Dia inona no ataonareo? Dia hitanay aloha ilay mpitondra fiara fa dia atsipitsipiny eo amin’ny kodiarana eo ny toaka dia mandeha ny fiara. Dia gaga izy, fa toa mbola ampiasaina ihany ny toaka.

Ka ny olona any ivelany dia liana dia liana mihitsy. Mipoapoaka daholo izao fanontaniana tsy ampoizinao mikasika ny antsipirihan-javatra rehetra izao. Koa tsy maintsy mivonona isika hahalala ny kolotsain’io firenena io amin’ny ankapobeny, ary tsy maintsy mahalala izay maha-isika antsika isika: inona no tena maha-isika antsika, inona no efa norantsanantsika, nodiovintsika, nanasorantsika, nanalantsika. Betsaka anie amin’izao fotoana izao no manararaotra ny fandevenana hamonosan-damba ny ray aman-dreny e ! Lafo tsinona ny fiainana. Tsy mila famadihana intsony anie ny ankabetsahan’ny olona amin’izao fotoana izao e ! Lafo mantsy ilay izy, ary ny fiainana midangana. Fa izay manao kosa moa dia mbola manao foana. Misy tsy manadio na inona na inona, fa dia ilay fomban-drazana taloha madio mangarangarana iny no mbola entina amin’ny taonjato fahiraika amby roapolo sy faharoa amby roapolo. Ka samy manana ny fihetsiny ny olona.

Ny Synoda dia tsy afaka hiteny mivatravatra hoe tsy misy mahazo mamadika ny kristiana na iray aza, na tsy misy mahazo misotro toaka intsony ianareo. Taloha, ireo misionera tany amintsika, na presbyterana izy, na koekra izy, na batista izy, na inona izy na inona, raha vao hiditra katekomena ianao, dia tsy mahazo mifoka sigara, tsy mahazo manao haingo diso toerana an’Antananarivo, tsy mahazo misotro toaka, araka ny lalàm-piangonana, fa tsy maintsy croix bleue daholo. Ary taloha ary ny fihirana dia niampy ny hiran’ny vokovoko manga. Fa taty aoriana dia natao hoe: aza dia tery saina ohatra an’izany re e !. Misy ny abstinance totale ary misy ny tempérance totale. Tsy ny fitsipi-piangonana na ny lalam-piangonana no ambony noho ny lalàm-pitiavana.

Ekena fa ny fanjaka’Andriamanitra sy ny fivavahana kristiana dia manana fanalahidy anankiroa, dia ny fitaizam-panahy (doctrine) ary ny lalàm-piangonana na ny fitsipi-piangonana. Tsy maintsy ilaina ireo fanalahidy roa ireo. Kanefa dia tsoriko aminareo mihitsy fa ny ambonimbony kokoa noho ireo dia ny lalàm-pitiavana. Rehefa misy olana lehibe dia lehibe, dia sarotra ny mitady ny lalàm-pitiavana noho ny artikla fahizao sy ny artikla fahizao. Miditra amin’ny votoatin’ny kristianisma izao isika. Eo amin’ny fahalalanao ny votoatin’ny Baiboly, ny zava-miafin’ity Baiboly ity, ny voninahitra mavesatra ho lovanao amin’ny andro farany, kanefa dia santarinao izao sahady, dia tsy mandeha ho azy, fa mila fihofanana ary mila fiomanana.

Tsy fantatro ianareo aty Toulouse , fa naseho anay ny album androany naraina. Faly aho nahita fa hay mahazo manao folklore ianareo aty ? Arahabaina ! Izahay dia tsorina aminareo fa tao Strasbourg dia amin’ny alalan’ity vakomanitra, ity vakodrazana malagasy ity, dia vahoaka tsy hita intsony mihitsy no manatrika anay, fa hainay ny manararaotra hoe indreto fa tonga hanatrika lanonana, ka araraoty haingana, ataovy mihitsy izay idiran’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fomba tsotra. Mpitandrina sy étudiants en théologie mantsy no be dia be ery amin’ny sehatra ery e ! Nony injay aho nitondra fiangonana nandritry ny telo taona dia mbola nanohy ny gasy namako. Ninia tsy nankany aho, fa sao dia tafintohina eo ny mpiangona ka hanao hoe: ary ilay mpitandrinay toa tsy mahay miaina ery amin’ny sehatra ery ! Ninia tsy nandeha tany aho. Nony herin’iny anefa, hay ireto mpiangona tandremako rehetra ireto dia tany daholo fa hoe hanao folklore indray ny malagasy. Tsy tany aho. Tsy nanatrika akory aho. Taloha aho dia nandray anjara mihitsy, fa izao aho , tsy tany. Bedy aho, ilehiretsy. Naninona ianao no tsy tonga , hoy ny mpiangoko ? Naninona ianao no tsy mba nitsngana tery amin’ny lampihazo ? Tsy sahiko ny nanazava tamin-dry zareo hoe sao dia malemy finoana ianareo ka ho tafintohina hahita ahy ery amin’ny sehatra, dia naleoko tsy nandeha. Mba tsy afaka aho tamin’iny, hoy aho.

