Fandalinana soratra masina
Ny fitomboana ara-panahy
Mahafinaritra ny mahatsapa fa misy kristiana miezaka hamaka tsara sy hiorina mafy ao amin’i Jesoa Kristy Tompon’ny finoana sy mpanefa azy ka tafatoetra amin’ ny finoana (Kol 2 : 7). Maharavo ny mahita fa misy mpino mivondrona hiara-mandroso amin’ny fanarahana ny Tompo amin’ny fankatoavana ny Teniny. Endrey, tsara sady mahafinaritra, hoy i Davida mpanjaka, raha ny mpirahalahy no miara-monina ; fa voadidin’ i Jehovah ho eo ny fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay (Sal 133 : 1-3). Mahafaly ny mandre fa misy tanora manolo-tena ho olon’Andriamanitra mikatsaka ny fanjakany sy ny fahamarinany (Mat 6 : 33). « Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, hoy i Jaona Apostoly, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako » (3 Jao 1 : 4). Ny Apostoly Paoly dia manambara fa sitrapon’Andriamanitra ny hitomboan’ny kristiana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy ny sitrapony (Kol 1 : 9-10). Raha natao iantsoana ny mpanaraka an’i Kristy mantsy ny anarana hoe kristiana, dia mazava ho azy fa ny antony lehibe isalorana izany dia ny fanahafana an’i Kristy. Atao ahoana anefa no ahafahana manahaka olona tsy fantatra tsara ? Noho izany dia tsy maintsy mitombo amin’ny fahalalana an’i Kristy sy ny sitrapony ny kristiana.
Mis à jour (Dimanche, 08 Juillet 2012 23:42) |
|
|






