Ny tena kristiana

Olona manao ahoana moa no atao hoe kristiana marina ?
Ny tena kristiana dia olona voahombo miaraka amin’ i Kristy amin’ ny hazo fijaliana, ary tsy izy intsony no velona, fa Kristy no velona ao anatiny (Gal 2 : 20) ; olona niara-natsangana tamin’i Kristy, ka mikatsaka ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana an-kavanan’Andriamanitra (Kol 3 : 1) ; olona nandray hery ho tonga zanak’Andriamanitra, nandray ny fanadiovan’ny Fanahy Masina koa, ka manaiky tarihiny mandrakariva (Rom 8 : 14) ; olona miova amin’ny fanavaozana ny sainy ka mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra izay tsara sady ankasitrahana no marina (Rom 12 : 2) ; olona tia an’Andriamanitra amin’ny fony rehetra, ka matoky fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa azy (Rom 8 : 28) ; olona tsy ifandroritan’ny zavatra tiany sy ny sitrapon’Andriamanitra intsony, fa manana fahafahana hanao izay irin’ny fony. Izay ataony rehetra dia itomboany amin’ny fahalalana an’Andriamanitra, dia ny fitiavany, ny fahatsarany, ny heriny, ny famindram-pony, ny fiadanany.
Mis à jour (Vendredi, 11 Mai 2012 05:28)
Baiboly Iainana 21 may : Baiboly manontolo renesina ao anatin'ny herintaonaMis à jour (Vendredi, 18 Juin 2010 09:34) Fa ny finoan'ise
Mis à jour (Samedi, 14 Avril 2012 22:22) |