Ka hoy aho aminareo: kolokoloy ny vakomanitra. Ianaro ny hiran’ireo faritany samihafa any amintsika ireo. Izany alahelonay komitin’ny faha-150 taonan-dRasalama izany anie ka lalina e ! Telo lahy izahay tao amin’ny mpiandraikitra foiben’ny FJKM no niarahana hamingy ny ambasady rehetra ao Antananarivo , handeha hangata-bola, fa hoe hanao sinema sy hanao inona avy momba an-dRasalama. Ny vola hisy, fa aiza ny senario, hoy ny mpanome vola. Tsy nisy malagasy vonona hanao senario. Ny vonona hangata-bola dia betsaka, fa ny hoe hitrandraka izay zavatra hatao momba ny tantaran-dRasalama, tsy nisy. Ity no saika omenay anareo, hoy ny amerikana, kanefa satria tsy tonga ara-potoana ny senario, ary tsy fantatra hoe iza sy iza avy no ho eny amin’ny sehatra, dia azafady fa tsy omenay. Tsy nahazo varifitoventy ! Henonay fa tany atsimo tany, tany Toliara tany, Pastera James ANDRIAMASINORO, dia nahavita ny tantaran-dRasalama. Ny diakonindahy sy ny diakonimbavy ary ny dorkasin’I Toliary dia nahavita kasety video adiny iray momba ny tantaran-dRasalama. Dia nanontany an’I Pastera James aho: Ingahy ve no nanoratra ny senario ? Eny hoy izy. Sambatra Ingahy, hoy aho, fa izahay dia maro ohatra ny tanam-poza ao Antananarivo , fa tsy nisy nahavita senario momba an-dRasalama na iray aza.

Ka indraindray isika dia tsy mahay mampiasa izay maha-isika antsika, amin’ny taozavatra, ohatra. Resin’ny tatsinanana ! Ny any Asie du Sud-Est dia milaza aminao aho fa mora zavatra ry zareo. Misy tsara, fa misy maolimaoly ratsy, hoy ny filazantsika azy. Dia tena tsy mandeha aty andafy mihitsy ve ireny taozavatra malagasy ireny, sa lafo be ny sarany e ! Nahoana isika no toa mitanaka fotsiny ? Songonan’ny afrikana, ka songonan’ny aziatika, ka… Asa anefa, fa izaho angaha no tsy dia mahita loatra ? Fa tsy ampy !

Tsy ampy ny mpanoratra teatra na tantara atsangana, hoy isika. Fa eto amin’ny hira kosa aloha dia lasa lavitra isika e ! Mahafinaritra ny FJKM mihitsy ny miantso ireo mpanan-talenta lahy sy vavy mampiseho ny hira tena malagasy fa tsy mifangaroaro amin’ny an’ny vahiny, ilay tena malagasy, ba malagasy, tononkira malagasy, zafindraony. Manentana mihitsy anie ny Synoda FJKM tompoko e ! Ary izany fiangonana katolika izany, hatramin’ny Papa Jean XXIII, dia mahaforona hira be dia be, dihy be dia be. Fikarohana mafy dia mafy mihitsy no ataon’ny katolika amin’izao fotoana izao. Fa isika, asa na matahotra ho voapentipentin’ny loton’izao tontolo izao, na matahotra didy aman-dalana sy fitsipika, na maninona, fa hoy aho hoe: raha tena te-hitory ny Filazantsara marina ianao amin’ny maha-malagasy anao dia trandrao ireo ohabolana ireo, trandrao ireo hevi-teny lalina ireo, dia mandehana amin’izao herinao izao fa ampy ho anao ny fahasoavan’ny Tompo.


{mospagebreak}
Fizarana III

TAHIRIN’NY TORITENY NATAO NANDRITRA NY FANKALAZANA

Toriteny nataon-Atoa Emmanuel RAKOTO, Mpitandrina
tamin’ny fanompoam-pivavahana
nanatanterahana ny jobilin’ny mpitandrina
ny Alahady faha-5 Desambra 1999
nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro
tao amin’ny Vieux Temple, Toulouse

“Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny Anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Israely”
(Asan’ny Apostoly 9: 15)

Voasambotra ny lehilahy, ka tsy afaka ! Voasambotr’Ilay mahery, Ilay tia azy, kanjo nenjehiny sy nankahalainy tamin’ny sainy sy ny fony ary ny heriny manontolo. Tao anatin’izany fikomiany izany indrindra anefa no indro izy lavon’Andriamanitra.

