Radio
Fandraisana Fizarana

Fizarana

Alahadin'ny Sampandrofia 2013

Ny Alahadin’ny sampandrofia dia andro ankalazana ny fetin’ny sampandrofia, izay ahatsiarovana ny niakaran’i Jesoa tam-boninahitra tany Jerosalema, ka nihobian’ny vahoaka Azy tamin’ny fanofahofana sampan-kazo, sy tamin’ny famelarana lamba hodiaviny teny an-dalana, ary tamin’ny fiantsoantsoana hoe : « Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah! ».

Manoloana izany tantara izany, dia manitikitika ny saina avy hatrany, ny hahafantatra izay tao am-pon’ireto vahoaka nanandràtra an’i Jesoa ho Mpanjaka ireto. Tsy maintsy ho efa nanana izay heviny mikasika ny Mesia mantsy izy ireto, matoa tonga maro toy izao, dia izay antenainy ho entin’ity Mpanjaka nambaran’ny mpaminany sy nandrasany fatratra hatry ny ela ity. Mampiseho izany ny nivadihan’izy ireo mora foana tamin’i Jesoa, andro vitsy monja taorian’izao, noho ny fahadisoam-panantenany Taminy, ka niovan’ilay antsoantsony nanao hoe : « Hosana, hosana ! », hanjary hoe : « Omboy, omboy amin’ny Hazo Fijaliana Ilehio ! ».

Mis à jour (Samedi, 13 Avril 2013 06:17)

Lire la suite...

 

Paska 2013

Paska ! Andro fahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ! « Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho… » (Lio 24 : 34). Koa asaina isika hitory mivantana ombieny ombieny eny tontolo eny an’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay Andriamanitra iray amin’ny Ray. « Izaho sy ny Ray dia iray ihany » (Jao 10 : 30), hoy Izy, ary «Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray » (Jao 14 : 9). Ao amin’i Jesoa Kristy no ahitana an’Andriamanitra, Ilay « tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo » (Mat 20 : 28), Ilay tonga handohalika eo anoloan’ny olona, mba hanasa ny tongony (Jao 13 : 5), Ilay tonga ho tia ny azy hatramin’ny farany (Jao 13 : 1), hatramin’ny fanolorana ny ainy teo amin’ny Hazo Fijaliana, hatramin’ny Fitsanganana amin’ny maty, mba hamonjena azy amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana, sy hanamarinana azy, ary hanomezana azy ny fiainana mandrakizay, sy ny zavatra rehetra (Rom 8 : 32), izay miara-miasa hahasoa azy (Rom 8 : 28).

Mis à jour (Samedi, 13 Avril 2013 06:12)

Lire la suite...

 

Toerana ho an'ny Tompo

Nidina tety an-tany hamangy sy hamonjy ny olona i Jesoa Kristy Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, Andriamanitra niara-nanjaka tamin’ny Rainy, ka niankohofan’ny anjelin’Andriamanitra rehetra (Heb 1 : 5-6). Nilaozany ny lapany, ny voninahiny sy ny hareny tsy hita lany tany an-danitra, ka tonga malahelo Izy, mba hampanan-karena antsika (II Kor 8 : 9). Tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana tamin’ Andriamanitra, fa nifidy hanam-pitoviana tamintsika olona Izy, ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, mba hanome fiainana antsika (Fil 2 : 6).

Mis à jour (Mercredi, 19 Décembre 2012 06:11)

Lire la suite...

 

Noely mamirapiratra ho fanazavana ny olona

Noely ! Mamirapiratra izay tsy izy ilay alina lava indrindra amin’ny taona. Mifamory hiari-tory any an-tokantrano, any an-trano fanaovam-pety sy any am-piangonana ny olona. Fa nahoana loatra re no miavaka amin’ny hafa rehetra ity alina ity e ? Ity tokoa mantsy no fotoana ahatsiarovana ny nahatanterahan’ny faminanian’i Isaia mpaminany manao hoe : “Ny olona izay mandeha amin’ ny maizina dia mahita mazava lehibe ; izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ ny mazava” (Isa 9 : 1), tsy tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesoa Kristy tany Betlehema ihany, fa ankehitriny koa. Nanelatrelatra nanodidina ny mpiandry ondry ny voninahitry ny Tompo tamin’ny alin’ny Noely voalohany (Lio 2 : 9). Tsy nitsahatra teo anefa izany, fa isan-taona, mandritra ny fetin’ny Noely, dia mbola miseho ao anatin’ny firentirentin’ny hazavana maro loko mandravaka ny tokantrano, ny fiangonana, ny lalambe sy ny tanàna manontolo, mba hampitodika ny fijery sy ny saina rehetra, ny fo sy ny fanahy koa, amin’i Jesoa Zaza, ilay fahazavan’izao tontolo izao.

Mis à jour (Mercredi, 19 Décembre 2012 06:13)

Lire la suite...

 
Plus d'articles...
Vaovao tselatra

Karaoké vaovao maro

miandry anao ao amin'ny

"Hira sy Mozika"

=================

 

"Alahadin'ny mpitandrina"

"Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy"

lahatsoratra vaovao

azonao vakina ao amin'ny

"Fivavahana"- "Fizarana"

=================

 

"Vaovao eto amin'ny "anathoth"

"Fampaherezana"

"ao amin'ny Fivavahana"

Raki-tSoratra Masina natao hanampy anao hanao tsianjery sy hifikitra amin'ny Tenin'Andriamanitra

=================

 

Toriteny vaovao

"Ny fanahin'ny fanompoana"

azonao vakiana ao amin'ny

"Fivavahana"

=================

 

Karaoke vaovao

no miandry anao

ao amin'ny

"Hira sy Mozika"

=================