Fivavahana
" Efa nambolena tao an-tranon'i Jehovah izy, ka maniry eo an-kianjan'Andriamanitsika " (Salamo 92 : 13)

"Na iza na iza maniry handinika ny Soratra Masina eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina dia homen'Andriamanitra saina afaka hamaofivaofy ny hevitra fonosin'ny Teniny toy izay hitantsika androany, hoy ny Mpitandrina Edmond Rambeloson, raha nandray fitenenana taorian'ny toriteny voalohany nataony tao am-piangonana, tamin'ny fahadimy ambin'ny folo ranonorany izy.
Georges Rakotoarimanga, loholona nahavita be tamin'ny famolavolana ara-pilazantsara ny taranaky ny Fiangonana FJKM Anosivavaka Ambohimanarina, dia tsy nisalasala nilaza taminy hoe : "Valimbavaka ianao", raha nanapa-kevitra hiditra ho anisan'ny Anjomaran'Anosivavaka izy, ka voafidy ho mpitarika izany Antoko Mpihira izany, fotoana kely monja taorian'izay.
"Taon-trano, hono, tsy efan'ny irery". Marina amin'ny asa fampielezana ny Filazantsara koa izany fiteny malagasy feno fahendrena izany. Ankoatr'ireo asa soratra mikasika ny fivavahana nataony dia ho hita ato koa ny an'ireo mpitandrina sy mpanompon'Andriamanitra izay nanome alalana azy hamoaka izany.
Mba hahamora ny fitadiavanao toriteny dia azonao atao ny mifidy izay endrika tianao hisehoan'ny filaharany. Sokafy ny varavaran-kely faharoa avy eo ankavanana eo ambony mitondra ny anarana hoe "Trier", dia fidio ao izay fomba sitrakao hilaharan'ny toriteny (daty, mpanoratra, alfabetika ...sns...).
Mis à jour (Samedi, 08 Août 2009 21:12)
Fivavahana