Raha ny marina dia efa ela ihany no nahazo ilay “fandrika” : nanatrika teo ny lehilahy tamin’ilay fitoraham-bato an’I Stefana; tsy nanatrika fotsiny aza fa nankasitraka sy nandray anjara an-kolaka (izy no nataon’ireo mpamono mpitan-damba tamin’izay !). Tsy nampoiziny ny zava-miafina nihatra taminy: nanindrona azy mangina ny zava-nitranga, indrindra fa ilay teny farany nivoaka teo am-bavan’ilay voaheloka hoe: “Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao” (Asa 7: 60). Teo izy no efa nifindran’ilay “pitik’afon’Andriamanitra”, saingy nototofany lalina dia lalina tao an-tsainy tao. Nihevitra izy fa tia an’Andriamanitra, ary tsy nisalasala ny amin’izay fomba rehetra hitiavany Azy, na dia ny fampiasan-kery aza. Izany fisainana izany indrindra no nahatonga azy hifofofofo hanenjika izay rehetra mamofompofona Filazantsara. Fankahalana mifono fiarovan-tena ny azy, ady sy tolona ifanaovany amin’Ilay tia azy.

Teny an-dalana ho any Damaskosy no tonga tamin’ny faratampony ny ady. Tsy misy mahalala ny antsipirian-javatra nitranga. Na dia ireo olona niaraka taminy akaiky aza dia voalaza fa ampahan-javatra ihany no fantany: “Nandre feo izy, nefa tsy nahita olona” (and.7). I Saoly irery ihany, izay niaina tanteraka tao anatin’izany fahagagana izany, no nahatsapa akaiky dia akaiky izay nanjo azy. Na dia izy aza tsy nahita teny firy hilazany ny zava-dalina niainany. Ny zava-dehibe dia izao: teto izy no lavon’Andriamanitra tanteraka. Resy izy, ary sambatra izy fa resy. Niverina ho toy ny zaza vao teraka ny tenany: nalemy izy, jamba nila mpitantana mihitsy aza; telo andro sy telo alina tsy nisakafo. Tsapany fa maty tanteraka ilay naha Saoly azy taloha, ary natsangana ho olom-baovao izy, “tamin’ny andro fahatelo” (and. 9). Ilay kapoka mafy sy fitsapana nahazo azy teny an-dalana no nahazoany nihaona akaiky dia akaiky tamin’Andriamanitra, ka nitondra fahafahana ho azy sy fiadanam-po vaovao. Teto izy no afaka nifampiresaka voalohany tamin’Ilay Mpamonjy sy Andriamaniny; teto no nahatsapany fa mahery tokoa ny fitiavan’Andriamanitra; teto no nahitany fa bozaka aman’ahitra ny zanak’olombelona, ka sambatra izay voasambotr’Andriamanitra.

Ankehitriny ary dia lalana vaovao tanteraka no izorany, lalana izay mbola tsy fantany, lalana izay mbola hiaretany tolona mafy kokoa, nefa azony antoka tanteraka fa lalana itarihan’Andriamanitra azy, lalana iarahany amin’I Kristy, lalan’ny fijoroana ho vavolombelona.

Nefa alohan’izany dia tsy maintsy entina sy ampahafantarina ny fianakaviany vaovao ilay “teraka teny an-dalana”. Mbola asan’Andriamanitra koa izany, ary tsy mora ! Satria tao ny fahalemen’ny fiangonana, ny fisalasalany, ny tsy fahatokisany. Nalaza ratsy rahateo koa ilay sakaiza vaovao ! Resy lahatra ihany anefa tamin’ny farany ireo “zokiny”. Aoka hazava amintsika, ry havana , fa miasa sy mitondra vokatra isan’andro Andriamanitra, amin’ny fomba tsy ampoizintsika; mitondra “fanomezana”, mitondra olom-baovao ho antsika isan’andro Izy. Dia hatahotra sy hisalasala lava ve isika ? Tsy mora ny miala amin’ny mahazatra, tsy mora ny mandray zava-baovao sy olom-baovao. Mitaky fibebahana izany. Raha tsy izany dia ny efa olo-masina sy mifankazatra isan’andro ihany no hameno ny fiangonana. Raha izany no mitranga dia tsy hisokatra amin’izao tontolo izao mihitsy ny fiangonana. Tsy handroso mihitsy ny fiangonana raha izay heverintsika ho marina hatr’izay hatr’izay ihany no marina. Tsy ho velona ny fiangonana raha tsy manana fitiavana sy fahalalahan-tsaina handray izay rehetra heveriny ho mafy fo sy maditra atolotr’I Kristy eo an-tratrany. Tsy hivoatra ny fiangonana raha tsy milofo sy manolo-tena amin’ny fanolokoloana, amin’ny fitaizana ireo alom-baovao entin’Andriamanitra sy atolony ho fanomezana.

Ny mahagaga sy mampisaotra an’Andriamanitra dia izao: ilay naditra fahizay, ilay “zaza notantanina” sy nampianari-mamindra no nanjary “fanaka voafidy” ho fitondrana ny Anaran’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao. Ilay farany indrindra amin’ny rehetra, ilay osa sy malemy indrindra no voafidin’Andriamanitra ho mpitari-dalana ny fiangonana eo amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Koa tsarovy, ry havana , fa matoa naorin’Andriamanitra ny fiangonana, matoa ankasitrahany ny fisiany, dia satria io no toerana fanovozana aina ho an’izay rehetra voasambotra sy voafidin’Andriamanitra handeha lavitra. Toerana fakana aina ny fiangonana, hahazoany mandroso lalina kokoa, amin’ny alalan’ny fifampitsimbinana sy ny fifankatiavana, amin’ny alalan’ny fifampitaizana. Toeram-pihavaozana sy toeram-pamaharana ny fiangonana, manoloana ny adidy izay miandry eto amin’izao tontolo izao.

“Mandehana fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny Anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Israely”.

Baikom-pitiavana, baikom-pitokisana, baiko manome hafanana sy hery isan’andro ao am-po, ho anao, ho ahy, izay nomena andraikitra hitondra ny Vaovao Mahafaly eto amin’izao tany izao, miaraka amin’ireo rehetra tia an’Andriamanitra. Ilay momba antsika hatrizay sy ho mandrakizay no mitaona namana vaovao ho antsika isan’andro sy mitari-dalana antsika. Amena.
{mospagebreak}
Toriteny nataon-Atoa Solohery RAOBINARISON, Mpitandrina
tamin’ny fanompoam-pivavahana
notarihin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra
ny Alahady faha-21 May 2000
nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro
tao amin’ny Vieux Temple, Toulouse

 

Mandehana amin’izao herinao izao, «  ho voly maitso eo amin’ny sahako, Asan’ny tanako ho fampisehoam-boninahitra. » (Isa 60: 21b)

 

Azo lazaina fa mifandray amin’ny fiverenan’ny zanak’Israely avy tamin’ny fahababoany tany Babylona ity teny ity.

 

Tsy mora izany fiverenana izany. Miandry azy ireo ny mponina sisa tavela tao Jerosalema tsy lasa sesi-tany niaraka taminy, tsy manana finoana velona intsony. Miandry azy koa ireo vahiny tsy mahalala an’Andriamanitra niorim-ponenana teo amin’ny toerana navelany fony izy naondran’ny Kaldeana tany Babylona. Nihevitra ny tenany ho tompontany ireo.

 

Na dia eo aza anefa ny fahasarotana, azo heverina ho maivana izany eo anatrehan’ny ngidin’ny fahababoana sy ny fifalian’ny fodiana. Ary satria famonjena nataon’Andriamanitra ity, dia fiainana feno fankasitrahana miaraka Aminy no ampanantenain’izao fiveranana izao.

 

Hafa ny taloha. Tsy ny fahotan’ny mpitondra sy ny vahoaka moa no nahatonga ny firenena ho niafara tamin’ny fahababoana ! Fa inona no tsy mety ? Santionany : « Jamba ny mpitiliny » (56:10) ; « ny hiady sy ny hifanditra no anton’ny [ ifadiany] » (58:4) anefa ny fifadiana ankasitrahan’i Jehovah « dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy ny handefa ny ampahoriana ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra » (58:6) ; ny molony miteny lainga ary ny lelany mibedibedy faharatsiana (59:6) ; miodina izy ka manome alahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra (63:10) sns.

 

Ankehitriny dia zava-baovao sy fiainam-baovao no tazan’Isaia miaraka amin’ny fiverenana. Asehony i Jerosalema mamirapiratra, manintona ny mponin’ny tany rehetra. Ao amin’ny Testamenta Vaovao — Apokalypsy 21 — raha manambara an’i Jerosalema vaovao i Jaona, dia ao an-tsainy ity Isaia 60 ity. Eny, ny Fiangonana sy ny lanitra sy ny tany vaovao no tazan’i Isaia. Fiangonana izay fahazavana ho an’izao tontolo izao, fa tsy mpitarika na « mpitily jamba » ; Fiangonana mitondra fiadanana fa tsy mitondra ho amin’ny « ady sy ny fifandirana », mitondra fanafahana amin’ny « famatoran »’ny ratsy ; Fiangonana manambara ny marina sy miteny fampaherezana ; Fiangonana itoeran’ny Fanahy Masina. Ary ao amin’i Jesoa Kristy no fahatanterahan’izany.

 

Voly maitso no sary ilazana azy eto amin’ny teksta (« pousse », « rejeton », « rameau », « bouture »). Toa zavatra marefo anefa mitondra ao aminy ny fanantenan’ ny vokatra be. Eo amin’ny sahako no misy azy, hoy Andriamanitra, asan’ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.

 

Isaorana Andriamanitra fa noho ny amin’ny Jesoa Kristy dia anisan’ny Fiangonany koa ny Malagasy nandray ny Filazantsara. Tahaka ireo maro be izay tsy nahalala ny hatsaran’Andriamanitra ka nitoetra tamin’ny fahababoan’ny fahotana anefa noho herin’ny Filazantsara dia lasa olom-baovao ankehitriny. Manana anjara feno amin’ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra koa isika Malagasy mino. Raha ny FPMA manokana no jerena, ary indrindra ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra, dia toa tena mifanaraka amin’ity voly maitso ity : vao efa-polo taona, vao mianatra mandeha satria nomena ny handeha hahaleo tena amin’izay. Toa midadasika ny tany, toa lavitra ny ezaka ary tsaroana ho bitika sy tsinontsinona ny tena. Samy mahatsapa isika fa tsy mora ny mijoro ho vavolombelon’i Kristy. Anisan’ny vokatra antenaina : ho « mpitily mahiratra », ho mpitondra fiadanana, ho mpanafaka amin’ny ratsy, ho mpitory ny hafatr’Andriamanitra, ho tempolin’ny Fanahy Masina. Matetika ny fiainantsika, ny fisainana sy ny atao, tsaroana ho tsy mifanaraka amin’ny teny mamin’ny Filazantsara entintsika. Ny mahatonga izany dia ny henatra sy ny tahotra eo anatrehan’ny fisainan’izao tontolo izao tsy mahalala an’Andriamanitra. Mety fahatafintohinana amin’ny sasany ny fijoroantsika, mety ho fahadalana ho an’ny hafa (cf. 1kor 1:23), anefa tsarovy ny ngidin’ny fahababoana ary jereo ny hatsarana lavitry ny famonjen’i Kristy. Raha mbola eo amin’ny sahan’Andriamanitra ihany isika dia eo ambany fiarovany sy fikarakaràny. Koa dia mandehana amin’izao herinao izao, tsy olona tanteraka ianao fa voly maitso, anefa voly maitso asan-tanan’Andriamanitra ho fampisehoam-boninahitra. Tsy hamela anao ho irery Ilay tia anao sy nanamarina anao (cf.60:21a; vakio Titosy 3:3-7, Gal 2:16, 1 Kor 6:11).
Amena.
{mospagebreak}
Toriteny nataon-Atoa SOLOHERY Paul, Mpitandrina
Filohan’ny Vaomieran’ny Fanompoana
tamin’ny fanompoam-pivavahana famaranana ny jobily
izay nanokanana ny tsangambato (sonorisation)
sy nanatanterahana ny jobilin’ny mpanambady
ny Alahady faha-8 Oktobra 2000
nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro
tao amin’ny Temple du Salin, Toulouse

 

“Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’i Jehovah rehetra ka halatsak’i Jehovah aminy ny fanahiny”
(Nomery 11: 29)

 

Ry havana malala,

 

Hampitomboina aminareo rehetra mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo.

 

“Tsy misy fetra ny fanomezan’Andriamanitra ny fanahy” (Jaona 3: 34). Tsy fanahy osa anefa , na fanahim-pahandevozana, fa fanhy mahery sy fanahim-pitiavana. Koa ao anatin’ny fifaliana safononoka sy ny fahafahana tonga lafatra no hamaranantsika ny fankalazana ny Jobily faha-40 taonan’ny FPMA. Ny fitiavana no fehin’ny fahatanterahana. Ny fitiavana miantso fitiavana ary ny fanahy manindry fanahy. Isaorana anie Andriamanitra, Izay manainga antsika tsy hipetrapetra-potsiny fa samy handray anjara amin’ny fananganana famantaran-dalana sy amin’ny fanorenana tsangam-bato” (Jeremia 31/ 21). Nomeny talenta maro samy hafa isika: tsy mifandratra na mifamono izy ireny fa mifampiankina sy mifameno kosa. Manaiky iasan’ny Fanahy Masina isika sady manana ny sain’i Kristy ka vonona hampandroso ny fiangonana sy ny firenena. Tsy mpiambina resy tory isika fa miandry ny fiverenan’ny Tompo ka tsy manao tsirambina ny asantsika. Manantena zava-dehibe avy amin’ny Tompo isika ka sahy manao zava-dehibe ho an’ny Tompo. Voatendriny ho feo sy tava ary hanitra eo anivon’izao tontolo izao sy ny tantara isika. Dia feo mikarantsana, akon’ny tenin’i Kristy. Tava mamirapiratra iantefan’ny voninahitr’i Kristy. Ary hanitra mamerovero mamindra ny fiainan’I Kristy. Miezaka ny fahavalo hamingana ny tongotsika tsy hiditra ao amin’ny toby fonenan’ny vahoaka miandry famonjena. Kanefa “raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika” ? (Romana 8: 31).

 

Ry havana , ny fitaizana lalim-paka sy mitohy no tena fitsinjovana ny hoavin’ny fiangonana. Ny hazo no vanon-ko lakana dia ny tany naniriany no tsara. Ny fandeferana ihany no tarigetran’ny mpino fa tsy ny fialonana; ary ny fiaraha-miasa no tanjony fa tsy ny fireharehana. Ny olona mazato manompo an’Andriamanitra saingy tsy araka ny fitiavana sy ny fahalalana dia manao tahaka an’i Jona mpaminany “ilay voromailala adaladala tsy manan-tsaina” (Hosea 7: 11), izay nirahina ho any Ninive kanjo nitonantonana tany Espagne. Ny kristiana toa an’i Jona dia diso fikasa, diso fandrasa, diso fiasa. “Koa izay manao ny tenany fa efa mijoro tsara dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo” (I Kor 10: 12).

 

Moa tsy hevitry ny nofo va no namotraka an’i Josoa tao amin’ny tabernakely ? Nankahalainy i Eldada sy Medada namany, izay nijanona naminany tao an-toby. Hadinony manko fa be velarana ny fanatrehan’Andriamanitra ny olony sady mavesa-danja ny asany, koa tsy mba voagejan’ny toerana iray, na ny fotoana iray Izy, sady tsy voafatotry ny lalan-tokana, na ny fomba tokana.

 

Moa tsy faka mangidy koa va ny nitsiry tao am-pon’ireo mpanara-dia an’i Jaona Mpanao batisa ka nahasahian’izy ireo niteny hoe: “Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin’i Jordana, Izay nambaranao, indro manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy”. Hentitra ny valin-teny azony: “Tsy misy olona, hoy i Jaona Mpanao batisa, mahay mandray na inona na inona raha tsy omena azy anvy any an-danitra izany” (Jaona 3: 26-27).

 

Ary moa tsy voapentin’ny loton’ny fifampiandaniana koa va ny fanahin’i Jaona Apostoly raha niteny tamin’i Jesoa hoe: Tompoko, izahay nahita lehilahy anankiray namoaka demonia tamin’ny anaranao ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika”. Kanefa hoy i Jesoa tamin’i Jaona malalany hoe: “Aza rarana fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo” (Lioka 9: 49).

 

Ry havana malala, andeha hanara-maso vetivety ny fahendren’I Mosesy isika. Nanaraka ny tolo-tsain’ny fanahy izy ka nanendry mpaminany 70 lahy hanampy azy. Ny taotrano manko tsy efan’irery, tsy vita tsy ifanakonana, ary ny zava-dehibe tsy tanteraka raha tsy ifanampiana. Ry Josoa sy Eldada sy Medada no isan’ny olona nofidiny hiara-mitondra ny Zanak’Israely tsy omby 600.000 hatrany Kanana. Anarana manetriketrika ny azy telo lahy ireo. Josoa, izany hoe raha adika amin’ny teny malagasy dia “mamonjy Andriamanitra”. Eldada, izany hoe: “tian’Andriamanitra”, na “lalain’Andriamanitra”. Ary Medada, izany hoe: “sitrak’Andriamanitra”, na “telin’Andriamanitra”.

 

Notaomin’i Mosesy ireo namany ireo hiara-mivory aminy isan’andro manodidina ny tranolay fihaonana, na ny tabernakely, mba hivavaka sy handinika ny Lalàna ary handanja ny fanompoana. Raha omena vozon-kena ny famaky dia noho ny hena-maso ny tompony: ary raha omem-boninahitra ny mpiara-miasa dia noho ny fanajana an’Andriamanitra, Izay nifidy azy. Koa niray vatsy sy niray aina, niray dinidinika sy niray donak’afo izy rehetra. Tena zokin-draharaha ny fanentanana ny vahoaka hitandro ny fihavanana sady ho tokam-po amin’ny fanandratana ny voninahitr’Ilay Rain’ny fanahy ary Tompon’ny fiangonana sy ny firenena.

 

Indrisy anefa satria nivahavaha sy niborabora ny firaisana indray mandeha. Banga manko ny toeran’i Eldada sy Medada, izay tsy teo amin’ny tabernakely fa nijanona naminany teo amin’ny toby kosa. Tezitra mafy i Josoa, saingy kanosa izy ka tsy sahy velively nananatra mangina azy roa lahy sakaizany, izay noheveriny fa diso fihetsika sy ratsy fiasa. Hadinony fa ny faran’ny teny ifanatrehana, ary ny teny imaso tsy mba kilema. Avy hatrany i Josoa dia nanatona an’i Mosesy lehibeny ary nangataka azy handrara azy roa lahy tsy haminany intsony izany hoe tsy hifanerasera sy hampianatra ny vahoaka intsony. Voafatotry ny hevi-dravina i Josoa ka namono ny fanahy. Nisaina samy irery izy, niteny samy irery, ary niasa samy irery. Niezaka nanarina azy i Mosesy. Ny olona manoro lala-mahitsy dia mamindra aina. Ny anatra sy ny faniriana ny zava-panahy no mameno ny fony. Ny fitiavana mandrohy tsy an-tady ary mandidy tsy an-tsabatra. “Enga anie, hoy izy, ka ho mpaminany avokoa ny olon’i Jehovah rehetra ka halatsak’i Jehovah aminy ny Fanahiny” ! Fahiny ny olom-boahosotra toy ny mpanjaka, ny mpaminany, ny mpisorona, dia samy heniky ny fanahy fiton’Andriamanitra, dia ny fanahin’ny fitiavana sy fahamasinana, ny fanahin’ny fahendrena sy fahafahana, sy fanahin’ny finoana sy fahasoavana, ary ny fanahin’ny voninahitra. Niezaka hamantatra izay nankasitrahan’ny Tompo izy ireny na tamin’ny teny, na tamin’ny toetra, na tamin’ny asa. Ary raha vao tsy niambina tsara dia lavo.

 

Isika kristiana ankehitriny koa “dia taranaka voafidy, fanjakam-pisorona, firenena masina, olon’Andriamanitra” (I Petera 2: 9), voatendry hilaza ny hatsarany. Sady feo no tava ary hanitra eo anivon’izao tontolo izao sy ny tantara isika. Tsy midedadedaka manatontosa andraikitra tsy nampanaovina antsika anefa isika, na milaza zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo. Azy irery ny Teny sy ny asa.

 

Voalohany, feo mikarantsana hatrizay hatrizay isika, ary akon’ny teny nomena antsika. Tsy feo hafahafa mamalan-kira anefa fa feo mamelombelona ny olona rehetra sy ny olona manontolo. Mpitondra teny fotsiny isika. Mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mpamerin-doha. Tsy tompon’ny nahandro velively isika fa mpikarakara sy mpandroso ny sakafo ho an’ny besinimaro fotsiny. “Ny teny atao amin’ny antony, hoy Solomona mpanjaka, dia paoma volamena ao anatin’ny lovia volafotsy tsara soratra” (Ohabolana 25: 11). Ny teny soa dia sakafo sarobidy noho ny mana sy ny papelika. Nitomany hena ny Zanak’Israely tany an’efitra ho solon’ny mana, izay nomen’Andriamanitra azy isan’andro ho toy ny varin’ny lanitra sy fihinan’ny mahery fo. Nolazainy fa “mofomofo foana mahamonaina” ny mana. Tsy fantany fa ny Teny fiainana dia matsiro noho ny papelika nihahaka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby (izany hoe sahabo ho 30 km) ary tokony ho roa hakio ambonin’ny tany (izany hoe sahabo ho 1 metatra) araka ny voalazan’ny boky Nomery 11: 31. Ny saka matory tsy alam-bolombava; fa ny vahoaka resin-tory kosa tsy maintsy fohazina hihinana ny mofon’aina sy hisotro ny ranon’aina ary indrindra mba tsy hiahiahy intsony ny herim-pitiavan’Andriamanitra.

 

Manaraka izany, tava mampitomarataratra ny fahazavan’ny Tompo hatrizay hatrizay isika. Ny mpino manko dia zanaky ny mazava, mitafy ny mazava, mandeha amin’ny mazava, ary mandova ny fanjakan’ny mazava. Ny tava mamirapiratra tsy mba mioninkonina, na manarinary dia, na manao tsirambina ny asany, fa manaisotra ny aizina hatrany. Ny mpivavaka marina tsy mba manebaka, na manosi-bohon-tanana ny fisainana, ny fomba, ny finoana, ny asan’ny olon-kafa satria manko ankasitrahan’ny Tompo sady omeny fahombiazana koa ireny. Laviny ny fanilikiliana be fahatany ny toe-panahy soa izay mampiavaka ny isam-pirenena, toy ny riba, ny vako-manitra nenti-paharazana, ny tantara tsangana miaraka amin’ny hira sy mozika ary dihy, ny fahaizana amam-pandrosoana, ny fikarohana siantifika sy teknika ary sosialy. Ny firenena maro manko amin’ny andro farany samy hitondra ny voninahiny ho ao anatin’ny tanàna masina, dia i Jerosalema vaovao (Apokalypsy 21: 24).

 

Ary farany, hanitra mamerovero eo amin’izao tontolo izao ny mpino, dia “hanitr’i Kristy ho an’Andriamanitra amin’izay hovonjena sy izay ho very” (II Kor 2: 15). Ho an’izay rehetra mandray ny Filazantsara dia fahasoavana sy fahafinaretana ary fiainana. Fa ho an’izay rehetra manda izany kosa dia fanamelohana sy fahaverezana ary fahafatesana. Iray toerana ny voninkazo ao an-tanimboly saingy tsy iray karazana fa samy manana ny toetra manokana azy avy. Samy hafa ny faniriny, ny endriny, ny lokony, ny raharahany, ny fofony, ny vidiny, ny faharetany. Sakamalao sy havozo ka samy mitondra ny hanitra entiny. Torak’izany koa ny mpitory ny Vaovao Mahafaly: samy manana ny lanjam-pinoany, ny fanomezam-pahasoavany, ny fanompoany, ny asany. Tao amin’ny zaridainan’i Edena no nipoiran’ny fandavan’ny olona an’Andriamanitra. Fa tao amin’ny zaridainan’i Getsemane kosa no nisehoan’ny fanoavan’i Jesoa Kristy an-dRainy. Koa tsy izay hosoran-tsakay akory no mangidy, na izay hosoran-tantely no mamy, fa izay atao amin’ny fieritreretana madio no tsangam-bato mendrika indrindra satria sady manome endrika ny tany no manome hanitra ny lanitra.

 

Ry havana malala, isika no Tiana sy Lalaina, Sitraka sy Telin’i Kristy ka tendreny ho mpaminany, dia ministry ny Teniny sy ambasadaoron’ny Fanjakany. Koa mandehana amin’izao herinao izao. Aza mandraraka ilo mby an-doha. Mivavaha ary miasà ! Mivavaha amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ary “aza mahafoy ny fiarahantsika miangona” (Hebreo 10: 25). Ary miasà amin’ny fanetrentena sy ny faharetana ary aza manjehy ny andro ho lava.

 

Tsy manan-tsafidy ny boloky sy ny gidro ompiana, fa manaraka am-bokony sy maka tahaka an-jambany fotsiny ny teny sy ny fihetsiky ny tompony. Fa tsy mba toa izany ny mpino. Tsy boloky kelin’i Kristy ny mpino fa manana fahafahana handa ny fivavahana moana sy mihidy, ary tsy gidro kelin’i Kristy izy fa manana safidy hitsipaka ny moraly tery sy mikatona. Dynamika fa tsy statika ny fivavahana sy ny moraly arahiny. Feno ny fahasoavan’ny Tompo izy ka mahalala sady matoky “fa tsy misy zavatra maloto ho azy akory” (Romana 14: 14). Koa mamantatra ny zavatra rehetra izy ary mihazona mafy izay tsara. Fantany fa ambony noho ny fitsipi-pifehezana ny lalàm-pitiavana. “Ary ny fanjakan’Andriamanitra dia fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana amin’ny Fanahy Masina” (Romana 14: 16).

 

Ny zavatra rehetra dia azo atao, kanefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa. Ny fahafahan’ny mpino tsy ho tonga fahatafintohinana ho an’ny rahalahy mbola malemy finoana fa ho fiheverana kosa ny hahalafy sy hahasoa ary hampandroso azy ao amin’I Jesoa Kristy, Izay maty ho famonjena azy ary nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana azy.

 

Ny Filazantsara dia fisokafana ho amin’ny fiainana, fanasana ho amin’ny fandeferana, ary fitaomana ho amin’ny fitiavana. Io fitiavana io no satroboninahitr’i Kristy; ny fahamarinana no seza fiandrianany; ny Teny no sabatry ny fanahiny; ary ny asa no hanitry ny fiainany.

 

“Koa ny fahasoavana anie ho amin’izay rehetra tia an’i Jesoa Kristy Tompo amin’ny fitiavana tsy mety levona” (Efesiana 6: 24), ary ho amin’izay rehetra miandry ny fiverenany koa.
(Hitohy)



 




Mis à jour (Mercredi, 12 Octobre 2011 10:36)